ALAHADY 17 NOV 2019

image_pdfPDF

Marka 13 :24-27 : « Fa amin’ izany andro izany, raha afaka izany fahoriana izany, ny masoandro hohamaizinina, ary ny volana tsy haneho fahazavana, ary ny kintana hiraraka avy eny amin’ ny lanitra, ary hohozongozonina ny hery izay ao amin’ ny lanitra. Ary amin’ izay ny Zanak’ olona dia ho hita avy eo amin’ ny rahona amin’ ny hery lehibe sy ny voninahitra. Ary amin’ izay dia haniraka ny anjely Izy, ary hanangona ny olom-boafidiny avy amin’ ny vazan-tany efatra hatramin’ ny faran’ ny tany ka hatramin’ ny faran’ ny lanitra ».

Mbola resaka mihazona ny sain’ny olona izao ny Barea, nahavita dingana tsara indray izy omaly. Misy zavatra 2 ampitahaintsika ireto : ny fihavian’ny Barea tamin’izy avy nanao CAN, ary ny iray, ny fihavian’i Jesoa Kristy.

Ny fihavian’ny Barea dia fantatra fa hoe hiantsona eny Ivato izy, dia ho eny amin’ny lalam-baovao, dia hizotra amina toerana hihaonany amin’ny vahoaka, eny an-dalana rehetra eny. Mazava tsara izany, hatramin’ny ora sy ny toerana izay nahatongavany, rehefa avy nanao CAN izy. Nalaza eran-tany, sady nalaza teto Madagasikara, fa indrindra, nalaza teto Antananarivo. Vahoaka maro be, tsy mbola nisy fihetanam-bahoaka toa ireny raha ny teto Antananarivo manokana.

Fa ny zavatra faharoa, dia hoe ny fahatongavan’i Jesoa Kristy. Ny fahatongavan’i Jesoa Kristy dia lazain’ny Baiboly fa tsy maintsy ho tonga Izy, tsy maintsy ho tonga. Ary raha ny zavatra 6 nambaran’ny Baiboly niainan’i Jesoa Kristy tety an-tany, dia efa tanteraka avokoa ny 5. Fa ny fiverenany kosa : ho avy amin-kery sy ny voninahitra, hitsara ny velona sy ny maty. Izay no andrasana. Ka raha ny Baiboly, dia mazava izany fa tsy maintsy hiverina Jesoa Kristy, tsy maintsy ho avy Jesoa Kristy. Fantatry ny kristiana maneran-tany izany. Fantatry ny kristiana eto Madagasikara izany. Fantatry ny kristiana eto Antananarivo izany. Fa indrindra, fantatsika eto Isotry Fitiavana izany. Maro amintsika malagasy indray izao no miandrandra ny CAN 2021, hoe ho any indray ny Barea. Maro. Fa vitsy amin’ny malagasy no hiandrandra an’izany hoe fotoana lehibe hihavian’i Jesoa Kristy izany. Vitsy no hiandrandra an’izany. Fa ho antsika eto : efa miomana ho amin’izany ve ianao ? Raha ny mpitia Barea, hatramin’ny fitafy sy ny fitaovana, ny fotoana, ny zavatra rehetra, niomana izy ho amin’izany. Fa raha Jesoa ho ho avy, mba manao ahoana ianao ?

Hafatra manokana ho an’ny Sampati. Ny isarihiko ny sainareo dia izao : eny amin’ny rahona isika no hilasy. Vonona ianao sa ahoana ? Ny lohahevitra, hoe : Ho avy amin’ny heriny ny Tompo. Andeha ho tarafintsika amin’ny filazantsara nosoratan’i Marka izany lohahevitra izany. Miangavy anareo aho hanokatra ny Baiboly ao amin’ny Marka 13 :24-27, efa novakian’ny havantsika teo.

  1. Ny zavatra voalohany, fa tsy maintsy ho avy Jesoa, ho avy indray Izy, ka ho avy amin’ny heriny sy ny voninahiny. Andeha anie jerentsika ny ao amin’ny 26 e : « Ary amin’ izay ny Zanak’ olona dia ho hita avy eo amin’ ny rahona amin’ ny hery lehibe sy ny voninahitra ». REHEFA HO AVY AMIN’I HERINY JESOA KRISTY, HO FEHEZINY NY HERIN’NY ZAVA-BOARINY

Hitantsika izany eo amin’ny and.24 : - ny masoandro hohamaizininy. Inona moa ny asan’ny masoandro ? Sady manome hazavana no manome hafanana. - Ny volana tsy haneho fahazavana. Mazava be aloa fa rehefa maizina ny masoandro dia maizina ho azy ny volana, satria mifampita taratra ny hazavan’ny masoandro sy ny volana. – Ary manaraka koa, dia haninona ny kintana ? Hiraraka ny kintana. – Ary farany, ny lanitra hanao ahoana ? hozongozonina ny herin’ny lanitra. Ho feheziny aloa ny herin’ny zava-boariny. Hananan’i Jesoa fahefana ny zavatra rehetra ; anisan’izany ny zava-boariny. Izy no mampahazava na mampahamaizina ny masoandro, Izy no mihazona ny zavatra rehetra, ireny kintana hitantsika ireny, Izy no manana hery mifehy an’ireo zavatra tazan’ny masontsika noharian’Andriamanitra rehetra ireo. Ho feheziny ny herin’ny zava-boariny.

Ry Fiangonana, mihaino ahy ianao izao. Androany, mety misy maizina eo amin’ny androm-piainanao, mety mandalo eo aminao ny haizina, toy ny masoandro mikatona ny hazavana, dia ao anatin’ny maizina ianao ; tsy fantatrao hoe hanao ahoana ity fiainanao androany ity. Ny ho avy : toa tsy manana fanantenana intsony, toa tsy misy tara-pahazavana intsony mitsilo an’ilay fanantenana, very ilay fanantenana, miraviravy tanana hoy ny bokin’i Isaia teo. Misy lohalika malemy ; Ary amin’izao fotoana izao, mety maro amintsika no toy ny hirarahan’ny kintana eo an-tampin-dohany, amin’ireo endrika olana samihafa ; toa miraraka eo an-tampin-dohanao ny olana samihafa, toy ilay kintana. Ary amintsika mihaino izao, mety ho toy ilay lanitra hozongozonina , toy ny misy manozongozona mafy ny finoanao, tsy hitoetra, tsy hatoky, tsy hiankina amin’ilay Mpahary.

Ho fehezin’ny Tompo ny herin’ny zava-boariny. Raha tojo izany ianao izay mihaino ankehitriny, antsoy Jesoa. Afaka ny ho tonga eo amin’ny fiainanao Izy. Ts’ilay fotoana anankiray ilay hihaviany amin’ny fiafaran’izao tontolo izao ihany, fa azony atao koa ny ho avy dieny ankehitriny eo amin’ny fiainanao. Antsoy Jesoa. Manana ny heriny sy ny voninahiny Izy hifehy an’ireo zavatra rehetra eo amin’ny fiainanao lalovanao ankehitriny ireo. Ary miantoraha Aminy, miantoraha Aminy.

Ny hafatra voalohany teo dia hoe : ho avy amin’ny heriny sy ny voninahiny Jesoa Kristy.

  1. Fa ny zavatra faharoa dia hoe : HO HITA ENY AMIN’NY RAHONA NY ZANAK’OLONA

Nampiasaina ihany ilay teny hoe Zanak’olona, nampiasain’ny mpanoratra Soratra Masina, mba hilazana fa Izy io Jesoa Kristy io, fa tsy anjely io. Tsy zavatra hafa io, fa Jesoa Kristy. Ary hiseho Izy mba ho hitan’ny olona. Ary hiseho amin’ny hery lehibe sy ny voninahitra Izy. Ary hoy ny DIEM hoe : ho voadidin-drahona Izy. Hiseho ny Zanak’olona, ho voadidin-drahona.

Andeha isika hampitaha kely zavatra anankiroa, hoe fa inona moa no herin’ny rahona isehoan’ny Zanak’olona, ary inona kosa no herin’i Kristy, ilay hiseho eo amin’ny rahona ? Ny rahona dia fantatsika fa mitony. Mitony io rahona io, mahasoa io rahona io, mampangatsiatsiaka io rahona io, ary avo sy manerinerina io rahona io. Izay ny rahona izay. Misy teny-na mpitoriteny anankiray izay : rehefa tojo olana ny olona matetika dia ny ilazana azy dia hoe mitanondrika. Mitanondrika izy, ketraka izy, kivy izy. Ary rehefa miondrika eo izy, dia ny tazan’ny masony dia faritra ; raha lehibe indrindra ilay faritra tazan’ny masony rehefa miondrika izy, 2 mètres carré. Izay no tazany eo rehefa miondrika izy. Inona ny hevitr’izany hoy ilay mpitoriteny ? Io 2 mètres carré io, ilay tany hilevenany, io sisa no banjininy, io no hitany, miondrika eo izy. Fa rehefa hatràka izy, omena fanantenana vaovao, asaina mibanjina ny lanitra, mahita ny rahona, dia faritra mihezinezina tsy hita fiafarany, izay no tazany, rehefa miandrandra izy. Endrik’ilay hoe mbola misy fiainana ao, ary fiainana lehibe, fiainana tsara sady maharitra mandrakizay. Fa ny herin’i Kristy indray, raha ny herin’i Kristy dia tsy mifotofoto izany, noho ny fahatezeran’ny olona sy noho ny fahaverezan-tsaina, ary noho ny fankahalany sy ny fikororoam-panjakana ataony sy ny ady be misy fandatsahan-drà sy ny fotofoto Izy. Fa miasa mandrakariva kosa hampandroso ny fanaovan-tsoa sy ny fifankatiavana, hampitombo ny fahalalana sy ny fahamarinana. Izay ho herin’i Kristy, ilay miseho eo amin’ny rahona. Izay koa ny herin’ny rahona nazavaina tamintsika teo.

Ry havana, voalaza teo fa ny masoandro hohamaizinina, ny volana tsy haneho fahazavana. Ahoana izany ? Eo amin’izay tsy ahafahan’ny zava-boary manao ny asany intsony no miseho ny hery sy ny voninahitr’Andriamanitra. Ataoko ohatran’izao no filaza azy : eo amin’izay tsy ahafahan’ny zava-boary manao ny asany intsony no miseho ny hery sy ny voninahitry ny Mpahary. Ny rahona tsy mamoaka ny hazavana, fa ilay fahazavana no hita ao amin’ny rahona. Ny hafatra ho anao ary dia hoe : aoka ho an’ny Mpahary ny voninahitra sy ny hery, fa tsy ho an’ny zava-boary.

Ny zavatra voalohany hitantsika teo, dia ny hoe : raha ho avy ny Tompo, dia ho avy amin’ny heriny sy ny voninahiny Izy, ho feheziny ny zava-boariny. Ary ny faharoa, dia hoe : ho hita eny amin’ny rahona ny Zanak’olona : Aoka ho Azy ny hery sy ny voninahitra.

  1. Ny zavatra fahatelo eto am-pamaranana izao hafatra izao, dia hoe : FIHAONAM-BEN’NY OLOM-BOAFIDY ENY AMIN’NY RAHONA AMIN’IO FOTOANA IO

Sarihako kely ny sain’ny Sampati, ary te hitodika amin’ny Sampati manokana ity hafatra farany ity. Hoe : eny amin’ny rahona isika no hilasy. Avy namonjy fihaonam-be tany Nosy be ny Sampati, lavitra izany. Fa matoa vita izany, dia voaomana tsara izany amin’ny lafiny rehetra. Mahafinaritra izany hoe any Nosy be izany no hamonjy fihaonam-be. Ary inona koa no zavatra mahafinaritra rehefa tonga amin’ireny fihaonam-be ireny ? Mifanatri-tava amin’ireo namana sy mpanompon’Andriamanitra ela tsy nifankahita tava, hoe ireny, ireny ny zanak’Andriamanitra toa ahy tafahoana indray ; izay no maha fihaonam-be azy. Ary izay no maha-zava-dehibe ny fihaonam-be, mitondra fampaherezana manokana ho an’ny tsirairay ny fihaonam-be. Fa eto tena misy fihaonam-be tena manokana, ary fihaonam-be izay lafatra indrindra. Izay no horesahintsika eto, hoe fihaonam-ben’ny olom-boafidy eny amin’ny rahona, amin’ilay fotoana hiverenan’i Jesoa Kristy. Andeha anie vakiantsika ny and.27 amin’io Marka io : « Ary amin'izay dia haniraka ny anjely Izy, ary hanangona ny olom-boafidiny avy amin'ny vazan-tany efatra hatramin'ny faran'ny tany ka hatramin'ny faran'ny lanitra ». Dia andeha ho ampiantsika ny fanazavana any amin’ny 1 Tesaloniana 4 : 15-17 : « Fa izao no lazainay aminareo amin'ny tenin'ny Tompo: isika, izay velona ka mbola mitoetra mandra-pihavin'ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodi-mandry tsy akory. Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Andriamanitra, ka izay maty ao amin'i Kristy no hitsangana aloha; ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka; dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva isika ». Raha mbola fotoana ahavelomantsika izany fotoana izany ka efa manana finoana isika, dia hoe : ho hakarina eny amin’ny habakabaka, eny amin’ny rahona, hitsena ny Tompo eny amin’ny habakabaka. Ny olom-boafidy lazain’ny Soratra Masina eto, dia ny olona nanaiky an’i Jesoa ho Tompo, ary ho hita eny amin’ny firenena rehetra ireo olona ireo. Izay ny olom-boafidy. Misy mpandinika Soratra Masina miteny fa raha miray feo ka manaiky an’i Jesoa, ilay Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka ny olombelona rehetra, doa ho toy ny trompetra, ilay voalaza teo izany, ho toy ny trompetra tsofina izay fotoana izay, ka amin’iny fotoana iny no hihavian’i Jesoa Kristy eny amin’ny rahon’ny lanitra. Raha ny olombelona rehetra no miray feo, miray fo hanaiky an’i Jesoa ho Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka, dia ho toy ny trompetra maneno izay, ka amin’iny fotoana iny no hihavian’ilay Zanak’Andriamanitra. Kanefa dia ho sarotra ny hino an’izany hoe : « ny olombelona rehetra no hanaiky an’i Jesoa Kristy ilay Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka ». Fa ianao aloa izao no eto anatrehan’ny tenin’Andriamanitra : manasa anao hamonjy an’izany fihaonam-be eny amin’ny rahon’ny lanitra izany : ny maty ao amin’ny Tompo hitsangana, ary ny velona ka mino Azy amin’io fotoana io dia hiara-hiakatra eny amin’ny rahona ; eny ilay fihaonam-be. Ka raha mino ianao sy ilay havanao efa lasa nodimandry, dia hihaona eny amin’ny rahona, hitsena ny Tompo.

Vonona ny hilasy eny amin’ny rahona ve ianao ry Sampati ?  Izany no hafatry ny Tompo. Vonona ve ianao handeha hilasy, eny amin’ny rahona no toerana ? Ny fiomananao voalohany dia izao : tsy maintsy an’i Jesoa ho Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka ho Tomponao ianao. Izay no fiomananao voalohany, manaraka ny zavatra rehetra ao aorian’izay. Tsy maintsy manaiky an’izay ianao. Fa mandra-pahatongan’ilay fotoana, raha hoe haniraka ny anjeliny Izy hanangona ny olom-boafidiny rehetra, raha efa nanaiky an’i Jesoa Kristy Tompon’ny tompo ho Tomponao manokana ianao, meteza ho anjely irak’Andriamanitra hanangona ny olom-boafidiny rehetra amin’ny alalan’ny fitoriana filazantsara araka ilay hiran’ny Sampati tany am-piandohana teo. Efa maneho fahavononana ianao hoe hitory an’izany filazantsara izany, ka hoe ny ainao no fetra amin’izany fanompoana efa nekenao teo anatrehan’Andriamanitra izany.

Ry havana, manasa anao ary ny Soratra Masina hanatrika an’io fihaonam-ben’ny olom-boafidy io. Miomàna ianao ary mivonona amin’io fihaonam-ben’ny olom-boafidy io. Raha mahatsiaro reraka ianao, na mangozohozo malemy ny lohalikao, manana teny ampaherezina anao ny Tompo handehananao hamonjy an’izany fihaonam-be izany. Sady koa, Sampati ianao, dia izao, hoe : tsy resaka teknika fotsiny no fiainana ao amin’ny Sampati, fa tena hoe fifampaherezana, mifampitantana ho any amin’izany fihaonam-be izany.

Hamaranantsika azy dia hifampaherezantsika, isika rehetra no hifampahery amin’ilay Isaia 35 :3-4. Raha misy Fiangonana malaina izy hamonjy an’izany fihaonam-be eny amin’ny rahona izany, omeo an’io teny io izy, omeo an’ity teny ity izy : « Ampaherezonareo ny tanana miraviravy, ary hatanjaho ny lohalika malemy. Lazao amin'izay reraka am-po:Mahereza, aza matahotra, indro,Andriamanitrareo ho avy mitondra famaliana, dia ny famalian'Andriamanitra, eny,Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo ». Izany no fampaherezana teneno amin’ny Sampati namanao. Izany koa no fampaherezana ahafahantsika Fiangonana mifampahery indray, fa iomanantsika izany hoe fihaonam-be eny amin’ny rahona izany, hitsena an’ilay fihavian’i Jesoa Kristy. Ho Azy ihany koa ny voninahitra. Amena.

image_pdfPDF