Ao amin’ny filazantsaran’i Lioka, Lioka 8, izay ny perikopa hakantsika hafatra. Ny lohahevitra dinihintsika dia hoe : Ambarao ny fahafahana ao amin’ny Tompo. Ry havana ô, misy fahavalo tena mampahory antsika mpino, nefa indraindray tsy fantatsika, dia ny demonia izany. Ary izany no isarihin’ny Fanahy Masina ny saintsika amin’izao Alahady farany izao, hoe : IANAO VE EFA AFAKA TAMIN’NY DEMONIA ?
Ny demonia ry havana dia lazain’ny jiosy, iantsoan’ny jiosy ireo andriamanitry ny jentilisa. Petera miantso ny demony hoe anjely nanota. Paoly kosa dia mampitovy azy amin’ny sampy. Hoy izy hoe : ianareo izay manao fanatitra ho an’ny sampy, any amin’ireny tempolin’ny sampy ireny, dia tsy iza fa ny demonia no anateranareo sampy. Izany hoe ireo olona izay mankeny amin’ireny hoe doany sy toerana fanompoam-tsampy isa-karazany ry havana, manao fanatitra ho an’ny sampy ; dia hoy Paoly hoe : manao fanatitra ho an’ny demonia ianao ry havana. Ary te hanafaka anao amin’izany ny Tompo. Rehefa miteny Paoly teny am-piandohana hoe : efa afaka amin’ny asan’ny demony ve ianao ? Izany isan’ny asa fanandevozana tian’ny Tompo hanafahana antsika ry havana ô.
Inona ny Fahamarinana 1 ambaran’ity texte ity ry havana ? Ny Fahamarinana 1 dia hoe : « PERSONNE » NY DEMONY. Izay ny fahamarinana 1.
Tonga any amin’ny tany Gerasena Jesoa, dia mifanena amin’ny lehilahy anankiray manana demony, manana demonia. Jereo tsara aloa : ilay lehilahy no manana demonia, fa tsy hoe ilay demonia no manana an’ilay lehilahy. Raha lazaina amin’ny teny frantsay, ao amin’ny Soratra Masina ry havana, tsy marina ilay filazana hoe : misy olona « possédé », na ilay hoe « possession démoniaque ». Ny zavatra lazain’ny Soratra Masina, ny testamenta vaovao, dia hoe : misy olona, amin’ny teny grika moa na teny frantsay moa ilay izy : « démonisé ». Izay ny tena marina. « Démonisé », izany hoe : misy demonia lasa tafiditra ao aminy ao dia manan-kery aminy, mi-influencé azy. Fa izy tsy « possédé ». Misy kristiana mety « démonisé » ry havana ; fa ilay kristiana efa novidian’i Jesoa amin’ny ràny, dia an’i Jesoa izy ; izany tsy miova izany. Ilay kristiana efa an’ny Fanahy Masina : tsy miova izany ; fa noho ny anton-javatra sasany eo amin’ny fiainany, dia misy demony mety tafiditra ao, mi-démonisé azy, manan-kery aminy tahaka ny amin’ity lehilahy eto amin’ny tany Gerasena ity.
Dia miditra ao izy, efa nolazaintsika hoe « personne ». Amin’ny maha- « personne » azy ry havana, dia afaka miteny izy. Izay no hitantsika eo amin’ny and.28. Mahita an’i Jesoa ilay demony dia hoe miankohoka eo anatrehany dia miteny amin’ny feo mahery : « Moa mifaninona akory izaho sy Hianao, ry Jesosy, Zanak’ Andriamanitra Avo Indrindra ô ? ». Miteny ilay demony satria « personne ». Aoriana ao izy an, mifona, mangataka. Miteny izy satria « personne » ry havana. Ary satria izy « personne », dia eto izy miteny amin’ny feo mahery, mody midera, fa avy eo izy matahotra. Matahotra izy satria « personne ».
Ilay demony ry havana dia mahafantatra tsara momba an’i Jesoa : « Moa mifaninona akory izaho sy Hianao, ry Jesosy, Zanak’ Andriamanitra Avo Indrindra ô ? ». Fantany tsara ny momba an’i Jesoa ry havana ô. Fa ny mampalahelo dia izao : tsy mampiova ny fiainany izany, fa ilay asa fampahoriana efa kasainy no tohizany ato amin’ity lehilahy ity. Ary ohatran’ny olona sasany ihany anie izany ry havana e : fantany tsara ny fiantsoana an’i Jesoa hoe : Zanak’Andriamanitra, hainy ny manampy hoe : Zanak’Andriamanitra avo indrindra ; fa tsy manova na inona na inona ao amin’ny fiainan’ilay olona izany. Ilay olona miteny an’izany, mandalina an’izany izy any amin’ny katekisma, fa tsy manova ny fiainany izany. Fa ilay demony izany, niditra tao amin’ilay lehilahy, ni-démonisé azy, manan-kery aminy, inona ny zavatra nataony tantarain’ny Soratra Masina eo ? Hoe : nandroaka azy ivelan’ny tanànà. Ary ilay demony io izany, manan-kery ao aminy, dia hoe lasa mampitanjaka azy. Efa tsy mitafy lamba intsony ; tsy comportement normal izany ; fa ilay herin’ilay demony miasa ao aminy. Ary iny herin’ilay demony miasa ao aminy iny ry havana no mitaona azy ho eny am-pasana, ho eny akaikin’ny fasana, hitoetra eny am-pasana ; nilaozana ny ankohonana, nilaozana ny fiaraha-monina : any am-pasana izy. Izany ny asan’ilay demony ry havana ô. Maheno izy satria « personne » ; manan-tsofina izy, dia tenenin’i Jesoa eo amin’ny and.30 hoe : « Iza moa no anaranao ? Dia hoy izy : Legiona ; fa demonia maro no efa niditra tao anatiny ». Legiona. Ny mpandinika dia milaza hoe izany legiona izany, raha teo amin’ny romana, ny atao hoe legiona romana : andiana miaramila miisa 6.000, plus 120 mpitaingina soavaly. Izany ilay legiona niditra tato amin’ity lehilahy ity ry havana ô. Ary izy miditra, dia efa fantany tsara hoe : arak’i Jesoa ny momba azy. Ary dia natahotra izy, dia hoy ny and.31 hoe : « nifona taminy izy ». Nifona tamin’i Jesoa ireto demony ireto mba tsy hankany amin’ny lavaka tsy hita noanoa. Satria ny Apokalypsy dia milaza hoe : any amin’ny lavaka tsy hita noanoa no hiafaran’ny demony mandrakizay. « Aza alefa any aloa izahay e ! » : mifona izy. Amin’ny teny frantsay, hoe : ni-supplié izy. Dia neken’i Jesoa ry havana ilay fifonan’ilay demony. Tsy nalefany tany amin’ilay lavaka tsy hita noanoa izy, fa navelany nankao amin’ilay andian-kisoa. Maro moa ny fanazavana hoe, maninona no navelan’i Jesoa ho any amin’ilay andian-kisoa izy. Fa tamin’izany andro izany, aimn’ilay fotoanan’ilay perikopa, izany hoe kisoa izany dia lazaina hoe biby maloto, ary biby tena veta teo imason’ny jiosy. Ary dia hoe hanamafisana fa hoe tsy tokony hikasika kisoa, na handraharaha kisoa, dia navelan’i Jesoa ilay legiona hifindra ao amin’ilay kisoa ry havana ô. Dia inona ny zavatra nitranga ? Lasa nivarina tany anaty rano ilay kisoa.
Ry havana, io « personne » io, mila mitandrina isika, fa tsy hita maso io. Fa amin’ny maha-fanahy, amin’ny maha- « personne » azy : izy tsy maintsy mitady olona na biby itoerana. Fa maninona izy no mitady olona na biby itoerana ? Mitady olona na biby izy itoerana hanatanterahina ny faharatsiany.
Ary ireo ota rehetra ao amin’ny Soratra Masina ireo, saiky hoe vokarin’ny fanahy ratsy, vokarin’ny demony, dia mankao amin’ilay olona izy, manan-kery amin’ilay olona izy, manatanteraka an’izany toetra ratsiny izany. Tsy maintsy mitady olona itoerana izy. Izany no itenenana hoe raha noroahina tato amin’ity lehilahy ity izy dia nitalaho tamin’i Jesoa : « aleo izahay ho ao amin’ilay kisoa ». Fa jereo tsara : ilay kisoa nitratrevatreva tany amin’ny hantsana. Fa maninona ilay kisoa no nitratrevatreva tany amin’ny hantsana ? Satria hoe nidiran’ilay demony ilay kisoa ry havana, ary tena hoe tsy zakan’ilay kisoa izany hoe itoeran’ilay demony izany dia aleon’ilay kisoa nivarina tany an-kady, aleon’ilay kisoa maty ry havana ô. Izany ny zavatra mitranga eto amin’ity tantara ity, ilazana amintsika hoe : TENA MISY IZANY DEMONY IZANY ARY MISAOTRA NY TOMPO MAMPATSIAHY ANTSIKA AN’IZANY : « PERSONNE » IZY. TONGA IZY HAMPAHORY ARY MITADY FOMBA SY FOTOANA IDIRANA AO AMIN’NY OLONA ANANKIRAY ANAOVANA NY ASA MATINY, ASA FAMPAHORIANA, ASAM-PAHAFATESANA RY HAVANA O. Izay ny fahamarinana 1.
Ny Fahamarinana 2 dia izao : NY DEMONY DIA MANAJAMBA NY SAIN’NY OLONA.
Hoy ny and.37 : « Ary ny olona rehetra tany amin’ ny tanin’ ny Gerasena manodidina dia nangataka an’ i Jesosy hiala aminy, satria raiki-tahotra indrindra izy ; ary Jesosy niondrana an-tsambokely ka niverina ». Hoy isika, ny fahamarinana jerena eto dia hoe : manajamba ny saina, ny sain’ny olona ny demony ry havana ô. Hoy ny texte novakiana teo hoe : raiki-tahotra ; raiki-tahotra indrindra ny olona rehetra tao an-tanànà. Raha ny normal ange ry havana e, nahita an’io lehilahy hoe demoniaka sitrana, afaka, mitafy lamba normal, ary saina ka mipetraka eo akaikin’i Jesoa io ; normalement anie ilay olona e, tokony hitolagaga e, dia tokony hoe hidera sy hankalaza ny herin’i Jesoa e. Izany, izany no tokony ho izy. Tsy nisy na iray aza tantarain’ny Soratra Masina hoe nisy tomany ranomasom-pifaliana, ranomasaom-pamonjena ; tsy nisy an’izany teo, fa raiki-tahotra indrindra ny olona. Raiki-tahotra naninona ? Nampatahotra ny olona ny nahita an’i Jesoa nandresy ny demonia. Ie : nampatahotra ny olona ny nahita an’i Jesoa nandresy ny demonia sy ny fanahy ratsy. Nampatahotra ny olona ny nahita ilay demoniaka sitrana. Ry havana ô, ny devoly no tsy faly amin’ny zavatra tsara sy soa ohatran’ny zavatra hitantsika eto. Ny devoly no tsy faly amin’izany. Izany hoe : matoa ireto olona ireto raiki-tahotra, ary indramiko ny tenin’i tompokolahy Pasteur Rakotonirainy Johnson, dogmatisianina nanana ny naha-izy azy izany teto amin’ny Fjkm, mpiandry, mpampianatra mpiandry. Hoy izy hoe, rehefa manazava hoe ny devoly ihany no tsy faly amin’izao famonjena izao ; dia hoy izy hoe : misy fanahy, karazan’ilay tao amin’ity lehilahy ity amin’ireto olona toa salama ireto. Ary izany no maha-raiki-tahotra azy. Fa maninona izy no raiki-tahotra ? Misy an’ilay fanahy ao aminy ry havana ô, ary hitany hoe mahita faisana, hoy ihany Pasteur Rakotonirainy ; hitany hoe mahita faisana ilay mpanjaka sy ilay tompon’ireo fanahy ireo, dia raiki-tahotra izy. Ary izany no nahatonga azy ireo nifona, izany no nahatonga azy ireo nangataka, izany no nahatonga an’izy ireo ni-supplier an’i Jesoa hoe : mba hiala fa manakotaba ny taniny. Ary izay ilay hoe : fanajambana ny saina ataon’ny devoly ry havana ô : Jesoa tonga handroaka ny fanahy ratsy ; Izy indray no roahin’izy mpiray tanànà. Jamba ireo. Jamba izy nefa tsy mila mpamonjy, fa tena hoe aleony very mandrakizay. Jamba izy ireo : aleon’izy ireto ny fijalian’ilay demoniaka e. Jamba izy ireo : aleon’ireo ireo kisoa roa arivo izay hoe mariky ny fahalotoana sy ny fahavetavetana teo amin’ny jiosy ry havana. Aleon-dry zareo izany. Aleon-dry zareo tombon-tsoa ara-bola azo amin’ireo kisoa roa arivo ireo. Aleon-dry zareo vola sy harena maloto azo amin’ireo kisoa ireo. Izay ilay fahajambana ara-tsaina ry havana ô. Ary ho an’ny olona toy ny eto amin’ity tanànà ity, Jesoa tena hoe manova zavatra. Fa izao : Jesoa mitondra fanafahana mampikorontana ny fiainana ; ary Jesoa mitondra fanafahana mahavery harena. Tsy mila izany ny olona izay hajambain’i satana ry havana ô, kanefa fahaverezana mandrakizay no tambin’izany.
Asain’ny Tompo mandinin-tena isika hoe : ambarao ny fanafahana ao amin’ny Tompo ; alohan’izay, araka ilay vavaka teo, hoe : efa tena afaka ve ianao amin’ny asan-demony ? Efa tena afaka ve ianao amin’izany fahajamban’ny saina izany ?
Ny Fahamarinana 3 farany ry havana dia izao : MANAFAKA AMIN’NY NY ASAN-DEVOLY AO AMIN’NY ANKOHONANA NY TOMPO
Hoy ny and.38-39 : « Ary ny lehilahy izay efa nivoahan’ ny demonia dia nangataka mba hitoetra ao aminy; nefa nampodin’ i Jesosy izy ka nataony hoe: Modia ihany any an-tranonao, ka ambarao ny zavatra lehibe nataon’ Andriamanitra taminao ». Irahin’i Jesoa ity lehilahy ity hanambara amin’ny ankohonany ny famonjena nataony taminy. Rehefa miteny isika ry havana hoe : Manafaka amin’ny asan-devoly ao amin’ny ankohonana ny Tompo, hitantsika tsara vao manomboka ny Baiboly, fa ny ankohonana anie no lasibatry ny devoly voalohany e. Ny ankohonana e. Noho ny afitsoky ny devoly ry havana, no nahatonga ny mpivady voalohany nisara-tsaina ; noho ny afitsoky ny devoly ry havana, no nahatonga ny zanany : ny rahalahy mamono ny rahalahy. Satria rehefa nalain’ny devoly fanahy i Eva ry havana, Adama vadiny, Adama loha : tsy nahatohitra an’i Eva izay mpitondra tenin’ny devoly tamin’io fotoana io. Izany hoe ilay loham-pianakaviana no tsy nijoro ry havana ô. Ary eto koa ry havana ô, mbola lehilahy no nasian’ny devoly, lehilahy no nasian’ny demony, ary lehilahy no nafahan’i Jesoa. Ary dia asainy mijoro vavolombelona any amin’ny ankohonany e.
Ity lehilahy ity, nahita ny herin’i Jesoa, ny fahefany amin’ny fanahy ratsy, nahita ny fitiavany azy, ny fahasoavany taminy, dia nangataka izy hoe : mba hitoetra eo Aminy, hitoetra eo an-tongony, satria eo no ahitany fitsaharana. Ary satriny raha mba hoe anatin’ny ekipan’i Jesoa izy, hoe andeha hitory filazantsara. Tsy navelan’i Jesoa izy ry havana ô. Fa nirahiny ho any amin’ny ankohonany. Inona no tian’ny Soratra Masina e, ambara amintsika e. TSY FAMONJENA HO AN’NY OLON-TOKANA RY HAVANA O, NO ATAON’I JESOA SY KENDREN’I JESOA. TSY FANAFAHANA OLON-TOKANA, FA FAMONJENA MAHATRATRA NY AKOHONANA. ARY REHEFA TRATRA NY ANKOHONANA : ILAY FAMONJENA DIA MAHATRATRA NY FIARAHA-MONINA MANODIDINA AN’IO ANKOHONANA IO. Izany no hita eto amin’ny and.39 ry havana ô.
Azo lazaina hoe mora ny mitory tena any ivelany e, amin’ny olona tsy fantatra. Fa sarotra ny mitory teny amin’ny ankohonana, sarotra ny mitory teny amin’ny olona tena mahafantatra ny toetranao, ary mahafantatra amin’ny antsipirihany ry havana ô. Fa izany indrindra ny programan’ny Tompo : tian’i Jesoa ho hitan’ny ankohonany ny famonjena mahagaga izay azon’ity lehilahy ity tao amin’i Jesoa, tamin’ny alalan’i Jesoa. Ary alaivo sary an-tsaina ange ry havana e, ny zavatra mety nitranga tao amin’io ankohonana io e. Ary izaho milaza fa mbola maro ny ankohonana mbola tojo zavatra tahak’izao ry havana. Vao nanomboka nanan-kery tao amin’ity lehilahy ity ny fanahy ratsy dia efa nanomboka hafahafa fihetsika izy, hafahafa fiteny izy, hafahafa fiakanjo izy, manomboka manakorontanontana ny zavatra ao an-trano izy, mety efa hafahafa ny fijeriny ny ankohonany. Ary matetika ry havana, ny olona démonisé dia mitoetra amin’ny loto sy amin’ny fahavoretrana. Mety izany ity lehilahy ity. Hafahafa ny akanjony : farany moa izy dia tena hoe nampitanjahan’ilay fanahy mihitsy, farany dia nandao ilay tranony nankeny am-pasana, nitoetra teny am-pasana. Averin’i Jesoa ao amin’ny ankohonany ity lehilahy ity ry havana ô. Ary ilay izy ilay hoe nitanjaka tany am-piandohan’ilay tantara, ankehitriny dia hoe : mitafy lamba. Ilay lehilahy mahery setra, nofatorana tamin’ny rojo : ankehitriny dia mipetraka milamina eo an-tongotr’i Jesoa. Ilay adala noho ny herin’ny demony tao aminy : ary saina, niverina ny sainy ankehitriny.
Ary rehefa miteny isika hoe famonjena sy fanafahana mahatratra ny ankohonana : inoana ry havana fa ny fahitana ny fiovana teo amin’io lehilahy io dia tena hoe fanafody lehibe ho an’ny ankohonany. Ary koa fitaomana ny ankohonany ho amin’ny finoana marina, ho amin’ny finoana mahavonjy.
Ry havana ô, te hijery izay asan-demony ao amin’ny ankohonanao Jesoa anio, indrindra eo amintsika lehilahy loham-pianakaviana, na ho loham-pianakaviana. Ry havana ô, ry havana ô, tena misy izany hoe devoly, tena misy izany hoe demony. Ary raha ianao izay mihaino eto misaina hoe « tsy misy Pasitera izany devoly an, tsy misy Pasitera izany demony izany an » ; milaza aminao aho amin’ny anaran’ny Tompo fa ny mahatonga anao tsy hino ny fisian’ny devoly, dia satria tsy mino an’Andriamanitra tsotra izao ianao. Satria mazava ny tenin’ny Soratra Masina hoe : « Izao no nisehoan’ny Zanak’Andriamanitra, dia ny handrava ny asan’ny devoly » 1 Jaona 3 :8.
Ilaina ry havana ny psychiatre, ilaina ny psychiatre ; fa izao : ny psychiatre manampy antsika amin’ny diagnostique e ; manampy fotsiny amin’ny diagnostique e, fa tsy mahafaka fanahy ratsy izany izy, tsy maharoaka demonia izany izy. Fa Jesoa ihany ry havana ô no manafaka sy manasitrana.
Ny Tompo ry havana hamindra fo aminao, hahatonga saina anao amin’izany hoe asan-demony izany, ary hampandinin-tena anao ny amin’izay hoe asan-demony ao aminao. Fa mazava ny teny fampieritreretana ataon’i Petera hoe : tandremo ange e, fa ny devoly fahavalonareo dia mandehandeha mitady izay harapany, mandehandeha izy mitady izay varavarana ao amin’ny fiainantsika navelantsika hisokatra idirany, mitady izay vavahady sokafantsika idirany. Ry havana ô, ampieritreritra antsika mba samy ho mailo amin’izany hoe fisian’ny asan-demony izany isika. Ary rehefa hitantsika izany hoe asan-demony izany, dia tsy ho ataontsika fomba fotsiny, fa tena hoe inoantsika ary ho raisintsika ho fiadiana ara-panahy ilay fiteny sy ilay fomba manao hoe : « amin’ny anaran’i Jesoa Tompon’ny hery sy ny fahefana rehetra : mandidy anao aho satana, mandroaka anao aho satana, tsy hanana anjara ao amin’ny fiainako sy ao amin’ny fiainan’ny ankohonako ».
Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amena