Ao amin’ny Lioka 13, ilay perikopa somary fohy io no hakantsika ny hafatra androany ry havana ô.
Fahamarinana 1 : TONGAVA MIANATRA NY SORATRA MASINA ARY AZA MAHAFOY NY FIARAHANTSIKA MIVAVAKA ATY AM-PIANGONANA
Ary rehefa izany no ataonao, dia ahita ny tana-maherin’Andriamanitra ianao. Vakiantsika ao amin’ny Lioka 13 :10-11 : « Ary nampianatra tao amin’ ny synagoga anankiray Jesosy tamin’ ny Sabata. Ary, indro, nisy vehivavy izay nanana fanahy mahafarofy valo ambin’ ny folo taona, ary nanjoko izy ka tsy nahatraka akory ». Hoy isika hoe : TONGAVA MIANATRA NY SORATRA MASINA ARY AZA MAHAFOY NY FIARAHANTSIKA MIVAVAKA ATY AM-PIANGONANA.
Ity vehivavy nanjoko, tsy nahatraka nandritra ny 18 taona, io no omen’ny Tompo ho ohatra ho antsika Fiangonana ry havana ô. Efa voalaza tamin’ny louange teo, fa amafisina : nanjoko izy, tsy nahatraka izy nandritra ny 18 taona noho ny fanahy mahafarofy tao aminy. Mahavariana ry havana, fa Lioka dokotera, tokony mba hoe terme scientifique izany no ampiasain’i Lioka : tsia ry havana ô. Fa misy resaka fanahy eo, fanahy ratsy eo, fanahy mahafarofy eo, tao amin’ity vehivavy ity, nihazona an’ity vehivavy ity ka nahatonga azy hanjoko ary nandrara azy tsy hitraka ry havana ô, 18 taona. Izany 18 taona izany ry havana, tena hoe fotoana fohy kely izany, fohy kely izany raha hoe fotoana iainanao anaty fahasambarana sy fifaliana. Tena fotoana hoe poy toy izay dia efa lasa izany 18 taona izany, raha dinihinao hoe 18 taona no itaizantsika ny zanatsika ; poy toy izay dia lasa izany 18 taona izany. Poy toy izay dia lasa izany 18 taona izany raha manana namana mahatoky ianao miara-mivavaka aminao, manome anao torohevitra eny am-pandehanana eny, rehefa hiatrika sedra sy fizahan-toetra isan-karazany : vetivety kely izany ry havana ô. Fa tena fotoana faran’izay lava izany 18 taona izany ry havana ô, ho an’ny olona izay anaty aretina, ho an’ny olona ohatran’ity vehivavy ity, izay hoe marary lamosina mandritra ny 18 taona ; ho an’ny olona izay tahaka an’ity vehivavy ity, manjoko ka tsy manao afa-tsy izay hoe mijery, mahita ny tany, tsy mba afaka mitraka mijery an’izany lanitra mangamanga, na mahita ny masoandro izany. Tena hoe fotoana faran’izay lava. Izany ny fiainan’ity vehivavy ity nandritra ny 18 taona ry havana ô : ny fikarakarana tokantrano manahirana, ny fandehanana manahirana, ny fatoriana manahirana, satria tena nanaintaina ny lamosiny. Fa inona ny modely apetrak’ity vehivavy ity ho antsika izay mba te hahita an’izany hoe tana-maherin’Andriamanitra izany ? Lasa izy mankany amin’ny synagoga hianatra tenin’Andriamanitra ry havana ô. Araka ilay notenenina teo, hoe : eo amin’ny and.10 hoe : Jesoa dia nampianatra tao amin’ny synagoga anankiray tamin’ny andro sabata. Tena hoe asa nataon’i Jesoa matetika ary tsy tapaka io hoe mampianatra Soratra Masina. MBA HETY AMPIANARINA SORATRA MASINA AMIN’IZAY VE IANAO E ? Ianao anie no maty antoka rehefa tsy hianatra Soratra Masina ry havana ô, ianao no maty antoka e. Jesoa mampianatra, ary miandry anao Izy, miandry anao Izy ho ampianarina ry havana ô. Ary ity vehivavy ity, Tsy nanao hoe : an an an, ka izaho fantatrao tsara ny lamosiko ; izy moa 18 taona tao an-tanàna kely tao, fantatry ny iray tanàna io lamosiny io, ary inoana fa manao ohatrantsika ny iray tanàna ry havana ; tsy fantatra moa izay anarany, fa tenenina hoe : i anona, vehivavy kilemaina iny, ilay vehivavy manjoko iny ; izany ny fiainan’ity vehivavy ity. Fa tonga tao an-tranon’Andriamanitra izy hianatra tenin’Andriamanitra, ary hivavaka ry havana ô. Jesoa mampianatra, Jesoa mampianatra ao amin’ny tranon’Andriamanitra ry havana ô, ary dia hoe miandry antsika ho amin’izany Izy. AZA AFOY NY FIARAHA-MIVAVAKA ATY AM-PIANGONANA E ! Aoka izay ny fahazaran-dratsy hoe izho Pasitera tsy tafangona an, fa hamaky Baiboly aho, hamaky boky tsara aho, hamaky boky ara-pinoana aho ato an-trano ; tsia ry havana ô. Andriamanitra no miteny hoe : isika zanany, ny Alahady maraina, ny toerana tiany ahitana antsika dia toerana tokana e : aty amin’ny tranony aty am-piangonana ry havana ô. Ity vehivavy ity, nahafinaritra ilay fanamarihana mpitoriteny anankiray izay : izy miondrika io, hoy izy, dia ohatrany hoe tsy eo intsony ilay hasina maha-olombelona, ilay izy miondrika tsy mahatraka io, fa ohatrany biby tsy mahatraka, dia sanatria manana fiainam-biby ity vehivavy ity noho ny aretiny ry havana ô. Ry havana ô, ianao, ianao izay tsy mankaty an-tranon’Andriamanitra Alahady maraina, fa atakalonao zavatra hafa, sanatria, sao dia mba ianao koa no manana fiainana tsy afaka mitraka ary fiainam-biby ry havana ô ? Fa ny teny fikasana, ny vaovao mahafaly omen’ny Soratra Masina antsika androany, dia hoe : hianatra no alehan’ity vehivavy ity taty am-piangonana, tao amin’ny synagoga, handre an’i Jesoa, dia nahazo fitahiana tsy nampoiziny izy, mihoatra lavitra noho izay tenin’Andriamanitra nandrasany. Misaotra an’Andriamanitra ry havana ô, ny amin’izay olona vitsy hanapa-kevitra hoe : « hay, mazava ny hafatrao Tompo ô, izaho te hahita ny tana-maherinao, hanapa-kevitra amin’izay aho hianatra tenin’Andriamanitra, ary isaorako an’Andriamanitra fa misy fampianarana Soratra Masina ato amin’ity Fiangonana ity » ry havana ô. « Ary avelako amin’izay ny atsanga tsy aman’olana hanafenako ny hakamoako sy ny fahalainako ara-panahy, hoe : izaho indray dia tsy afaka amin’izany Pasitera ». Ianao no maty antoka, diso anjara ianao amin’ilay fitahiana omanin’i Jesoa ho an’izay olona te hihaona Aminy ao amin’ny synagoga, ao am-piangonana hihaino ny fampianarany.
Izay ny fahamarinana 1 : TONGAVA MIANATRA SORATRA MASINA ARY AZA MAHAFOY NY FIARAHANTSIKA MIVAVAKA ATY AM-PIANGONANA
Ny fahamarinana 2 ry havana dia izao : ho anao izay te hahita izany tana-maherin’Andriamanitra izany. Izy anie manao e, fa ianao mety jamba ara-panahy dia tsy mahita e, dia matimaty ohatran’io ny finoanao ry havana ô.
Fahamarinana 2 : JESOA MANAFAKA ANAO AMIN’NY ROFINAO ARA-PANAHY SY NY ROFINAO ARA-BATANA
Lioka 13 :12 : « Ary rehefa nahita azy Jesosy, dia niantso azy ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, afaka amin’ ny rofinao hianao ».
Hoy isika hoe : Jesoa manafaka. Voasoratra noir sur blanc ao amin’ny Baibolintsika izany ry havana ô. Manafaka Izy amin’ny rofintsika rehetra, ny hita maso sy ny tsy hita maso. Izy no nahita fa hoe fanahy mahafarofy anie no mamatotra an’ity vehivavy ity e. Fa raha izaho sy ianao e, dia mitsetra an’io vehivavy io hoe : oay, ity vehivavy ity moa izany dia 18 taona izay tsy nahatraka mihitsy e. Fa Izy no mahita ny zavatra tsy hita ry havana ô. Izy no mahita ny zavatra tsy hita. Rehefa jerena anie Jesoa e, mahita ny zavatra tsy hita Izy, satria Andriamanitra tonga nofo ; mahita ny zaavtra tsy hita Izy, satria hafa ny fomba fijeriny. Manana ohatra amin’izany anie isika ry havana e, manana ohatra amin’izany isika : nahita an’i Kefasy Izy dia hoe fantany ny programam-piainany ho azy, fantany mialoha izay programam-piainany ho azy. Nahit aan’i Jodasy Iskariota Izy, fantany mialoha fa hoe io ilay hamadika Azy. Izany ity Jesoa ity : mahita ny tsy hita maso, mahita ny mbola tsy misy ry havana. Izany io Jesoa io. Mahita an’i Natanaela Izy, Natanaela tsy mahita Azy, nahita an’i Natanaela Izy, dia hoe : Ity ilay tena Isiraelita, ity ilay Isiraelita marina. Izany io Jesoa io ry havana ô. Ary ianao no maty antoka, rehefa tonga ao amin’ny synagoga Izy, tonga ato am-piangonana Izy, ka tsy mahita anao ato. Ianao no maty antoka, ary tsy hahita an’izany tana-maherin’ny Tompo izany ianao izay efa eo nasehony amin’ny Eksodosy, nasehony ao amin’ny Romana, raha namorona an’izao tontolo izao Andriamanitra. Tsy hitanao izany ry havana ô, tsy hitanao izany. Fa Izy anie e, rehefa miteny isika hoe : manafaka amin’ny rofy rehetra : ny rofy ara-panahy, ny rofy ara-batana ry havana ô, dia hoe, nahafinaritra ny tenin’ny mpitoriteny anankiray izay : vao mijery ny tarehinao fotsiny Izy, vao mijery ny tarehinao fotsiny Jesoa, dia efa mahafantatra ny tantaram-piainanao ry havana ô. Vao mijery ny tarehinao fotsiny Izy, dia efa mahita, mahafantatra ny tantaram-piainanao, mahafantatra ny rofinao rehetra, mahafantatra ny ratram-po lalina rehetra any am-ponao any ; hitan’i Jesoa izany ry havana ô. Mahafantatra ny aretinao rehetra Izy, mahafantatra ny hamafin’ny fakam-panahy mahazo anao Izy, ary mahafantatra Izy, vao mijery ny tarehinao fotsiny, hoe : inona ny ady, inona ny tafio-drivotra, inona ny alon-drano mitopatopa ao amin’ny fiainanao. Mijery ny tarehinao fotsiny Izy ; fa izay no vaovao mahafaly ; Izy tsy mijery fotsiny ry havana ô, Izy tsy mahafantatra fotsiny, fa mitady anao Izy e, hanafaka, hanafaka anao amin’izany rofinao izany, hanafaka anao amin’ny fanahy rehetra mahafarofy anao. Ianao no mieritreritra hoe : izaho toy izao, izaho toy izao, izaho tsy mba toy izany, ohatran’io vehivavy io. Ry havana ô, ianao indrindra miteny an’izany, sanatria an’izany manana an’izany fanahy mahafarofy izany. Fa Izy, Izy ry havana ô, te hanafaka anao, te hanafaka anao amin’ny rofinao rehetra ; te hanafaka anao amin’izay asan-devoly rehetra ao amin’ny fiainanao. Izany no ivon’ity tantara ity ry havana ô : fanehoana fa tena misy izany asan’ny devoly izany ary ny tana-maheriny dia hoe handresena an’izany asan-devoly izany. Nahatezitra ny fariseo ity fahagagana nataon’i Jesoa ity ry havana ô, nahatezitra fatratra ny fariseo, izay hoe légaliste : tsy azo atao ny manasitrana amin’ny andro sabata ry havana. Fa rehefa mandinika ny Baiboly ianao ry havana, rehefa mandinika ny Testamenta Vaovao ianao, misy fahagagana 7, tsy 6, fa 7 ; misy fahagagana 7 nataon’i Jesoa tamin’ny andro sabata ; ary ireo fahagagana 7 ireo dia hoe maneho ny herin’i Jesoa mandresy izany asan’ny devoly ao amin’ny olombelona izany. Ry havana ô, ry havana ô, mino an’izany ve ianao ? Mino an’izany ve ianao, fa hoe Jesoa afaka manafaka anao amin’ny rofinao rehetra, dia ilay rofy vokatry ny fanahy mahafarofy e ? Ary tsy hino an’izany ianao ry havana ô, tsy hino an’izany ianao, raha tsy mianatra tenin’Andriamanitra aloa. Fa sambatra ianao raha mino an’izany, sambatra ianao raha mino an’izany. Fa hanafaka anao amin’ny rofinao rehetra Izy, rofy vokatry ny fanahy, ary hanafaka koa Izy amin’ny rofinao ara-batana. Fa izao : ity 18 taona ; ilay lehilahy tao amin’ny piscine tao Betesda 38 taona, hafa 40 taona. An’Azy, an’Azy ny fotoana ry havana ô. An’Azy ny andro sy ny volana, fa hoe : hanafaka Izy, hanafaka Izy amin’ny rofintsika rehetra. Izay no vaovao mahafaly.
Fahamarinana 3 : NY FAMETRA-TANANA SADY MANASITRANA NO MANOME NY FANAHY MASINA HANANGANA
Ny fametra-tanàna manasitra, iray izay, sady manome ny Fanahy Masina hanangana olona ry havana ô. Lioka 13 :13 : « Dia nametraka ny tànany taminy Izy; ary niaraka tamin’ izay dia nitraka ravehivavy sady nankalaza an’ Andriamanitra ».
Zavatra tsy dia mahazatra antsika ry havana io fametra-tanàna io. Ekentsika ary raisintsika ny fametra-tanàna amin’ny fotoana anaovana batisa, amin’ny fotoana andraisana antsika ho mpandray ny fanasan’ny Tompo, amin’ny fotoana anokanana antsika ho diakona, anokanana antsika ho mpiandry sy ny tahak’izany. Fa ankoatr’izay, tena zavatra manahirana antsika io fametra-tanàna io ry havana ô. Zavatra hafahafa amintsika io fametra-tanàna io. Fa rehefa mijery ianao eto an, in-2 miantoana ny zavatra nataon’i Jesoa tamin’ity vehivavy ity. Eo amin’ny and.12, nahita an’ilay vehivavy Jesoa, ary mariho kely fa hoe ilay vehivavy tsy nangataka na inona na inona, izy te ho any amin’ny synagoga fotsiny, izy te ho any amin’ny synagoga fotsiny hihaino an’i Jesoa, fa Jesoa nahita azy dia niantso azy, ary mariho koa manaraka izany : tsy misy filazana na kely ary momba ny finoan’ity vehivavy ity ; fa hoe nankany amin’ny synagoga izy hianatra ary hihaino an’i Jesoa. Dia hoe, and. 12 nahita azy Jesoa dia hoe : « afaka amin’ny rofinao ianao ». Afaka amin’ny rofy. Afaka amin’ny fangejana sy ilay fatoran’ilay fanahy ratsy, afaka amin’ny fatoran’ilay fanahy mahafarofy ry havana ô ilay vehivavy. Ary izany ny asan’i Jesoa ry havana ô isaky ny manatona Azy ohatran’izany isika : hitany io fanahy ratsy ao amintsika io dia afahany amin’izany isika e. Ary izany no maha-zava-dehibe ny mianatra ny tenin’Andriamanitra sy ny hoe mankaty am-piangonana. Bon, maintenant, misy fanahy tena hoe matanjaka sy mahery noho ny fanahy hafa dia mila hoe iasana manokana, mila hoe alefa any amin’ny toby mihitsy aza. Fa izay nataon’i Jesoa tamin’ity vehivavy ity dia marina amin’izay mpino rehetra mitady Azy ao amin’ny Baiboly, mianatra Azy, mianatra ny teniny ao amin’ny Baiboly ary mitady Azy marina aty am-piangonana. Izany hoe in-2 miantoana ilay izy : afaka amin’ny rofinao ianao ; fa mbola tsy nitraka ilay vehivavy, mbola tsy afaka aretina ilay vehivavy, fa afaka amin’ilay rofy, amin’ilay asan’ilay fanahy izy. Fa inona no mampitraka an’ilay vehivavy ry havana eto ? Mazava be ilay tenin’Andriamanitra : « Dia nametraka ny tànany taminy Izy; ary niaraka tamin’ izay dia nitraka ravehivavy ». Tadidio ry Fiangonana malala ô, manomboka izao : io hoe fametra-tanana atao aty am-piangonana, fa tsy atao any an’elakelan-trano io, na atao any an-tokantranonao, atao-na mpanompon’Andriamanitra irahin’ny Fiangonana, io fametra-tanana io ry havana ô, dia zavatra nataon’i Jesoa, ary hitantsika eo, manasitrana Izy ; ary rehefa miteny hoe mampitraka, dia hoe : ny Fanahy Masina no manome hery anao hitrakana araka izany teny izany. Fa rehefa tsy ao ny fametra-tanana, rehefa tsy ao ny herin’ny Fanahy Masina ry havana ô, dia izany no ahitana olona mitanondrika lava e, resy lava e, manjombonjombona lava e, satria tsy manovo hery izy, tsy mandray hery izy amin’io fametra-tanana io.
Malahelo aho miteny aminareo ry havana : fotoana maharitraritra izay no niarahantsika teto, manomboka mifankahalala isika, ary izaho dia mahafantatra mihitsy hoe, eo ihany moa ilay zanaka an-pielezana, fa misy olona tena mitsaoka an’ity Alahady faharoa ity satria mitsaoka an’ilay fametra-tanana izy. Hevi-diso izany ry havana ô. Hevitra avy amin’ny fanahy mamitaka ao aminao tsy ankanesanao ao amin’io fametra-tanana io. Hevitra avy amin’ny devoly izany.
Misy karazany roa ry havana ny olona tian’i Jesoa hoe hampitrakana amin’izao maraina izao, dia ilay olona samy tonga aty amin’ny tranon’Andriamanitra izany ; tsy ilay olona atsy amin’ny arabe atsy izany, fa ilay olona samy tonga aty. Mizara roa mantsy isika eto, araka ilay filazantsika mandava-taona hoe: misy olona ato, tonga ato izy nefa mbola tsy mino. Tsy izay ilay problema, tsy any mihitsy ilay problema ry havana ô. Fa fantaronao mbola tsy mino io e, fa ianao mbola tsy mino io, mbola andevozin’ilay fanahy mahafarofy, andevozin’ny fanahy isa-karazany ianao, izany no mahatonga anao tsy mino ohatran’io, nefa mankaty am-piangonana ry havana ô. Fa izao, fa izao : ianao, hitan’ny Tompo ianao amin’izao maraina izao ; hitan’ny Tompo ianao. Satria ianao tsy mino, tsy mitady Azy manokana ianao, hitany koa izany fonao tsy mitady azy izany, hitany izany fonao tsy misento amin’izany lanitra izany ; fa hitany ianao amin’izao maraina izao ry havana ô, ary te hiteny aminao Izy, tahaka ny nitenenany tamin’ilay vehivavy ato amin’ity tantara ity, hoe : « afaka ilay rofinao, afaka ilay asan’ilay fanahy mahafarofy anao. Ary Izaho hampitraka anao, hampisaina anao ny lanitra izay misy ahy ankehitriny ary iandrasako anao ». Fa raha tsy Izy ry havana ô, no miasa aminao izay tsy mino, dia ho marina ilay tenin’ny Mpitoriteny 7 :13 hoe : « fa iza moa no mahahitsy izay nataon’Andriamanitra ho meloka? ». Ianao tsy mitraka mijery ny lanitra io, Andriamanitra anie no nanao an’io e ! Fa Andriamanitra, amin’izao maraina izao te hikasika ny fonao ary mandinika anao Izy, hanaiky ve ianao ? Hanaiky hampitrakany ve ianao ? Izay ny karazan’olona voalohany ato amin’ny Fiangonana amin’izao maraina izao ry havana.
Ary ny karazan’olona faharoa dia hoe : zanak’Andriamanitra. Tena zanaka, tena nanolo-tena tokoa ho an’Andriamanitra, nandray an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy tamin’ny fony, nefa mbola manana an’izany fanahy mahafarofy izany ry havana ô, mbola voafatotry ny ohatran’izao na ohatran’izao ka mitanondrika hoy ny mpanao Salamo, mijoretra indrindra hoy ny mpanao Salamo, ary misaona mandrakariva. Inona no mampitanondrika an’ilay zanak’Andriamanitra, tena zanak’Andriamanitra nefa ? Tenenina izy hoe : « mitrakà ianao e », « tena tsy afaka aho, tena tsy vitako » ; « banjino ny lanitra e », « tena tsy afaka aho, tena tsy vitako » ; izany no ambetin-dresany ry havana : « tena tsy afaka aho, tena tsy vitako ». Ary maro ny zanak’Andriamanitra manana an’izany hoe : « tena tsy afaka aho, tena tsy vitako » iray taonina ao amin’ny fiainany ao ry havana ô. Tenenina ianao zanak’Andriamanitra : « ajanony amin’izay re io fisotroana sy fimamoana io », « tena tsy afaka aho, tena tsy vitako » ; tenenina ianao zank’Andriamanitra hoe : « aoka izay re ny mijery an’io pornographie io e », « tena tsy afaka aho, tena tsy vitako » ; « aoka izay re io kizitina lava ao amin’ny ankohonanao io e », « tena tsy afaka aho, tena tsy vitako » ; « aoka izay re io fandalana fomba adala azo avy amin’ny nentin-drazana », « tena tsy afaka aho, tena tsy vitako ».
Mijery anao ny Tompo anio ry havana ô, mijery anao Izy ary te hanafaka anao amin’izany, tahaka ny nanafahany an’ity vehivavy tao amin’ny synagoga ity ry havana malala ô. Miandry anao Izy hanatona Azy, dia avelao Izy hanao fahagagana. Inona no atao hoe fahagagana ? Hoy ity ankizy vavikely tao amin’ny Sekoly Alahady ity : « ny atao hoe fahagagana : zavatra tsy vitako fa hain’i Jesoa ». Te hanao fahagagana ao ain’ny fiainako sy ao amin’ny fiainanao Jesoa amin’izao maraina izao.
Izao ny fahamarinana telo hitantsika :
- Fahamarinana 1 : Tongava mianatra Soratra Masina ary aza mahafoy ny fiaraha-mivavaka aty am-piangonana
- Fahamarinana 2 : Jesoa manafaka anao amin’ny rofinao ara-panahy sy ara-batana
- Fahamarinana 3 : Ny fametra-tanana manasitrana sady manome ny Fanahy Masina hanangana
Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo ry havana. Amena