Hafatra ho fampieritreretana antsika ry havana amin’izao maraina izao, dia ny hoe : TENA ZANAKY NY FIADANANA MARINA VE IANAO ? TENA ZANAKY NY FIADANANA MARINA VE IANAO E ?
Raha zanaky ny fiadanana ianao ry havana ô :
- Voalohany, naturellement, automatiquement, miaina fiadanana ianao raha tena zanaky ny fiadanana ianao.
- Ary faharoa manaraka an’izany, raha tena zanaky ny fiadanana ianao, dia ho mpizara fiadanana, mpizara fiadanana.
- Ary fahatelo, raha tena zanaky ny fiadanana marina ianao, rehefa miala eto ianao, dia hiditra any amin’ny fiadanana mandrakizay.
TENA ZANAKY NY FIADANANA MARINA VE IANAO RY HAVANA O ? TENA ZANAKY NY FIADANANA MARINA VE IANAO E ?
Hanampy antsika ry havana handinin-tena ny amin’izany, ireo texte 3 ao amin’ny perikopa.
Fahamarinana 1 : NY TENA ZANAKY NY FIADANANA DIA MIALA AMIN’NY FANOMPOAN-TSAMPY NENTIN-DRAZANA
Ny tena zanaky ny fiadanana dia efa niala, na miala amin’ny fanompoan-tsampy nentin-drazana. Izay ny fahamarinana 1. Andeha anie iarahantsika mamaky iarahantsika mamaky miadana 2 Tantara 14 :1-5, firenena Joda nomen’Andriamanitra fiadanana satria niala tamin’ny fanompoan-tsampy isan-karazany, and.1-5 : « Ary Asa nanao izay tsara sy mahitsy eo imason’ i Jehovah Andriamanitra; fa nandrava ny alitaran’ ny firenena hafa sy ny fitoerana avo izy sady nanorotoro ny tsangam-baton-tsampy ary nikapa ny Aseraha. Ary nandidy ny Joda hitady an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy ary hankatò ny lalàna sy ny didy. Ary nandrava ny fitoerana avo sy ny tsangan-kazo ho an’ ny masoandro teny amin’ ny tanànan’ ny Joda rehetra izy; dia nandry fahizay ny fanjakana teo anatrehany. Ary nanao tanàna mimanda tany Joda izy; ka dia nandry fahizay ny tany, fa tsy nisy ady tamin’ izany andro izany; fa Jehovah no nanome azy fiadanana ». Raha ampiarintsika ry havana amin’izao hoe vanin’andro ianantsika malagasy izao izany hafatry ny tenin’Andriamanitra izany, dia izao : Asa, mpanjaka teo amin’ny Joda. Ny zavatra voalohany nataony raha tonga teo amin’ny fitondrana izy dia nandrodana ny alitaran’ny sampy rehetra. Izany no nataony, ary izany no nanomezan’Andriamanitra fiadanana an’i Joda. Azonareo an-tsaina moa izany ry havana, raha hoe tonga teo amin’ny fitondrana izany ingahy Rajoelina, filohan’ny repoblika, ny zavatra nataony voalohany, mamoaka didy handravàna ny doany sy ny toerana fanasinana rehetra manerana an’i Madagascar, dia hitoetra ao amin’ny fiadanana ny malagasy. Henonao moa izany ? Miy manam-pahaizana noho izaho ao ry havana, mety hiteny izy anakam-pony any hoe : « O ry Pasitera an, Baiboly angamba no nianaranao », « eny tompoko », « fa tsy nianatra momba ny science politique ianao, tsy nianatra momba ny toe-karena ianao, tsy nianatra momba ny fiaraha-monina ianao, tsy nianatra momba ny tantara ianao », « eny tompoko ô, fa ny zavatra hitako dia ny mpanjaka nanao izay tsara teo imason’i Jehovah dia nandrava ny alitaran’ny sampy rehetra tao amin’ny fireneny izay notapahiny ». Henonao ve izany fahamarinana tsotra izany e ? Ary ekenao ao am-ponao ve izany fahamarinana fototra ahazoana fiadanana izany, iainana fiadanana izany ?
Voatery somary nandinika ihany aho ry havana, ny tena hoe fombantsika malagasy sy ny fanahin’ity fanompoan-tsampy eto amintsika ity, dia tena nianatra zavatra tokoa aho aloa e, momba an’ireny hoe doany ireny, nijery reportages vitsivitsy aho, doany sy toeram-panasinana. Rehefa jerenao an, dia tsy fiheverana hanao zavatra ratsy aloa no ankanesan’ny olona any amin’ny doany - araho hatramin’ny farany ilay fanazavana an – satria ilay olona mankany amin’ny doany an, dia resy lahatra izy, na ampanantenaina hoe hahita soa, hahazo vola, hahazo harena, hahazo fanasitranana amin’ny aretina isan-karazany ; hoe misy rano eo amin’ilay doany, misotro an’io ianao, dia raha misy aretina any an-kibonao any, dia mandoa ianao dia mivoaka miaraka amin’izay ilay aretina. Maro ny olona ampandroana rano ao amin’ilay doany rehefa hoe tsinana ny volana, na rehefa hoe miary ho fenomanana ny volana, dia afaka ny aretina etc… Misy olona mankany amin’ny doany dia asaina mamono omby, dia hoe colonel lasa général, ankizy te hianatra any an-dafy dia lasa mahazo visa sy mahazo inscription any an-dafy etc… Misy olona tonga ao amin’ny doany, momba, dia te hiteraka, dia manisy kilalao eo amin’ilay doany eo, dia hoe miteraka rehefa avy eo, mitoe-jaza, dia teraka. Donc, amin’ny voalohany aloa, tsy maninona ilay izy : olona mitady izay hahasoa azy. Fa inona no maha-vetaveta azy ry havana ? Satria izany hoe fanompoan-tsampy sy fankanesana any amin’ny doany sy toera-panasinana izany, dia tena hoe fahavetavetana eo anatrehan’Andriamanitra. Ary ilay mpitaiza ao amin’ilay doany ihany no mitantara azy ; anontanian’ilay journaliste izy manao famotorana, « ahoana moa izany rehefa misy olona tonga ato amin’ilay doany hangataka fitahiana ? ». Dia hoe miaraka amin’ilay sorona, dia manao ilay vavaka izy. Dia hoy ilay mpitaiza : « miantso an’andriamanitra aloa ». Dia raha ny fahenoanao azy dia ohatrany hoe ilay Andriamanitry ny Baiboly ilay izy, satria Andriamanitra no nipoiran’ny zavatra rehetra, Andriamanitra no nihavian’ny zavatra rehetra eto an-tany eto, io zavatra hita maso io. Fa avy eo amin’izay, dia miantso an’ireo karazana mpanjaka lahy sy mpanjaka vavy nanjaka teto Madagasikara. Izay : ny fanahin’ireo mpanjaka ireo, izay ilay hoe fampirafesana an’Andriamanitra ary fanaovana fahavetavetana. Izany hoe fahavetavetana izany ao amin’ny Baiboly, na dia hoe manonona ilay voambolana hoe fahavetavetana aza, tena hoe ialan’ny jiosy ry havana ô. Fa izany no nasain’i Asa mpanjaka nialana ry havana ô. Izany no nasain’i Asa mpanjaka nialana. Ary rehefa mandinika ianao, raha hoe jentilisa, tsy omena tsiny izy ; fa ilay kristiana mitan-droa ry havana ô, manao tan-droa, iny no tena hoe halan’Andriamanitra ry havana ô. Dia rehefa mandinika ianao, na kristiana marivo salosana, na kristiana tsy ampy fahalalana no manao azy. Satria rehefa mandinika ireny olona ireny ianao, dia hoe : ilay fifotorana amin’ireny hoe karazam-panao izay nolazaintsika teo ry havana, ilay fifotorana amin’ireny karazana fanao ireny, dia mifandraika amin’izay heveriny hoe fizina. Ilay hoe fizina, dia hoe : « iza moa izy ? » ; mifandraika amin’ilay fizina, na ilay hoe « identité culturelle ». Izay no identité culturelle, ilay fifotorana amin’ireny fomba amam-panao nentin-drazana ireny. Ary mifandraika amin’izay ihany koa, mifamatotra amin’izay ihany koa, hoe foto-pisainana, mahatonga azy hihevitra hoe ny fitanana an’ireo fomba amam-panao ireo ry havana dia tsy inona fa hoe karazana fanajana ny razana izay niandohana sy niaviana. Diso fizina ilay olona ry havana ô. Ianao anie ka zanak’Andriamanitra e. Iza ianao ? Zanak’Andriamanitra ianao. Diso fizina ilay olona ry havana ô. Iza ianao ? Zanaky ny fiadanana ianao. Ary tsy ny razana no niandohan’ny zavatra rehetra, fa Andriamanitra no niandohan’ny zavatra rehetra ry havana ô. Raha tena zanaky ny fiadanana marina ianao, raha tena zanaky ny fiadanana marina ianao, atsaharo tsisy hatak’andro ny fanompoan-tsampy. Tsy hitondra fitahiana io fa hitondra fanozonana.
Vao tsy ela ry havana izay, ary misaotra an’Andriamanitra moa ny amin’ity hoe tari-dalana hoe Vontosy filazantsara, tanterahina ao amin’ny dispensaire ity, efa iray volana sy tapany angamba izay, isan’andro. Ilay marary ao, dia hoe vontosana filazantsara. Dia nisy madama izay tao amin’ny Vontosy filazantsara tato amin’ny dispensaire tato ry havana ô, nampandroina tany amin’ireny doany ireny, ary ny tena nampalahelo dia izao : izy tsy mpanao an’izany taloha, fa izy nampandroina tany amin’ny doany satria notenenin’ny vadiny hoe : ianao ampandroina any amin’ny doany ; satria ilay vadiny koa efa nampandroina tany amin’ny doany, ary ny mamany no niteny tamin’ilay dadany hoe : ianao ampandroina any amin’ny doany. Ary iza ilay mampandro any amin’ilay doany ? Ilay rahavavin-dreniny. Izahay aloa, hoy izy Pasitera, mbola tsy nahita fitahiana hatreto an. Fa efa tsy resy lahatra intsony izahay. Fa ny nahatonga an’io madama io niakatra tao amiko, nentin’ny Vontosy filazantsara tao aminay tao ry havana, satria marary ; marary an-doha, marary, marary mafy. Dia rehefa entina any amin’ny dokotera, salama tsara, tsitan’ilay dokotera mihitsy izay hoe aretina, fa dia hoe, misaotra an’Andriamanitra izy fa niasan’ny Tompo, nanaiky niasana, nalefa any amin’ny toby. Ny tena zanaky ny fiadanana ry havana ô, dia miala amin’ny fomban-drazana mahatonga azy hanompo sampy.
Tena faly aho ry havana mampiseho anareo an’ity article kely tao amin’ny gazetin’Isotry Fitiavana. Manasa anareo amin’ny anaran’ny Tompo, raha mbola tsy nahazo ianareo, vidio io gazety io, karohy io gazety io, ary aelezo io gazety io. Misy interview an’i Mr Herisoa Andrianaina Rakotojaona. Mpikabary izy io. Naina mpikabary no iantsoana azy. Ambarako eto ry havana, fa raha eo amin’ny tontolon’ny fikabariana, raha tsy voalohany dia faharoa ny fahaizany izany hoe kolon-tsaina malagasy, literatiora malagasy, fomba malagasy. Ary raha tsy voalohany izy, dia faharoa amin’ny fahaizana Baiboly eo amin’ny tontolon’ny mpikabary. Fa raha hoe sady fahaizana kolon-tsaina malagasy sy fahaizana Baiboly, io no olona numéro 1 ry havana ô. Fa ny tena mampiavaka azy amin’ny mpikabary rehetra, dia rehefa hoe mifanohitra, rehefa hoe mifandona ny kolon-tsaina malagasy sy ny kolon-tsaina ao amin’ny Baiboly, dia ampandeferiny tsy am-pisalasalana izany hoe kolon-tsaina malagasy izany. Dia vakiako aminareo ny zavatra kely mifandraika amin’izao perikopa izao. Misy mantsy mihevitra, hoy izy, fa rehefa lalaina ny maha-malagasy, dia ampandeferina ny maha-kristiana. Tsy mba anisan’ireny i Naina mpikabary. Fa hoy izy : amin’ny fanao, hoy izy, dia izao : nohamafisina ny fanao afaka mifanindran-dalana sy mitovy. Ohatra : fanetren-tena, fandeferana, fiaikena ho diso. Dia tohizako ilay izy, sady mandingana aho, fa manasa anareo hijery an’ity, dia hoe : raisina manontolo ny ambaran’ny Soratra Masina ary ajanona ny fanao malagasy mifanipaka aminy. Izay ilay izy an : raisina manontolo ny ambaran’ny Soratra Masina ary ajanona ny fanao malagasy mifanipaka aminy. Ohatra : ajanona ny famadihana, ajanoa ny firesahana amin’ny maty. Tsy hoe ny fanaovam-beloma ny maty ihany, fa ajanona ny firesahana amin’ny maty, ajanona ny fanompoan-tsampy. Dia hoy izy : sarotra tany am-piandohana ireo, fa tena efa irosoana lalina ankehitriny. Mihena tsy an-kijanona, ary efa ho foana ohatra ny fisiana kristiana mamadi-drazana sy mamono lamba faty maina. Ho fanamarinana ireo, dia ireto misy fantina zavatra tsy ataon’i Naina intsony amin’ny kabariny : ny mikabary am-pamadihana, ny manome hasina ny razana, ny miteny amin’ny maty, sns…
Ry havana malala ao amin’ny Tompo ô, raha tena zanak’Andriamanitra marina ianao, raha iaina fiadanana ianao, raha ho mpizara fiadanana ianao, ary raha te hanantena hiditra any amin’ny fiadanana mandrakizay, meteza ho tena zanaky ny fiadanana : aoka izay, aoka izay ny fanompoan-tsampy nolovaina tamin’ny nenti-paharazana.
Ny fahamarinana 2 ry havana dia ao amin’ny filazantsara araka an’i Lioka, Lioka 10 :5-6.
Fahamarinana 2 : NY TENA ZANAKY NY FIADANANA DIA MPANONONA NY FIADANAN’NY TOMPO REHEFA MIDITRA AO AN-TOKANTRANO ANANKIRAY IZY - NY TENA ZANAKY NY FIADANANA DIA MPANONONA NY FIADANAN’NY TOMPO REHEFA MIDITRA AO AMIN’NY ANKOHONANA IRAY IZY
Lioka 10 :5-6 : « Ary izay trano idiranareo, dia lazao aloha hoe:
Fiadanana ho amin'ity trano ity. Ary raha misy zanaky ny fiadanana ao, dia hitoetra ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy izany, dia hiverina ho aminareo ihany izany ».
Raha tena zanaky ny fiadanana izany ry havana, dia manonona ny fiadanan’ny Tompo rehefa miditra ao amin’ny ankohonana anankiray ianao. Dia ahoana hoy Jesoa ? Hoy Izy, and.6 : « raha misy zanaky ny fiadanana ao, dia hitoetra ao aminy ny fiadanana tononinareo ». Izany hoe izaho izany irahina hanao tafika masina, hitory filazantsara sy ny karazany ; miditra ao amin’ny tokantrano anankiray aho, na iza na iza ao, tononiko ny fiadanan’ny Tompo. Fa inona indray ary ilay hoe raha misy zanaky ny fiadanana, olona tsy voatery hoe efa manana fiadanan’ny Tompo an, fa hoe zanaky ny fiadanana izy ? Jentilisa izy, tsy mino izy, fa zanaky ny fiadanana izy. Ilay zanaky ny fiadanana eto ho an’i Jesoa, dia olona tia fiadanana, olona tia fandriam-pahalemana, olona tsy tia adiady, olona tsy tia gidragidra. Misy olona, tena mahavariana mihitsy e, tsy azony mihitsy ny ainy, rehefa tonga quelque part izy, raha tsy mamorona ady, raha tsy manangan’ady. Ireny angamba ilay lazaina hoe : taranaka mpaka kitay. Tsy zanaky ny fiadanana izany, tsy zanaky ny fiadanana izany. Fa raha hoe misy zanaky ny fiadanana ao, mety ilay raim-pianakaviana io, mety ilay renim-pianakaviana io, mety ilay zanany io, tsy voatery hoe ny loham-pianakaviana ; idéalement, raha ny tokony ho izy, dia ny loham-pianakaviana ; fa raha misy zanaky ny fiadanana ao, dia raisiny ao, ary hitoetra ao ny fiadanan’i Kristy. Hitoetra amin’izany ankohonana izany ny fiadanan’i Jesoa Kristy. Tahaka ny hoe zavatra mifindra mantsy io fiadanana io, ary rehefa hoe tahaka ny zavatra mifindra ilay fiadanana, dia hoe : hanova ny fifandraisana amin’izany ankohonana izany. Ny ankohonantsika rehetra ry havana malala ao amin’ny Tompo ô, manana an’izay lafiny tokony hanovàna azy, manana an’izay aretina tokony hanasitranana azy, izany ny ankohonana rehetra ato Isotry Fitiavana ato, sy any an-kafa koa ry havana ô. Izany ny maha-zava-dehibe ny hoe, hisiana na dia anankiray fotsiny aza, zanaky ny fiadanana, ao amin’ny ankohonana. Fa tena rehefa hoe mitoetra ao ny fiadanana, dia hoe lafatra ary mirindra ny fifandraisan’izany ankohonana izany. Lafatra, ary mirindra izany fifandraisan’ny ankohonana izany. Ny lehilahy, tsy hanampatra fotsiny ny maha sefo, maha-loham-pianakaviana, manampatra fahefana, fa tena hoe ray, tena hoe manahaka an’i Kristy, mikarakara vady, mikarakara zanaka, manapaka vady, manapaka zanaka, ary manapaka ny fanompoana. Firy amintsika lehilahy no mahay manompo vady aman-janaka izany e ? Fa ilay petit chef, ilay dictateur, haintsika izany. Tsy fomban’ny zanaky ny fiadanana izany ry havana ô. Ary izaho variana ato, rehefa mahita ato amin’ny fiangonana ato, olona samy milamina izy mianaka, hay izy ireto sakay sy maso, satria tsy mitoetra ao ilay fiadanana. Ianao ranabavy, rehefa tena miasa sy manapaka satria mitoetra ao tsinona ilay fiadanana, efa hainao tsianjery ny hoe mpanampy ny vadinao marina ianao, Ezera. Izao tontolo izaobaza mahalala miteny hoe : « derrière un grand homme, il y a toujours une femme » : Ezera ianareo e. Efa tena Ezera ve ianareo e ? Sa mbola sahirana amin’ny zavatra hafa ianao satria tsy miaina fiadanana ? Ny toeranao tompoko ô, dia Ezera ; rehefa tsy mahay maka ny toerana loha aho, loha ao amin’i Kristy, asandrato aho ho loha ao amin’i Kristy. Asandrato ny vadinao ho mpanjaka. Ary rehefa asandratrao ho mpanjaka ny vadinao, mpanjakavavy ianao ; ny vadinao mpanjaka tsinona. Meteza ho Ezera e, tahaka ny zanaky ny fiadanana e. Ary ampiantsiaka ato Isotry Fitiavana izao ho meteza ho Ezera mpamonjy ny vadinao, ary meteza ho Estera. Meteza ho inona ? Estera. Estera indray, kintana mamiratra, kintana manazava ny sain’ny vadinao, kintana manazava ny lalan’ny vadinao. Izany ny tokantrano itoeran’ny fiadanana ary hifamenoan’ireo mpivady ry havana ô. Ary rehefa hoe zanaky ny fiadanana izy mivady ; na hoe ny zanaka koa, no zanaky ny fiadanana satria hoe izy mivady mbola jentilisa, dia ilay zanaka miharihary amin’ny rehetra fa tena hoe zandrikelin’i Jesoa. Tsy fantatra izay fari-pianarany, tsy fantatra izay quotien intellectuel-ny sy ny intelligence-ny, fa hita hoe ireto dia zandrikelin’i Jesoa. Jerentsika anie ny 1 Samoela 25 :6 e, zava-dehibe ilay manonona ny fiadanana io, 1 Samoela 25 :6, teny fiadanana notononin’i Davida, nanirahan’i Davida ny mpanompony notononina tamin’i Nabala, mpanankarena, mpanefoefo, fa rah tsy hanononana fiadana, tsy manana fiadanana: « Ary izao no holazainareo aminy: trarantitra ianao, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana ho amin'ny ankohonanao, ary fiadanana ho amin'izay anananao rehetra ». Izany ny fiadanana ry havana ô. Fiadanana miendrika fitahiana, mahazo, mahakasika lafim-piainana rehetra. Ny dikan-tenin’ny DIEM amin’io, dia hoe : « ho taom-pahombiazana anie ity taona ity, fiadanana anie ho aminao sy ho amin’ny ankohonanao, sy ho amin’izay rehetra anananao ». Fa izao hoy Jesoa an, mission anao manonona fiadanana, fa rehefa tsy mandray ilay fiadanana, satria tsy mahay mizara ilay fiadanana ao an, tsy maty antoka ianao satria miverina aminao, ary mitoetra ao aminao izany fiadanana izany.
Izay izany ilay fahamarinana anankiroa. Ny fahamarinana : « Ny tena zanaky ny fiadanana dia miala, na efa niala tamin’ny fanompoan-tsampy nentin-drazana » ; « Ny tena zanaky ny fiadanana dia mpanonona ny fiadanan’ny Tompo rehefa miditra ao amin’ny tokantrano iray ».
Ny fahamarinana 3 farany, ao amin’ny Romana 14 :19-20 : « Koa dia aoka isika hiezaka hitady ny momba ny fiadanana sy ny momba ny fifampandrosoana. Aza izay hanina no andravanao ny asan'Andriamanitra. Madio avokoa ny zavatra rehetra, nefa ratsy ho an'ny olona izay mihinana amin'ny fahatafintohinana ».
Fahamarinana 3 : NY TENA ZANAKY NY FIADANANA DIA MIEZAKA MITADY IZAY HAMPANDROSOANA NY NAMANY, ARY NY NAMANY VOALOHANY DIA AO AMIN’NY ANKOHONANY
Tsy hankasitrahan’ny Tompo aho, raha eo aho mampandroso ny fiangonana, satria hoe Pasitera, nefa tsy mampandroso ny ankohonako, tsy mampandroso ny vady aman-janako. Ny tena zanaky ny fiadanana dia miezaka hampandroso ny namany, ary ny namany voalohany dia ny ankohonany. Romana 14 :19-20 : « Koa dia aoka isika hiezaka hitady ny momba ny fiadanana sy ny momba ny fifampandrosoana. Aza izay hanina no andravanao ny asan'Andriamanitra ». Koa dia aoka isika hiezaka hitady ny momba ny fiadanana. Io izany, efa voakasika teo, tsy dia hiverenana intsony, hoe : ny olona tia fiadanana izany, tsy tia adiady. Fa ilay hoe : « hihezaka hitady ny momba ny fifampandrosoana ». Ampiarina eo amin’ny ankohonana, fa eo amin’ny fiangonana moa izany ilay izy.
Ahoana izany hoe miezaka mitady momba ny fifampandrosoana ? Misy karazana mpivavaka anankiroa ry havana, na karazana mpino roa ao amin’ny fiangonana : ny matanjaka ara-pinoana, sy ny malemy ara-pinoana. Marina aminay Pasitera izany an : misy Pasitera matanjaka ara-pinoana, ary misy Pasitera mbola malemy ara-pinoana. Marina amin’ny mpiandry izany, marina amin’ny diakona izany, marina amin’ny mpanompon’Andriamanitra isa-karazany izany, marina amin’ny mpanao poésie izany, marina amin’ny mpitendry zava-maneno izany, marina amin’ny mpamoron-kira izany, marina any amin’ny sekoly alahady sy ny karazany izany. Misokajy roa isika mianakavy an : ao ny matanjaka ara-pinoana, ao ny malemy ara-pinoana. Dia inona ny zavatra tenenin’ny Apostoly voalohany indrindra raha hoe hihezaka hitady momba ny fifampandrosoana isika ? Ato amin’ity Romains 14 :1 ity, jerentsika anie : « Ary raiso ny malemy finoana ». Amin’ny teny frantsay, ilay « raiso » : « faites bon accueil ». Aza hiavonavonana izy ry havana ô ; be dia be loatra ny olona hoe mahatsiaro tena, hany ka hoe mandinika ianao hoe matanjaka ara-pinoana ve ity ranamana ity, mahatsiaro tena ho matanjaka ara-pinoana, dia tratran’ny hoe « orgueil spirituel » : miavona, manambany ilay malemy finoana. An an an, hoy ny Apostoly Paoly. Hoy ny Apostoly Paoly : « raiso amin’ny fitiavana izy, raiso amin’ny fahalemem-panahy izy ». Izay aloa ilay hoe miezaka mitady izay fifampandrosoana.
Dia ny zavatra atoron’ny Apostoly Paoly indray, dia izao : fantaro tsara aloa ny momba azy, jereo hoy Paoly, eo amin’ny and 3, Paoly Apostoly eo amin’ny and.3 : « Aoka ny mihinana tsy hanamavo ny tsy mihinana; ary aoka kosa ny tsy mihinana tsy hitsara ny mihinana; fa Andriamanitra no efa nandray azy ». Ny zavatra mahamaika ry havana ô, tsy ny fahafantarana hoe izaho ve mihinan-kena na tsy mihinan-kena ; izaho ve tsy mihinana afa-tsy zava-maniry ihany ; tsy izany no zava-dehibe hoy Paoly. Aoka ho fantatr’ianao izay mijery ahy aoka ho azonao antoka marina hoe efa nandray ahy ve Andriamanitra, satria izaho efa nanolo-tena ho an’Andriamanitra. Ny fanontaniana tena apetraky ny Tompo aminao ry havana ô, raha tena zanaky ny fiadanana ianao : efa nanolo-tena marina ho an’Andriamanitra ve ianao ? Mbola noteneniny teo : mba omeo Ahy ny fonao. Efa nomenao Azy ve ny fonao e ? Efa nomenao Azy marina ve ny fonao ? Ary ianao, rehefa mahita olona heverinao fa malemy finoana, tsarovy fa hoe efa noraisin’Andriamanitra io, ary tsarovy ny eo amin’ny and.10, ny zava-dehibe anie hoy Paoly e, tsy hoe izy mbola tsy mihinan-kena, na tsy mihinan-kisoa e, tsy any ilay problema e ; fa izy, na ianao, ny zava-dehibe dia hoe samy hiseho eo amin’ny fitsaran’Andriamanitra isika rehetra. Samy hiseho eo anoloan’ny fitsaran’Andriamanitra isika rehetra. And.12 : « Koa samy hampamoahin'Andriamanitra ny amin'ny tenany avy isika rehetra ».
Raha fintiniko ny zavatra nolazaina teo, dia hoe : misy olona malemy finoana eo anoloanao eo, ato amin’ity fiangonana ity, na any amin’ny toeran-kafa, dia raiso izy e, raiso amin’ny fahalemem-panahy izy, raiso amin’ny fitiavana izy. Aza misozy azy ianao, aza misozy azy ianao. Fa ataovy ao an-tsainao fotsiny, fantaro hoe efa nandray azy ve Andriamanitra ? Ary raha efa nandray azy Andriamanitra, na mbola tsy nandray azy Andriamanitra, isika rehetra de toute façon, samy hampamoahina. Ho avy ny andro, samy ampamoahina isika. Raiso amin’ny fahalemem-panahy, ary aza malaky mitsara. Izay no lazain’i Paoly eo amin’ny and.1 teo : « Ary raiso ny malemy finoana, nefa aza , mandray azy hitsaranareo ny eritreriny ». Zavatra tena hoe takaitrantsika ry havana ô, tena fahazaran-dratsy : isika mianakavy ireto, ilay hoe fitiavana hitsara. Ary tena hoe malaky mihitsy isika an, malaky mihitsy isika mitsara olona. Dia hoy ny mpanompon’Andriamanitra anankiray :satria isika malaky loatra mitsara olona, hoy izy, dia matetika diso ilay jugement antsika momba iny olona iny. Fa nahoana no diso ny jugement antsika momba iny olona iny ? Satria hoe malaky isika hitsara, dia ampahany kely amin’ilay fiainany no hitantsika. Io ohatra, raha mijery tableau ngeza be ianao, dia ampahany kely amin’ilay tableau no jerenao, tsitanao ny totalité an’ilay tableau dia hoe : inona ary ity, aiza ary ny hakanton’ity tableau ity, aiza izay hatsarany, aiza izay hahakingan’ilay mpandoko, sy ny karazany ? Dia diso be ianao ka. Aza malaky mitsara, aza malaky mitsara. Mitaraina, mijoro vavolombelona ity mpanompon’Andriamanitra anankiray ity ry havana, hoe : izaho, hoy izy, tena marary mihitsy ny foko rehefa tsarain’olona aho noho izay heveriny hoe fahalemen’ny finoako. Tsy ilay hoe fahalemen’ny finoako no mampalahelo ahy, fa mahita ilay olona malaky mitsara, ary tsy mahafantatra izay mba hoe adim-panahy rehetra, adim-panahy maharitra, adim-panahy lalina tato am-poko, mba te hiala amin’izany hoe mifady an’izao, na mifady an’izao, nefa ny Soratra Masina efa milaza hoe azo hohanina ny zava-drehetra. Tsy fantany izany adim-panahiko izany hoy izy, fa izy dia faly mitsara fotsiny. Raiso hoy Paoly, raiso ny malemy finoana, ary aza mitsara azy. Raiso ny malemy finoana, ary dia hoe fantaro fotsiny fa ny zava-dehibe, dia hoe efa ao amin’ny Tompo izy an, velona ao amin’ny Tompo izy sa tsia ; ka na izy, na ianao, dia samy ampamoahina isika amin’izay andro izay.
Ary farany, ao amin’io perikopa io, dia hoe : aza mandrava. Hoy ilay and.20 : « Aza izay hanina no andravanao ny asan'Andriamanitra ». Ireo olona mahatsiaro hoe matanjaka ara-panahy manko ry havana dia mirehareha izy hoe : izaho olon’afaka, azoko atao daholo ny zavatra rehetra. Dia hoy ilay mpitoriteny anankiray izay : ilay olona miteny hoe azoko atao daholo ny zavatra rehetra, dia olona andevozin’ilay fahafahany izy. Fa ny olona tena matanjaka ara-pinoana, dia mikendry aok’izany ny tsy handrava ny asan’Andriamanitra ao amin’ilay malemy finoana.Inona moa no dikan’izany ry havana ? Raha resy lahatra ianao fa hoe azo atao ny mihinan-kena, nefa ilay olona eo anoloanao tsy mahazaka an’izany, dia hoy Paoly hoe aza mihinan-kena eo imasony e. Raha resy lahatra ianao fa azo atao ny mihinan-kisoa, kanefa ilay olona ao tsy mahazaka henankisoa, dia aza mihinana henankisoa eo imasony e, raha tsy hoe d’accord izy e. Maro ry havana ny olona anti-panahy, ary sarotra ny hiray saina aminy hoe : Pasitera an, i anona ity efa converti, ary tena fantatro mihitsy fa tena converti, fa nifady kisoa taloha ; vao nijoro vavolombelona teto amiko teto hoe izaho efa nandray an’i Jesoa marina, ka ny zavatra ni-testé-ko azy voalohany dia notereko hihinana kisoa dia nihinana. Tsia ry havana ô, tsy sûr aho fa izay no eritreritr’i Paoly. Ny tenenin’i Paoly eo : raha misy olona tsy mahazaka eo, ianao resy lahatra hoe tsy maninona misotro divay kely araka ny tenin’i Paoly ; aza misotro divay eo imasony e, any an-tranonao ianao misotro divay e. Aza mandrava ny asan’Andriamanitra ao amin’ny olona. Fa rehefa mandrava, fa tsy manorina an’io olona io ianao, ny asan’Andriamanitra no ravanao. Rehefa manamavo, mitsara an’io olona io ianao, Andriamanitra no hamavoinao, sy Andriamanitra no tsarainao ry havana ô.
Izay ilay hoe : aoka isika hiezaka hitady ny fiadanana sy momba ny fifampandrosoana. Ianao raim-pianakaviana, ianao renim-pianakaviana, eny e, eo koa ianareo zanaka, miezaha hampandroso ireo ray aman-dreninao ireo, raha ianao efa zoky ara-panahy nefa zandryara-nofo. Miezaha hampandroso ny fiadanana sy ny fifampandrosoana, fanorenana fa tsy fandravana, araka ny tenin’Andriamanitra, ao amin’ny ankohonanao. Dia enga anie ka noho ny fahasoavan’Andriamanitra samy ho hita fa tena zanaky ny fiadanana tokoa isika mianakavy, ho fiadanantsika, sy ho voninahitr’Andriamanitra Raintsika.
Amena.