Messages récents par FJKM Isotry Fitiavana

Sary FJKM Isotry Fitiavana

Part 1 [Best_Wordpress_Gallery id="2" gal_title="SARY FJKMIF"] Part 2 [Best_Wordpress_Gallery id="4" gal_title="Isotry Fitiavana Fananana Part 2"]
Tohiny

ALAHADY 26 JAN 2020

« Izy no torinay, ka samy anarinay sy ampianarinay amin'ny fahendrena rehetra ny olona rehetra, mba samy hatolotray ho tanteraka ao amin'i Kristy izy rehetra ». Kolosiana 1 :28

Mba samy hatolotray ho tanteraka ao amin'i Kristy izy rehetra. Ry havana ô, ry havana ô, tia anao ny Tompo, ary izany no hafany ho anao, izany ny programany ho anao androany : ny ho tanteraka ianao ao amin’i Jesoa, ny ho tanteraka ianao ao amin’i Jesoa.

Raha fintinina ilay hafatra ry havana, faran’izay tsotra, dia hoe : METEZA HO TANTERAKA – EKEO NY HO PARFAIT- EKEO NY HO MATOTRA. Izany ny programan’ny Rainao ho anao : METEZA HO TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY.

Ny Fahamarinana 1 ry havana, ho an’ny olona izay hoe mety ho tanteraka ao amin’i Kristy, dia ny hoe : METEZA ANARINA

Hanarin’ny inona ry havana ? Hanarin’ny toriteny.

Hanarin’ny inona ry havana ? Hanarin’ny fampianarana isan-karazany atao ao am-piangonana. « Izy no torinay, ka samy anarinay sy ampianarinay amin'ny fahendrena rehetra ny olona rehetra ». Raha te hiroso amin’ny fahatanterahana ianao ry havana ô, meteza, meteza, meteza anarina.

Ilay fahatanterahana ry havana mahazo roa : ilay fahatanterahana ety an-tany aloa, mazava be izany, iza no tsy mitady an’izany perfection izany ? Iza no tsy mitady an’izany fahamatorana izany e ? Fa ilay fahamatorana resahina eto, ilay fahamatorana ao amin’i Kristy, dia fahamatorana indrindra indrindra koa, fahamatorana, fahatanterahana, perfection spirituelle. Izany ry havana ô. Ary rehefa miteny ny Apostoly Paoly hoe : « Izy no torinay, ka samy anarinay sy ampianarinay amin'ny fahendrena rehetra ny olona rehetra, mba samy hatolotray ho tanteraka » : atolotra an’iza moa ? Atolotra an’iza moa isika raha hoe atolotra ho tanteraka ? Atolotra an’Andriamanitra. Atolotra an’Andriamanitra. Rahoviana ? Atolotra an’Andriamanitra amin’ny fotoanan’ny fitsarana. Ry Fiangonana ô, an-dalana hiatrika fitsarana isika e. Ary izany no maha-zava-dehibe ilay fetezako sy ilay fetezanao ho tanteraka, mba hahazoana miatrika amin’ny fiadanana izany fitsarana miandry antsika izany, hidirana any an-danitra ry havana ô. Ny Tompo no miteny aminao hoe : meteza, meteza, meteza ho tanteraka : meteza anarina.

Maro ry havana no mankaty am-piangonana, faly izy mankaty am-piangonana, tsy azony ny ainy raha hoe Alahady maraina la tsy hiangona izany, tena tsy azony mihitsy e. Fa tonga aty indray izy an, tsy mifantoka amin’ilay fanompoam-pivavahana. Ary ny diakona mitantara hoe mbola maro, mifona aminareo tanora aho, fa izay moa, dinidiniky ny mpianakavy ity : maro ny tanora ato amin’ny Fiangonana, mbola ilaozana manao FB, milalao téléphone, mifanao message mandritra ny toriteny. Ry tanora malala ô, tsy hahasoa anao izany e. Tsy morale izany, fa tsy hampandroso anao ho amin’ny fahatanterahana izany. Henoy ny toriteny, henoy ny toriteny manomboka izao. Ary henoy ny votoatin’ny toriteny. Rehefa miteny Paoly hoe : « Izy no torianay », dia manazava Paoly hoe : Kristy no torianay, Kristy no votoatin’ny toriteny. Ary raha mihaino tsara ny toriteny ianao, dia tena hoe hitombo amin’ny fahalalana an’i Kristy. Fa iza moa Kristy ry havana ô ? Iza moa Kristy ? Kristy dia Andriamanitra tonga nofo, lehilahy iray tao an-danitra tao, Andriamanitra tao an-danitra tao, tonga nofo Izy satria naninona ? Nanana ry rehetra rehetra Izy tao an-danitra tao, mahafinaritra izany lanitra izany, fa hoy Izy hoe zavatra iray loha no banga ato amin’ity lanitra ity, dia izaho sy ianao. Izany i Kristy ry havana ô. Tsy mety Aminy io lanitra io, raha tsy misy ahy sy misy anao. Izany no torian’ny Fiangonana isak’Alahady, asak’Alahady ; kanefa ilaozanao manao Facebook ato amin’ny téléphone. Fitiavana anie izany ry havana ô. Fitiavana ny hoe, inona izay izaho, inona izay ianao ; fa izany no niakarany teo amin’ny hazofijaliana, ilazana hoe : « tiako hiaraka amiko any an-danitra ianao, fa izao no problemanao : ny fahotanao, ny fahotanao no sakana ho anao, ary tsy manana solution ianao ; izany no nahatongavako ety an-tany ». Ary izany no votoatin’ny filazantsara : Kristy, Andriamanitra tonga nofo, lehilahy iray tena hoe adalam-pitiavana ahy sy anao dia miantso anao ho amin’ny fibebahana, hahazoany mamela heloka anao sy manamarina anao, natsangana tamin’ny maty. Izany no votoatin’ny toriteny kristiana, na mahay mitoriteny, na tsy mahay mitoriteny ilay mpandahatra ry havana ô ; izany no ilaintsika isak’Alahady. Ary mila mitandrina isika ry havana, fa indraindray, indrindra amin’izao 2020 izao, vaosodokan’ny fampianaran-diso, vaosodokan’ny fampianarana hafahafa sy ny mpampianatra sandoka, hoy Paoly Apostoly ato amin’ity Kolosiana ity : tsy mitory an’i Kristy izany, fa mitory Kristy hafa ry havana ô. Variana aho, taona vitsivitsy lasa izay, tao amin’ny palais des sports tao ; feno hiboka ny palais des sports : afrikana avy ao Afrika tao, tena mihaino azy ianao amin’ny youtube, Kristy hafa ry havana no toriany, nefa dia mahafeno hiboka palais des sports. Taona vitsivitsy talohan’izay, madama izay, rehefa dinihinao ny toriteniny, mahafinaritra ihany ilay toriteny, fa izany madama izany, 90% ny toriteniny, tsy mitory an’i Kristy, fa mitory ny tenany, mitory ny tenany, nefa mahafeno palais des sports, mahavarotra boky aman’aliny ry havana ô. Miteny anao ny Tompo androany : METEZA HO TANTERAKA, ary voalohany dia voalohany indrindra : METEZA ANARINA : meteza conseillé-na, meteza avertisé-na, meteza atoro e. Fa tsy misy olona tsy anarina sy tsy ampianarina ry havana ô, ka hahatratra an’izany fahatanterahana, hahatratra an’izany fahamatorana, hahatratra an’izany hoe perfection izany. Ataovy zava-dehibe manomboka izao ny tenin’Andriamanitra. Tsara ny mamaky biographie-ny olona mpanompon’Andriamanitra, tsara ny mamaky heviteny, fa vakio, vakio na dia hoe 5mn isan’andro monja aza ny Baiboly ry havana ô, raha te hitombo amin’ny fahatanterahana ianao. Jereo anie ny zavatra nitranga e, tany Beria, Asan’ny Apostoly 17 : 11 : « Ary ny toe-panahin’ ireo dia tsara noho ny tao Tesalonika; satria nandray ny teny tamin’ ny zotom-po indrindra ireo ka nandinika ny Soratra Masina isan-andro, na marina izany, na tsia ». Hoy io and.11 io hoe ny toe-panahin’ireo kristiana tao Beria dia tsara noho ny tao Tesalonika. Ry havana ô, dia mitsara ve ny Soratra Masina rehefa miteny hoe ny toe-panahin’i ra-anona tsara noho ny toe-panahin’i ra-anona ? Ny faniriana ry havana ô, dia enga anie ka hoe mba hisy hiteny indray andro any ; ny toe-panahin’ireo kristiana ao Isotry Fitiavana ireo sy ny zanaka am-pielezana dia tsara noho ny toe-panahin’ny any an-kafa ry havana ô. Izany no hitantsika ato anaty Soratra Masina. Fa tsy tongatonga fotsiny amin’izao izany. Fa hoe dinihina isan’andro isan’andro, dia sady mitombo amin’ny fahatanterahana ianao, mitombo amin’ny fahamatorana ianao, no mi-assuré izany hoe destination anao any an-danitra izany. Henontsika isan’andro isan’andro hoe feno ny Fiangonana isak’Alahady isak’Alahady, nefa izao no situation-ny firenena. Tsy mahagaga raha izao no situation-ny firenena satria kristiana tsy matotra ry havana ô no mameno ny Fiangonana, kristiana tsy tanteraka ; kristiana tsy manao ho zava-dehibe izany hoe perfection izany no mameno ny Fiangonana, na mitantana ny firenena. METEZA HO TANTERAKA : METEZA ANARINA SY AMPIANARINA.

Ny fahamarinana 2 ry havana dia izao, ho anao izay hoe mety ho tanteraka, dia hoe : FANTARO NY FAHATEZERANA AIDIN’ANDRIAMANITRA AO AMIN’NY FIAINANAO

Ezekiela 20, jerentsika anie ry havana, mampieritreritra ity Ezekiela 20 :33 ity, satria hoe Andriamanitra maneho ny tana-maheriny ; asehony tokoa ilay tana-maheriny eo amin’ny and.33 : « Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tanana mahery sy sandry ahinjitra ary fahatezerana aidina no hanjakako aminareo ».  Fahatezerana aidina. Ianao izay te hiroso amin’ny fahatanterahana, androany aloa, fantaro : sao dia misy fahatezerana aidin’Andriamanitra ao amin’ny fiainanao ry havana ô ?   Io fiainanao tsy manjary, ohatran’izao sy ohatran’izao io, manontania tena : sao dia ity tokoa ary ilay lazain’ny Ezekiela hoe fahatezerana aidina.

Inona ny zavatra hitenenan’Andriamanitra mafy ny Isiraely eto ? Hoe nareo hoy Izy, dia mijangajanga, mijangajanga tahaka ny razanareo ianareo, manompo sampy ianareo, mivavaka amin’ny hazo ianareo, mivavaka amin’ny vato ianareo, manao sacrifice d’enfant ianareo, mampandalo ny zanakareo amin’ny afo ianareo ; ary jereo tsara ry havana eo amin’ny and. 32, ny eritreritr’ireto zanak’Isiraely ireto : « Ary tsy ho tanteraka mihitsy ny eritreritry ny fanahinareo hoe: Ho tahaka ny jentilisa izahay, dia tahaka ny firenena amin’ ny tany samy hafa ». Ny eritreritr’ilay zanak’Andriamanitra dia hoe, ny objectif-nay dia ho tahaka ny jentilisa : io. « Fa Izaho adalam-pitiavana aminareo » hoy Andriamanitra, «  tsy ho tanteraka. Inty Aho eto, ka raha velona koa Aho, tsy ho tanteraka izany eritreritra adala be izany hoe ho tahaka ny jentilisa». Ary izany, izany isika Fiangonana, efa hatramin’izay manadino ny privilège, ny fizintsika amin’ny maha-zanak’Andriamanitra. Iza ianao ? Zanak’Andriamanitra. Iza ianao ? Olom-boafidy. Adinontsika izany. Fa ny mahamay antsika, dia ny hoe haka tahaka an’izao tontolo izao, Ezekiela 20. Izaho sy ianao io ry havana ô. Ary tsy azontsika ny haintsika raha tsy maka tahaka ny fanaon’ny jentilisa. Heverintsika fa hoe izany no tena intelligence sy perfection sy fahamatorana : maka tahaka ny fomban’ny jentilisa amin’ny fiakanjo, amin’ny fanaovana volo, amin’ny hira henoina sy ny karazany. Hoy Andriamanitra hoe : « Raha velona koa Aho, dia aidiko aminao ny fahatezerako ». Isika ary efa mahita an’izany. Eo ilay olona tena hoe mifankatia, mifankatia be. Dia rehefa manao ny tsy mety ny anankiray dia tena hoe mirehitra ny fahatezerana, fahatezeran’ny olona tia mahita an’ilay hoe adalana ataon’ilay olona tiana. Adalam-pitiavana amin’Isiraely Andriamanitra eto ry havana, ary izany no hitenenany hoe : « aidiko aminareo ny fahatezerako, fa tsy ho foana akory e, izany hoe nifidianako anareo ho firenena ho Ahy ary Izaho ho Andriamanitrareo. Raha velona Aho, tsy ho foana izany, izany fifidianana izany. Maintenant, aidiko aminareo ny fahatezerako, ary ny tana-mahery no ampidina aminareo ny fahatezerako ».

Ahoana moa izany hoy Ezekiela izany Andriamanitra mampidina ny fahatezerany amin’ny zanany, amin’ny Fiangonany izany ? Hoy ny and.34 : « Ary amin'ny tanana mahery sy ny sandry ahinjitra ary amin'ny fahatezerana aidina no hitondrako anareo mivoaka avy any amin'ny firenena sy hamoriako anareo avy any amin'ny tany izay nampielezana anareo ». Inona no nataon’Andriamanitra raha nampidina ny fahatezerany tamin’ny zanak’Isiraely Izy ? Naheliny tany Babylona ny zanak’Isiraely. Dia hoy Izy hoe : « naheliko any ianareo, fa ho averiko ; fa naheliko any aloa ». Anisan’ny boky malaza nosoratan’i Lotera ry havana, ilay mpanitsy fivavahana, hoe : « la captivité babylonienne de l’église». Inona no lazainy amin’izany ? Ezekiela 20. Mivavaka isika, fa any Babylona. Ny zanak’Isiraely raha hoe natao sesitany tany Babylona, nampielezana tany Babylona, dia lavitry ny taniny, lavitry ny tempoliny, izay tena hoe maha-zanak’Andriamanitra azy. Tena hoe tsinontsinona mihitsy izy. Fa ry havana ô, hoy izy hoe ianao izay mety ho tanteraka, fantaro ny fahatezeran’Andriamanitra aidin’Andriamanitra aminao : sao dia ianao, sao dia ianao izany any Babylona izany ? Araka ilay notenenina teo, mba miditra am-piangonana ihany nefa ilaozana mamadibadika téléphone ato am-piangonana ; any Babylona ianao ry havana ô. Diakona ianao, mpiandry ianao, service ianao fa ilaozanao manao week-end ary an’anona ary : any Babylona ianao ry havana ô, any Babylona ianao. Tsy mety anarina ianao, tsy mety hianatra tenin’Andriamanitra ianao, manao vavaka raitra be ianao : malahelo aho miteny aminao, any Babylona ianao e, any Babylona ianao ry havana ô. Izany : manana anarana ho mpivavaka, mpiandraikitry ny Fiangonana, nefa any Babylona araka ny tenenin’i Ezekiela amintsika Fiangonana. Meteza ho tanteraka, meteza anarina e. Fantaro io hoe fahatezerana aidin’Andriamanitra aminao io, fa fahatezeran’Andriamanitra adalam-pitiavana anao io ry havana ô. Ary tsy hamelany ianao raha tsy miverina ao Aminy ka mahafantatra hoe Izy no hany Mpamonjy te hampiditra anao any an-danitra ry havana ô. Sao dia any Babylona ianao ? Izay no tenenin’Andriamanitra voalohany raha hoe mampidina ny fahatezerany amin’ny olona. Ilay toetra ratsy nolazaina teo izany an : ianao izany responsable-sampana, miandry anao ny sampana, fa manana programme personnel ianao, dia adabokao ny sampana : any Babylona ianao. Ilay maha-any Babylona io izany endrika voalohany amin’ilay fahatezerana aidin’Andriamanitra.

Inona ilay endrika faharoa amin’ilay fahatezeran’Andriamanitra ? And.35 : «Dia ho entiko ho any an'efitry ny firenena ianareo. ». Ho entina any an’efitra. Nalefa tany Babylona, nafahana tany Babylona, tokony entina miverina any Kanana, dia maninona ary no tenenina hoe : rehefa afaka any Babylona ianareo, and.35 dia hoe : «  ho entiko any an’efitry ny firenena ». Ilay firenena moa izany dia jentilisa. Mahavariana tokoa ry havana, rehefa nokarohina kely, hoe avy any Babylona ve ny olona dia averin’Andriamanitra any Kanana, satria any Kanana io efitry ny firenena io, ao Kanana io ry havana ô. Kanana mantsy, nony nalaina tao ny zanak’Isiraely nalefa tany Babylona, dia navelan’Andriamanitra hisy jentilisa nipetraka ao ; tonga ny zanak’Isiraely avy any Babylona, miara-monina amin’ny jentilisa. Dia toy ny any an’efitra izy ry havana ô. Toy ny any an’efitra izy satria maninona ? Hanjakanjakan’ny jentilisa, hanaparan’ireto jentilisa lasa nonina tao, rehefa tafaverina tao ny zanak’Isiraely. Mahita ny firenentsika eto ry havana, isika anie malagasy e, tompon-tany e, tompon-tanindrazana e, hitanareo ny karana, hitanareo ny vahiny isa-karazany manjakazaka eto amin’ity firenena ity, manao ny tsy rariny, tsy maty mamota etc…tsy refesi-mandidy : ohatran’izay tsy misy hafa ity hoe ao amin’ny efitry ny firenena : tafaverina any Kanana nefa mbola ao amin’ny efitry ny firenena. Ianao ry havana ô, diniho ihany sao dia hoe ianao izany ao amin’ny efitry ny firenena izany, ao amin’ny ankohonanao, ao amin’ny ankohonanao. Izay foana moa ny antsika Isotry Fitiavana. Mba manana an’izay ilaina, mba manana an’izay ilaina amin’ny rehetrarehetra, amin’ny lafiny matériel nefa toy ny any amin’ny efitry ny jentilisa ianao, any amin’ny efitry ny firenena ianao satria, asa, ny vadinao, ny zanakao, ny ray aman-dreninao manitsakitsaka anao izay mba te hoe hivavaka ianao. Misy fahatezerana aidin’Andriamanitra eo, fa ianao : mahereza sy matanjaha fa Andriamanitra tia anao no mampandalo anao amin’izany, lalanao mankany amin’ny fahatanterahana izany ry havana ô.

Izay izany ny zavatra hitantsika teto : meteza ho tanteraka. Meteza Anarina. Fantaro ny fahatezerana aidin’ny tana-maherin’Andriamanitra amin’ny fiainanao.

Farany ry havana, ao amin’ny Matio 8 :3 : « Ary Jesosy naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao hoe: Mety Aho; madiova hianao. Dia nadio tamin’ ny habokany niaraka tamin’ izay izy ». Fahamarinana 3 : NY OLONA METY HO TANTERAKA DIA OLONA METY HIDIO

Mety hidio. Mety hidio izy : tsy izy no manadio tena, fa Jesoa no manadio azy. Fa matoa izy diovin’i Jesoa, satria niaiky izy fa maloto, izay ilay izy. Ary izay no hamintinana azy amin’ilay hoe : METEZA HIDIO – METEZA HIDIO.

Anisan’ny tena hoe areti-mandoza ry havana, na aretina grave indrindra, mba tsy ilazana hoe io no grave indrindra ao amin’ny Baiboly, ny habokana. Ary dia efa voalaza teo ny momba ny habokana ry havana. Fa izao, fa izao : ao amin’ny Baiboly koa ilay habokana ry havana dia sarin’ny fahotana tsotra izao, teny entina ilazana ny fahotana. Ary raha any amin’ny Testamenta taloha izy, ilay habokana koa ary dia azo ilazana hoe ny hatezeran’Andriamanitra amin’ny olona izay hoe tsy manoa Azy, mandà ny teniny. Tonga amintsika ry havana ity perikopa ity, tonga amintsika ity perikopa ity, dia miteny aminao Andriamanitra hoe : tonga Aho ampahafantatra anao fa io boka resahina ao amin’ny Matio 8 io, ianao io amin’izao maraina izao. Mety tsy boka ny hoditrao ivelany ry havana ô, fa ilay fahabokana mahazo anao, satria sarin’ilay fahotana ilay fahabokana, dia hoe : fahabokan’ny fanahinao, fahabokan’ny fonao, fahabokan’ny sainao. Ary mamitaka hono ity aretina antsoina hoe habokana ity, satria izy rehefa manomboka dia zavatra mibontsina kely, rehefa manomboka izy dia tâche kely mibontsina eo amin’ny hoditrao, dia mitombo moramora tsy ampoizinao ilay izy ry havana ô. Izay ilay habokana. Ary ohatran’izany tsy misy hafa ry havana ny fahotana. Ary alaivo sary an-tsaina anie ity habokana ity e : teo amin’ny zanak’Isiraely an, ny olona boka dia tsy maintsy nitoka-monina, tsy mahazo miditra am-piangonana, tsy mahazo mitoetra ao an-tanàna, fa any ivelan’ny tanàna izy. Tena hoe mitoka-monina. Izany hoe tsy manana fifandraisana amin’Andriamanitra ao amin’ny tempoly ary tsy manana fifandraisana amin’ny mpiara-mivavaka. Tsy manana fifandraisana ihany koa amin’ny ankohonany na ny fianakaviany. Angamba mety hiteny amintsika raha hiteny aho hoe, hiteny amintsika kokoa raha mieritreritra isika hoe asa moa, ity lehilahy ity, izay momba ny ankohonany : fa hoe rehefa boka ianao tsy mahazo mitoetra ao an-tranonao anie ianao e ; rehefa boka ianao, tsy mahazo mamihina ny vadinao anie ianao e. Boka ianao : tsy mahazo mamihina ny zanakao anie ianao e etc… Izany rehefa azon’ny habokana ianao. Fa hoy isika hoe isika indray ry havana, isika indray habokana ara-panahy, habokana ara-tsaina, habokan’ny fo no mahazo antsika ; ary miresaka ny ankohonana ihany, miresaka ny fianakaviana, Alahadin’ny taranaka moa androany, sy ny ankohonana, sy ny zanaka am-pielezana, hitanao io fifandraisana tsy mety miravona, hitanao ianareo hoe hakamban’ny Fiangonana androany nefa sanatria an’izany misy ato tsy mifampiditra an-trano, misy ato tsy mifamela eo anivon’ny fianakaviana izay vory eto : izay ilay habokana ry havana ô, manimba an’ilay fifankatiavana, manimba an’ilay fiombonam-po, habokana mety nanomboka tamin’ny tâche kely na tamin’ny fibontsonana kely teo amin’ny fifandraisana, dia nitombo, nitombo, nitombo, namono an’ilay fifandraisana. Ry havana ô, ry havana ô, hoy isika hoe : METEZA HO TANTERAKA – METEZA HIDIO. Aza miteny mihitsy hoe : « Ka i anona mihitsy Pasitera no nanimba ny fihavananay tato amin’ity fianakaviana ity e » : ianao no tian’Andriamanitra, ianao ry havana ô, no tian’Andriamanitra hidio, ary raha olona mpihaino toriteny ianao, raha olona mety anarina ianao, raha olona mety ampianarina ianao, dia fantatrao mihitsy fa ianao ilay boka tian’ny Tompo hokasihina amin’izao maraina izao, ka hitenenany hoe : « Mety Aho, madiova, madiova ianao ».

Rehefa mikasika ny olona Jesoa amin’iny tana-maheriny iny ry havana, rehefa mikasika ny olona Izy, dia manisy ao ny Fanahy Masina, hanavao ny Fanahy, hanavao ny saina, hanavao ny fo, mba hananantsika fifandraisana vaovao, fifandraisana salama amin’Andriamanitra ; ary fifandraisana vaovao, fifandraisana salama amin’ny mpiara-belona amintsika ry havana ô. Meteza e, meteza hokasihin’Andriamanitra amin’izao maraina izao. Manatona Azy miaraka amin’izao habokanao izao, manatona Azy, aza miteny mihitsy hoe : « ka tsy fantatr’i Pasitera e, izaho matahotra fa izao anie ny zavatra vitako e ». Hoy ny Tompo hoe : « Te hikasika anao amin’io tana-maheriko io Aho, ary mety Aho hanadio anao ». Ary tsy hoe mety Izy hanadio anao fotsiny, fa ny tena zava-dehibe ho an’ny olona matotra sy te hitombo amin’ny fahamatorana, dia hoe tiany ianao hitoetra amin’izany fahadiovana izany. Tsy hoe manadio fotsiny Izy, raha hoe manadio Izy amin’izao Alahady izao ; fa te hampitoetra anao amin’izany fahadiovana izany. Ary mmiverina amin’ny tenin’ny Apostoly ao amin’ny Kolosiana, hoe : mitomboa amin’ny fihainoana ny tenin’Andriamanitra, fihainoana toriteny e, meteza hampianarina tenin’Andriamanitra ry havana ô. Satria io tenin’Andriamanitra io, teny madio ; ary io teny madio io no hampiditra eritreritra madio, hampiditra fisainana madio, hampiditra fitondran-tena madio ao aminao izay te hitombo amin’ny fahatanterahana ry havana ô. Inona ny zavatra mitranga ? Malaina ianao mamaky teny, malaina ianao hanokatra Baiboly, dia inona no mitranga ? Fa mahafaly anao io télé io, io internet lava io, io youtube io, sy ny karazany ; loto isan-karazany, zaoridira isan-karazany eto amin’izao tontolo izao, gohanao, gohanao ry havana ô. Aiza ianao no tsy hanova fitondran-tena ? Aiza ianao no tsy ho boka ara-panahy ? Fa miteny aminao ny Tompo hoe : avelao Aho hikasika ny fonao, hanadio ny fonao amin’izao maraina izao e, fa izany no antony nahatongavako, nidinako avy any an-danitra.

Faranana izao teny izao ry havana, faranana izao teny izao : Kristy no torian’ny Apostoly Paoly, ary Kristy tena tia anao e ! Tena tia anao. Tsy niantso anao avy any an-danitra Izy ; nidina tety Izy handray anao, handray ny tananao. Ho raisinao ve iny tanany iny amin’izao maraina izao? Mahafinaritra ahy ny mamerina ilay hoe : ho Azy, tsy mi-intéressé Azy izany lanitra tsy misy anao any izany. Tsy mi-interessé an’i Jesoa ny hitoetra any amin’ny lanitra tsy misy anao izany, nidinany tety ry havana ô. Ary dia miteny aminao Izy hoe : METEZA HO TANTERAKA – METEZA ANARINA – FANTARO NY FAHATEZERANA AIDINY EO AMIN’NY FIAINANAO FA TSY FOINY IANAO – ARY METEZA HIDIO.

Ho aminareo ny fahasovan’ny Tompo. Amena

ALAHADY 12 JAN 2020

Ao amin’ny Lioka 13, ilay perikopa somary fohy io no hakantsika ny hafatra androany ry havana ô.

Fahamarinana 1 : TONGAVA MIANATRA NY SORATRA MASINA ARY AZA MAHAFOY NY FIARAHANTSIKA MIVAVAKA ATY AM-PIANGONANA

Ary rehefa izany no ataonao, dia ahita ny tana-maherin’Andriamanitra ianao. Vakiantsika ao amin’ny Lioka 13 :10-11 : « Ary nampianatra tao amin’ ny synagoga anankiray Jesosy tamin’ ny Sabata. Ary, indro, nisy vehivavy izay nanana fanahy mahafarofy valo ambin’ ny folo taona, ary nanjoko izy ka tsy nahatraka akory ». Hoy isika hoe : TONGAVA MIANATRA NY SORATRA MASINA ARY AZA MAHAFOY NY FIARAHANTSIKA MIVAVAKA ATY AM-PIANGONANA.

Ity vehivavy nanjoko, tsy nahatraka nandritra ny 18 taona, io no omen’ny Tompo ho ohatra ho antsika Fiangonana ry havana ô. Efa voalaza tamin’ny louange teo, fa amafisina : nanjoko izy, tsy nahatraka izy nandritra ny 18 taona noho ny fanahy mahafarofy tao aminy. Mahavariana ry havana, fa Lioka dokotera, tokony mba hoe terme scientifique izany no ampiasain’i Lioka : tsia ry havana ô. Fa misy resaka fanahy eo, fanahy ratsy eo, fanahy mahafarofy eo, tao amin’ity vehivavy ity, nihazona an’ity vehivavy ity ka nahatonga azy hanjoko ary nandrara azy tsy hitraka ry havana ô, 18 taona. Izany 18 taona izany ry havana, tena hoe fotoana fohy kely izany, fohy kely izany raha hoe fotoana iainanao anaty fahasambarana sy fifaliana. Tena fotoana hoe poy toy izay dia efa lasa izany 18 taona izany, raha dinihinao hoe 18 taona no itaizantsika ny zanatsika ; poy toy izay dia lasa izany 18 taona izany. Poy toy izay dia lasa izany 18 taona izany raha manana namana mahatoky ianao miara-mivavaka aminao, manome anao torohevitra eny am-pandehanana eny, rehefa hiatrika sedra sy fizahan-toetra isan-karazany : vetivety kely izany ry havana ô. Fa tena fotoana faran’izay lava izany 18 taona izany ry havana ô, ho an’ny olona izay anaty aretina, ho an’ny olona ohatran’ity vehivavy ity, izay hoe marary lamosina mandritra ny 18 taona ; ho an’ny olona izay tahaka an’ity vehivavy ity, manjoko ka tsy manao afa-tsy izay hoe mijery, mahita ny tany, tsy mba afaka mitraka mijery an’izany lanitra mangamanga, na mahita ny masoandro izany. Tena hoe fotoana faran’izay lava. Izany ny fiainan’ity vehivavy ity nandritra ny 18 taona ry havana ô : ny fikarakarana tokantrano manahirana, ny fandehanana manahirana, ny fatoriana manahirana, satria tena nanaintaina ny lamosiny. Fa inona ny modely apetrak’ity vehivavy ity ho antsika izay mba te hahita an’izany hoe tana-maherin’Andriamanitra izany ? Lasa izy mankany amin’ny synagoga hianatra tenin’Andriamanitra ry havana ô. Araka ilay notenenina teo, hoe : eo amin’ny and.10 hoe : Jesoa dia nampianatra tao amin’ny synagoga anankiray tamin’ny andro sabata. Tena hoe asa nataon’i Jesoa matetika ary tsy tapaka io hoe mampianatra Soratra Masina. MBA HETY AMPIANARINA SORATRA MASINA AMIN’IZAY VE IANAO E ? Ianao anie no maty antoka rehefa tsy hianatra Soratra Masina ry havana ô, ianao no maty antoka e. Jesoa mampianatra, ary miandry anao Izy, miandry anao Izy ho ampianarina ry havana ô. Ary ity vehivavy ity, Tsy nanao hoe : an an an, ka izaho fantatrao tsara ny lamosiko ; izy moa 18 taona tao an-tanàna kely tao, fantatry ny iray tanàna io lamosiny io, ary inoana fa manao ohatrantsika ny iray tanàna ry havana ; tsy fantatra moa izay anarany, fa tenenina hoe : i anona, vehivavy kilemaina iny, ilay vehivavy manjoko iny ; izany ny fiainan’ity vehivavy ity. Fa tonga tao an-tranon’Andriamanitra izy hianatra tenin’Andriamanitra, ary hivavaka ry havana ô. Jesoa mampianatra, Jesoa mampianatra ao amin’ny tranon’Andriamanitra ry havana ô, ary dia hoe miandry antsika ho amin’izany Izy. AZA AFOY NY FIARAHA-MIVAVAKA ATY AM-PIANGONANA E ! Aoka izay ny fahazaran-dratsy hoe izho Pasitera tsy tafangona an, fa hamaky Baiboly aho, hamaky boky tsara aho, hamaky boky ara-pinoana aho ato an-trano ; tsia ry havana ô. Andriamanitra no miteny hoe : isika zanany, ny Alahady maraina, ny toerana tiany ahitana antsika dia toerana tokana e : aty amin’ny tranony aty am-piangonana ry havana ô. Ity vehivavy ity, nahafinaritra ilay fanamarihana mpitoriteny anankiray izay : izy miondrika io, hoy izy, dia ohatrany hoe tsy eo intsony ilay hasina maha-olombelona, ilay izy miondrika tsy mahatraka io, fa ohatrany biby tsy mahatraka, dia sanatria manana fiainam-biby ity vehivavy ity noho ny aretiny ry havana ô. Ry havana ô, ianao, ianao izay tsy mankaty an-tranon’Andriamanitra Alahady maraina, fa atakalonao zavatra hafa, sanatria, sao dia mba ianao koa no manana fiainana tsy afaka mitraka ary fiainam-biby ry havana ô ? Fa ny teny fikasana, ny vaovao mahafaly omen’ny Soratra Masina antsika androany, dia hoe : hianatra no alehan’ity vehivavy ity taty am-piangonana, tao amin’ny synagoga, handre an’i Jesoa, dia nahazo fitahiana tsy nampoiziny izy, mihoatra lavitra noho izay tenin’Andriamanitra nandrasany. Misaotra an’Andriamanitra ry havana ô, ny amin’izay olona vitsy hanapa-kevitra hoe : « hay, mazava ny hafatrao Tompo ô, izaho te hahita ny tana-maherinao, hanapa-kevitra amin’izay aho hianatra tenin’Andriamanitra, ary isaorako an’Andriamanitra fa misy fampianarana Soratra Masina ato amin’ity Fiangonana ity » ry havana ô. « Ary avelako amin’izay ny atsanga tsy aman’olana hanafenako ny hakamoako sy ny fahalainako ara-panahy, hoe : izaho indray dia tsy afaka amin’izany Pasitera ».   Ianao no maty antoka, diso anjara ianao amin’ilay fitahiana omanin’i Jesoa ho an’izay olona te hihaona Aminy ao amin’ny synagoga, ao am-piangonana hihaino ny fampianarany.

Izay ny fahamarinana 1 : TONGAVA MIANATRA SORATRA MASINA ARY AZA MAHAFOY NY FIARAHANTSIKA MIVAVAKA ATY AM-PIANGONANA

Ny fahamarinana 2 ry havana dia izao : ho anao izay te hahita izany tana-maherin’Andriamanitra izany. Izy anie manao e, fa ianao mety jamba ara-panahy dia tsy mahita e, dia matimaty ohatran’io ny finoanao ry havana ô.

Fahamarinana 2 : JESOA MANAFAKA ANAO AMIN’NY ROFINAO ARA-PANAHY SY NY ROFINAO ARA-BATANA

Lioka 13 :12 : « Ary rehefa nahita azy Jesosy, dia niantso azy ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, afaka amin’ ny rofinao hianao ».

Hoy isika hoe : Jesoa manafaka. Voasoratra noir sur blanc ao amin’ny Baibolintsika izany ry havana ô. Manafaka Izy amin’ny rofintsika rehetra, ny hita maso sy ny tsy hita maso. Izy no nahita fa hoe fanahy mahafarofy anie no mamatotra an’ity vehivavy ity e. Fa raha izaho sy ianao e, dia mitsetra an’io vehivavy io hoe : oay, ity vehivavy ity moa izany dia 18 taona izay tsy nahatraka mihitsy e. Fa Izy no mahita ny zavatra tsy hita ry havana ô. Izy no mahita ny zavatra tsy hita. Rehefa jerena anie Jesoa e, mahita ny zavatra tsy hita Izy, satria Andriamanitra tonga nofo ; mahita ny zaavtra tsy hita Izy, satria hafa ny fomba fijeriny. Manana ohatra amin’izany anie isika ry havana e, manana ohatra amin’izany isika : nahita an’i Kefasy Izy dia hoe fantany ny programam-piainany ho azy, fantany mialoha izay programam-piainany ho azy. Nahit aan’i Jodasy Iskariota Izy, fantany mialoha fa hoe io ilay hamadika Azy. Izany ity Jesoa ity : mahita ny tsy hita maso, mahita ny mbola tsy misy ry havana. Izany io Jesoa io. Mahita an’i Natanaela Izy, Natanaela tsy mahita Azy, nahita an’i Natanaela Izy, dia hoe : Ity ilay tena Isiraelita, ity ilay Isiraelita marina. Izany io Jesoa io ry havana ô. Ary ianao no maty antoka, rehefa tonga ao amin’ny synagoga Izy, tonga ato am-piangonana Izy, ka tsy mahita anao ato. Ianao no maty antoka, ary tsy hahita an’izany tana-maherin’ny Tompo izany ianao izay efa eo nasehony amin’ny Eksodosy, nasehony ao amin’ny Romana, raha namorona an’izao tontolo izao Andriamanitra. Tsy hitanao izany ry havana ô, tsy hitanao izany. Fa Izy anie e, rehefa miteny isika hoe : manafaka amin’ny rofy rehetra : ny rofy ara-panahy, ny rofy ara-batana ry havana ô, dia hoe, nahafinaritra ny tenin’ny mpitoriteny anankiray izay : vao mijery ny tarehinao fotsiny Izy, vao mijery ny tarehinao fotsiny Jesoa, dia efa mahafantatra ny tantaram-piainanao ry havana ô. Vao mijery ny tarehinao fotsiny Izy, dia efa mahita, mahafantatra ny tantaram-piainanao, mahafantatra ny rofinao rehetra, mahafantatra ny ratram-po lalina rehetra any am-ponao any ; hitan’i Jesoa izany ry havana ô. Mahafantatra ny aretinao rehetra Izy, mahafantatra ny hamafin’ny fakam-panahy mahazo anao Izy, ary mahafantatra Izy, vao mijery ny tarehinao fotsiny, hoe : inona ny ady, inona ny tafio-drivotra, inona ny alon-drano mitopatopa ao amin’ny fiainanao. Mijery ny tarehinao fotsiny Izy ; fa izay no vaovao mahafaly ; Izy tsy mijery fotsiny ry havana ô, Izy tsy mahafantatra fotsiny, fa mitady anao Izy e, hanafaka, hanafaka anao amin’izany rofinao izany, hanafaka anao amin’ny fanahy rehetra mahafarofy anao. Ianao no mieritreritra hoe : izaho toy izao, izaho toy izao, izaho tsy mba toy izany, ohatran’io vehivavy io. Ry havana ô, ianao indrindra miteny an’izany, sanatria an’izany manana an’izany fanahy mahafarofy izany. Fa Izy, Izy ry havana ô, te hanafaka anao, te hanafaka anao amin’ny rofinao rehetra ; te hanafaka anao amin’izay asan-devoly rehetra ao amin’ny fiainanao. Izany no ivon’ity tantara ity ry havana ô : fanehoana fa tena misy izany asan’ny devoly izany ary ny tana-maheriny dia hoe handresena an’izany asan-devoly izany. Nahatezitra ny fariseo ity fahagagana nataon’i Jesoa ity ry havana ô, nahatezitra fatratra ny fariseo, izay hoe légaliste : tsy azo atao ny manasitrana amin’ny andro sabata ry havana. Fa rehefa mandinika ny Baiboly ianao ry havana, rehefa mandinika ny Testamenta Vaovao ianao, misy fahagagana 7, tsy 6, fa 7 ; misy fahagagana 7 nataon’i Jesoa tamin’ny andro sabata ; ary ireo fahagagana 7 ireo dia hoe maneho ny herin’i Jesoa mandresy izany asan’ny devoly ao amin’ny olombelona izany. Ry havana ô, ry havana ô, mino an’izany ve ianao ? Mino an’izany ve ianao, fa hoe Jesoa afaka manafaka anao amin’ny rofinao rehetra, dia ilay rofy vokatry ny fanahy mahafarofy e ? Ary tsy hino an’izany ianao ry havana ô, tsy hino an’izany ianao, raha tsy mianatra tenin’Andriamanitra aloa. Fa sambatra ianao raha mino an’izany, sambatra ianao raha mino an’izany. Fa hanafaka anao amin’ny rofinao rehetra Izy, rofy vokatry ny fanahy, ary hanafaka koa Izy amin’ny rofinao ara-batana. Fa izao : ity 18 taona ; ilay lehilahy tao amin’ny piscine tao Betesda 38 taona, hafa 40 taona. An’Azy, an’Azy ny fotoana ry havana ô. An’Azy ny andro sy ny volana, fa hoe : hanafaka Izy, hanafaka Izy amin’ny rofintsika rehetra. Izay no vaovao mahafaly.

Fahamarinana 3 : NY FAMETRA-TANANA SADY MANASITRANA NO MANOME NY FANAHY MASINA HANANGANA

Ny fametra-tanàna manasitra, iray izay, sady manome ny Fanahy Masina hanangana olona ry havana ô. Lioka 13 :13 : « Dia nametraka ny tànany taminy Izy; ary niaraka tamin’ izay dia nitraka ravehivavy sady nankalaza an’ Andriamanitra ».

Zavatra tsy dia mahazatra antsika ry havana io fametra-tanàna io. Ekentsika   ary raisintsika ny fametra-tanàna amin’ny fotoana anaovana batisa, amin’ny fotoana andraisana antsika ho mpandray ny fanasan’ny Tompo, amin’ny fotoana anokanana antsika ho diakona, anokanana antsika ho mpiandry sy ny tahak’izany. Fa ankoatr’izay, tena zavatra manahirana antsika io fametra-tanàna io ry havana ô. Zavatra hafahafa amintsika io fametra-tanàna io. Fa rehefa mijery ianao eto an, in-2 miantoana ny zavatra nataon’i Jesoa tamin’ity vehivavy ity. Eo amin’ny and.12, nahita an’ilay vehivavy Jesoa, ary mariho kely fa hoe ilay vehivavy tsy nangataka na inona na inona, izy te ho any amin’ny synagoga fotsiny, izy te ho any amin’ny synagoga fotsiny hihaino an’i Jesoa, fa Jesoa nahita azy dia niantso azy, ary mariho koa manaraka izany : tsy misy filazana na kely ary momba ny finoan’ity vehivavy ity ; fa hoe nankany amin’ny synagoga izy hianatra ary hihaino an’i Jesoa. Dia hoe, and. 12 nahita azy Jesoa dia hoe : « afaka amin’ny rofinao ianao ». Afaka amin’ny rofy. Afaka amin’ny fangejana sy ilay fatoran’ilay fanahy ratsy, afaka amin’ny fatoran’ilay fanahy mahafarofy ry havana ô ilay vehivavy. Ary izany ny asan’i Jesoa ry havana ô isaky ny manatona Azy ohatran’izany isika : hitany io fanahy ratsy ao amintsika io dia afahany amin’izany isika e. Ary izany no maha-zava-dehibe ny mianatra ny tenin’Andriamanitra sy ny hoe mankaty am-piangonana. Bon, maintenant, misy fanahy tena hoe matanjaka sy mahery noho ny fanahy hafa dia mila hoe iasana manokana, mila hoe alefa any amin’ny toby mihitsy aza. Fa izay nataon’i Jesoa tamin’ity vehivavy ity dia marina amin’izay mpino rehetra mitady Azy ao amin’ny Baiboly, mianatra Azy, mianatra ny teniny ao amin’ny Baiboly ary mitady Azy marina aty am-piangonana. Izany hoe in-2 miantoana ilay izy : afaka amin’ny rofinao ianao ; fa mbola tsy nitraka ilay vehivavy, mbola tsy afaka aretina ilay vehivavy, fa afaka amin’ilay rofy, amin’ilay asan’ilay fanahy izy. Fa inona no mampitraka an’ilay vehivavy ry havana eto ? Mazava be ilay tenin’Andriamanitra : « Dia nametraka ny tànany taminy Izy; ary niaraka tamin’ izay dia nitraka ravehivavy ». Tadidio ry Fiangonana malala ô, manomboka izao : io hoe fametra-tanana atao aty am-piangonana, fa tsy atao any an’elakelan-trano io, na atao any an-tokantranonao, atao-na mpanompon’Andriamanitra irahin’ny Fiangonana, io fametra-tanana io ry havana ô, dia zavatra nataon’i Jesoa, ary hitantsika eo, manasitrana Izy ; ary rehefa miteny hoe mampitraka, dia hoe : ny Fanahy Masina no manome hery anao hitrakana araka izany teny izany. Fa rehefa tsy ao ny fametra-tanana, rehefa tsy ao ny herin’ny Fanahy Masina ry havana ô, dia izany no ahitana olona mitanondrika lava e, resy lava e, manjombonjombona lava e, satria tsy manovo hery izy, tsy mandray hery izy amin’io fametra-tanana io.

Malahelo aho miteny aminareo ry havana : fotoana maharitraritra izay no niarahantsika teto, manomboka mifankahalala isika, ary izaho dia mahafantatra mihitsy hoe, eo ihany moa ilay zanaka an-pielezana, fa misy olona tena mitsaoka an’ity Alahady faharoa ity satria mitsaoka an’ilay fametra-tanana izy. Hevi-diso izany ry havana ô. Hevitra avy amin’ny fanahy mamitaka ao aminao tsy ankanesanao ao amin’io fametra-tanana io. Hevitra avy amin’ny devoly izany.

Misy karazany roa ry havana ny olona tian’i Jesoa hoe hampitrakana amin’izao maraina izao, dia ilay olona samy tonga aty amin’ny tranon’Andriamanitra izany ; tsy ilay olona atsy amin’ny arabe atsy izany, fa ilay olona samy tonga aty. Mizara roa mantsy isika eto, araka ilay filazantsika mandava-taona hoe: misy olona ato, tonga ato izy nefa mbola tsy mino. Tsy izay ilay problema, tsy any mihitsy ilay problema ry havana ô. Fa fantaronao mbola tsy mino io e, fa ianao mbola tsy mino io, mbola andevozin’ilay fanahy mahafarofy, andevozin’ny fanahy isa-karazany ianao, izany no mahatonga anao tsy mino ohatran’io, nefa mankaty am-piangonana ry havana ô. Fa izao, fa izao : ianao, hitan’ny Tompo ianao amin’izao maraina izao ; hitan’ny Tompo ianao. Satria ianao tsy mino, tsy mitady Azy manokana ianao, hitany koa izany fonao tsy mitady azy izany, hitany izany fonao tsy misento amin’izany lanitra izany ; fa hitany ianao amin’izao maraina izao ry havana ô, ary te hiteny aminao Izy, tahaka ny nitenenany tamin’ilay vehivavy ato amin’ity tantara ity, hoe : « afaka ilay rofinao, afaka ilay asan’ilay fanahy mahafarofy anao. Ary Izaho hampitraka anao, hampisaina anao ny lanitra izay misy ahy ankehitriny ary iandrasako anao ». Fa raha tsy Izy ry havana ô, no miasa aminao izay tsy mino, dia ho marina ilay tenin’ny Mpitoriteny 7 :13 hoe : « fa iza moa no mahahitsy izay nataon’Andriamanitra ho meloka? ». Ianao tsy mitraka mijery ny lanitra io, Andriamanitra anie no nanao an’io e ! Fa Andriamanitra, amin’izao maraina izao te hikasika ny fonao ary mandinika anao Izy, hanaiky ve ianao ? Hanaiky hampitrakany ve ianao ? Izay ny karazan’olona voalohany ato amin’ny Fiangonana amin’izao maraina izao ry havana.

Ary ny karazan’olona faharoa dia hoe : zanak’Andriamanitra. Tena zanaka, tena nanolo-tena tokoa ho an’Andriamanitra, nandray an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy tamin’ny fony, nefa mbola manana an’izany fanahy mahafarofy izany ry havana ô, mbola voafatotry ny ohatran’izao na ohatran’izao ka mitanondrika hoy ny mpanao Salamo, mijoretra indrindra hoy  ny mpanao Salamo, ary misaona mandrakariva. Inona no mampitanondrika an’ilay zanak’Andriamanitra, tena zanak’Andriamanitra nefa ? Tenenina izy hoe : « mitrakà ianao e », « tena tsy afaka aho, tena tsy vitako » ; « banjino ny lanitra e », « tena tsy afaka aho, tena tsy vitako » ; izany no ambetin-dresany ry havana : « tena tsy afaka aho, tena tsy vitako ». Ary maro ny zanak’Andriamanitra manana an’izany hoe : « tena tsy afaka aho, tena tsy vitako » iray taonina ao amin’ny fiainany ao ry havana ô. Tenenina ianao zanak’Andriamanitra : « ajanony amin’izay re io fisotroana sy fimamoana io »,  « tena tsy afaka aho, tena tsy vitako » ; tenenina ianao zank’Andriamanitra hoe : « aoka izay re ny mijery an’io pornographie io e »,  « tena tsy afaka aho, tena tsy vitako » ; « aoka izay re io kizitina lava ao amin’ny ankohonanao io e », « tena tsy afaka aho, tena tsy vitako » ; « aoka izay re io fandalana fomba adala azo avy amin’ny nentin-drazana »,  « tena tsy afaka aho, tena tsy vitako ».

Mijery anao ny Tompo anio ry havana ô, mijery anao Izy ary te hanafaka anao amin’izany, tahaka ny nanafahany an’ity vehivavy tao amin’ny synagoga ity ry havana malala ô. Miandry anao Izy hanatona Azy, dia avelao Izy hanao fahagagana. Inona no atao hoe fahagagana ? Hoy ity ankizy vavikely tao amin’ny Sekoly Alahady ity : « ny atao hoe fahagagana : zavatra tsy vitako fa hain’i Jesoa ». Te hanao fahagagana ao ain’ny fiainako sy ao amin’ny fiainanao Jesoa amin’izao maraina izao.

Izao ny fahamarinana telo hitantsika :

  • Fahamarinana 1 : Tongava mianatra Soratra Masina ary aza mahafoy ny fiaraha-mivavaka aty am-piangonana
  • Fahamarinana 2 : Jesoa manafaka anao amin’ny rofinao ara-panahy sy ara-batana
  • Fahamarinana 3 : Ny fametra-tanana manasitrana sady manome ny Fanahy Masina hanangana

Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo ry havana. Amena

                               

 

 

 

 

Commentaires récents par FJKM Isotry Fitiavana

Pas de commentaires par FJKM Isotry Fitiavana encore.