ALAHADY 27 JAN 2019

image_pdfPDF

1 Petera 2:9 : « Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, "fanjaka-mpisorona, firenena masina" (Eks. 19.6), olona nalain'Andriamanitra ho an'ny tenany mba hilazanareo ny hatsaran'ilay niantso anareo hiala tamin'ny maizina ho amin'ny fahazavany mahagaga ».

Petera nanoratra an’ity Epistily ity ho an’ny Fiangonana tany Asia minora, any Turquie amin’izao fotoana. Turquie tapany avaratra sy atsinanana no nanoratany an’io, ho an’ireo kristiana mpino nandray an’i Jesoa Kristy tany. Petera mbola tsy tany, fa vokatry ny asa fitoriana ny filazantsara nataon’i Paoly sy ny namany no nahatonga ny Fiangonana nitsangana tamin’iny faritra Asia minora iny. Fa naninona i Petera no nanoratra ho an’ireo Fiangonana ireo ? Noho ny zava-nisy tany, noho ny fahafantaran’i Petera ny zavatra nanjo ny krisitiana tamin’iny faritra Asia minora iny. Fa inona no nanjo ny kristiana tamin’izany faritra izany ? Noeson’ny mpiara-monina taminy izy. Inona no nahazo ireo kristiana tany ? Ampangain’ny olona ho mpanao ratsy ireo kristiana ireo. Inona no nahazo ireo kristiana ireo ? Mitatao aoban-dohany ny fanenjehana mamaivay ho an’ny fivavahana kristiana. Dia ireo zavatra telo ireo no nahatonga an’i Petera nanoratra ho an’ireo Fiangonana niely patrana tany Asia minora ireo. Fanesoana ny fijoroan’ireto kristiana ireto, noesoesoan’ny fiaraha-monina izy ; ny fahasahiany nijoro amin’ny fahamarinana, amin’ny fahamasinana, dia naratsian’ny olona ny fiainany. Ary satria niroborobo ny fivavahana kristiana dia nenjehina, nopotehina, noravàna izany. Dia nanoratra i Paoly, nanoratra i Petera, ary eo no ahitana hoe isikabna dia maro aza dia iray ihany ao amin’ny Tompo. Marina fa asan’i Paoly ny tany, asan’ireo mpiara-miasa amin’i Paoly ny tany, fa nahatsiaro i Petera manana adidy amin’ny vahoakan’Andriamanitra, amin’ny tontolon’ny kristiana, dia nanoratra izy. Paoly nantsoina hitory amin’ny jentilisa, Petera hitory amin’ny jiosy. Ary izay angamba no nahatonga an’i Petera , raha nanoratra, dia nampitahainy tamin’ilay jiosy fahiny ireto kristiana niova fo, lasa mpanaradia an’i Kristy ireto, ka nahatonga azy nanao fanoharana hoe : « Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, "fanjaka-mpisorona, firenena masina" (Eks. 19.6), olona nalain'Andriamanitra ho an'ny tenany mba hilazanareo ny hatsaran'ilay niantso anareo hiala tamin'ny maizina ho amin'ny fahazavany mahagaga ». Ary ao anatin’io andalan-tsoratra Masina io dia misy kian-teny anankiroa : ny kian-teny voalohany dia hoe : « FA » ; ary ny kian-teny faharoa dia hoe : « MBA ». Maninona moa ireo kian-teny ireo no ampiasaina matetika ? Ampiasaina ny kian-teny hoe : « Fa » rehefa anambara fiavahana na fiovana ; ary ambara ny kian-teny hoe « mba » rehefa miantso na mitaona ny olona ho amin’ny zavatra na asa takiana ataony. Dia ireo zavatra roa ireo no hojerevantsika amin’ity anio ity : ilay « fa » sy ilay « mba ». Inona ilay « Fa » ? Ilay fiavahana. Inona ilay « Mba » ? Ilay zavatra andrasana na takiana vokatr’ilay fiavahana.

Izao no zavatra nambaran’i Petera :« Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, "fanjaka-mpisorona, firenena masina" (Eks. 19.6), olona nalain'Andriamanitra ho an'ny tenany ». Inona ireo fiavahana 4 ireo izay nambaran’i Petera ho an’ireto olona nandray ny filazantsara nanaiky an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy ny fiainany?

  1. Taranaka voafidy

Tahaka ny taranak’i Abrahama voafidy, tahaka an’i Isaka voafidy, tahaka an’i Jakoba voafidy : taranaka voafidy. Ny fifidianana dia izao : misy maro eo, fa misy sintomina na avahana nofidiana tao anatin’ny maro. Ary izany taranaka voafidy izany dia ho an’Andriamanitra, hiaina hiaraka amin’Andriamanitra, hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Dia izay no tenenin’i Petera : taranaka voafidy ianareo ; ianareo izay tsy firenena akory taloha, izay tsy olon’Andriamanitra ; nofidian’Andriamanitra ianareo noho ny amin’i Jesoa Kristy.

Ry havana malala ao amin’ny Tompo, mba hazonao an-tsaina ve izany hoe taranaka nofidin’Andriamanitra izany ? Ny mampiavaka izany ? Ny maha-sarobidy izany ? Fa matoa tonga eto koa ianao, dia taranaka voafidy. Ary raha taranaka voafidy ianao, dia mila mijery ny fiainanao miaraka amin’Andriamanitra, ary mila mampita ny fiainanao amin’Andriamanitra ho an’ny taranakao ihany koa. Kanefa izao no tadidio : raha tsy miverina amin’i Dada ianao, tsy afaka mitsinjo ny zanaka amam-para, dia tsy ahazo hery vaovao. Fa rehefa miverina amin’Andriamanitra ianao, Dada, dia hitsinjo ny taranakao ianao, ny zanaka amam-paranao, taranaka voafidy, dia hahazo hery vaovao mandrakariva ny fiainan’ny ankohonanao. Fa firy ny fiainan’ny ankohonana tsy misy hery vaovao intsony ? Firy ny fianakaviana ankehitriny miaina ao anaty fijaliana ?  Fa ataovy devoir enti-mody fa tsy devoir mody entina, ny Salamo 78, amin’izany hoe taranaka voafidy izany. Salamo 78:1-7 : «Henoy ny lalàko, ry oloko; atongilano ny sofinareo amin'ny tenin'ny vavako. Hiloa-bava hilaza fanoharana aho; hanonona teny saro-pantarina fony taloha aho. Izay efa rentsika sy fantatsika,ary nambaran'ny razantsika tamintsika, Dia tsy mba hafenintsika amin'ny zanany; fa hambarantsika amin'ny taranaka ho avy ny fiderana an'i Jehovah sy ny heriny ary ny fahagagana izay efa nataony. Fa nanorina teni-vavolombelona teo amin'i Jakoba Izy, ary teo amin'Isiraely no nametrahany lalàna, izay nandidiany ny razantsika, hampahafantariny ny zanany; Mba hahafantatra izany ny taranaka ho avy - dia ny zaza mbola hateraka - ka hitsangana hitory izany amin'ny zanany kosa, Mba hametraka ny fanantenany amin'Andriamanitra, ka tsy hanadino ny asany, fa hitandrina ny didiny ». Izany ny taranaka voafidy : mampita fanilo ho an’ny zanany taranaka voafidy. Ny lova tsara indrindra avelanao ho an’ny zanakao, dia Jesoa Kristy. Jesosy irery ihany, ilay filazantsara soa, no lova tsara indrindra apetraho amin’ny taranakao. Torio amin’ny zanakao izany, ambarao aminy fa na ny zaza mbola hobavy aza mila ampahafantarina izany. Ny tena zava-doza amin’ny fivavahana kristiana, tsy ny firongatry ny slamo, tsy ny athéisme, tsy ny matérialisme, fa ny tena zava-doza indrindra amin’ny fiainana kristiana dia ny tsy fampitàna ny finoana amin’ny taranaka mandimby. Fa rehefa tsy miampita io, dia miova ny tantara. Lyban anie firenena kristiana e, 50 taona lasa izay ;75 taona lasa tany aloa tany, kristianisme no nanjaka ; fa amin’izao fotoana manao ahoana ? Mivadika ny tantara satria tsy niampita tamin’ny taranaka ilay hoe nofidianan’Andriamanitra antsika ao amin’i Jesoa Kristy. Jereo Angleterre, ny fitoriana ny filazantsara taty amintsika ; fa amin’izao any Angleterre, raha Fiangonana ohatran’izao, dabilio no betsaka noho ny olona. Satria maninona ? Tsy miampita amin’ny taranaka ilay fifidianan’Andriamanitra, ilay famonjen’Andriamanitra, ilay fitiavan’Andriamanitra. Fihavanana voalohany : taranaka voafidy ianao. Voafidy hanao inona ? Ho an’Andriamanitra ao amin’i Jesoa Kristy.

  1. Fanjaka-mpisorona

Tsy ny rehetra no mpisorona fa ny taranak’i Levy . Fa na tao amin’ny zanak’Isiraely aza, mbola nisy nofidiana manokana, diabny taranak’i Levy.

Inona moa no tena antom-pisian’ny mpisorona ? Nanaompo an’Andriamanitra ; hitondra am-bavaka ny olona eo anatrehan’Andriamanitra. Ka raha fanjaka-mpisorona isika, inona no antom-pisiantsika ? Raha izaho sy ny ankohonako, dia hanompoban’i Jehovah izahay. Raha fanjaka-mpisorona ianao, dia antsoin’Andriamanitra ianao hanompo Azy. Ary amin’Andriamanitra, tsy misy an’izany hoe avia dia matoria, fa ao amin’Andriamanitra diabizao : Avia dia mitoria. Tsy miantso ny olona ho spectateur Andriamanitra, fa niantso ny olona ho acteur rehefa miaraka Aminy. Ka raha fanjaka-mpisorona ianao, dia izao no mila tadidiana hoe : ny hanompo an’Andriamanitra no niantsoan’Andriamanitra anao.

Ry havana malala ao amin’ny Tompo, fanjakana inona ianao ? Fa ny fanjaka-mpisorona dia manokana ny fiainany ho an’Andriamanitra. Ny fanjaka-mpisorona dia nivavaka mitondra ny olona teo anatrehan’Andriamanitra. Fa raha fanjaka-mpisorona ianao, mbola misy ve ny fiaraha-mivavaka ao an-trano ? Sa misy ihany fa ilay in-3 isan’andro ? Indraindray ary hoe indray mandeha isan’andro, satria maninona ? Tsy miara misakafo intsony ny maraina, tsy miara misakafo intsony ny hariva , fa ny hariva ihany vao manao hoe : « Atreho ny sakafonay, Jehovah Mpanome ny soa, velominao ny tenanay, ny sainay hatanjaho koa. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy no angatahinay izany. Amena ». Fa raha fanjaka-mpisorona ianao, atsangano ao an-trano indray ny fiaraha-mivavaka. Ajanony ny télé, esory ny téléphone :makà fara-faharatsiny 5mn ho an’ny ankohonana, raha fanjaka-mpisorona ianao.

Fa raha fanjaka-mpisorona koa ianao dia manana soatoavina lalaina : fa ny soatoavin’ny mpisorona, fara-fahakeliny, anaky telo :

  1. Fahamasinana : ary izay no nahatonga ilay Malakia teo : « Raha Ray Aho, aiza ary izay hajako ? Raha Tompo Aho, aiza ary izay tahotra Ahy ? ». Ry havako, raha fanjaka-mpisorona ianao, soatoavina manao ahoana no lalainao ao an-trano ? Fa ny soatoavin’ny fanjaka-mpisorona dia fahamasinana. Manao ahoana ny fiainam-pahamasinana ? Fa rehefa ety ivelany ny olona masimasina daholo, fa rehefa ao an-trano, mba manao ahoana ?
  2. Fanompoana : raha nifidy anao Andriamanitra, ny fiainana nifidianany anao dia hanompo fa tsy ho tompoina. Ary izany no olana ankehitriny : te hotompoina daholo ny olona rehetra. Fa raha miaraka amin’i Kristy ny olona dia izao, hoe : ny fiainana miaraka amin’i Kristy dia fanompoana.
  3. Fitiavana :fitiavana an’Andriamanitra ary fitiavana ny olona manodidina.

Ry havana, mbola manjaka ve ny FFF ao an-trano ? Mbola mipetraka tsara ve ny 3F ? Ka ts’ilay hoe mipetraka ihany fa tsy iainana ? Fa ny soatoavin’ny fanjakan’Andriamanitra, fanjaka-mpisorona dia fahamasinana, fanompoana ary fitiavana.

  1. Firenena masina

Ny dikan’ny hoe « masina » dia izao : « mis à part », voatokana. Ary ny firenena natokan’Andriamanitra, tahaka ny firenen’Isiraely, dia manana lalàna manokana, manana fitondran-tena manokana, manana vina manokana. Ka raha firenena masina isika, aoka ny lalàn’Andriamanitra no itondranao ny fiainanao eo anivon’ny ankohonanao, ny fabndaminan’Andriamanitra no handaminanao ny fiainan-tokantranonao ao an-tranonao. Ary raha firenena masina isika, aoka ho fitondran-tena manokana, mifanaraka amin’ny maha-firenena masina, ny fitondran-tenanao.

Misy fanadihadiana natao tamina firenena milaza azy ho kristiana, tao anatina toeram-piasana anankiray. Dia natao ny fanadihadiana : ato amin’ity toeram-piasana ity, ireto no mivavaka, ireto no tsy miditra am-piangonana. Dia natao ny fanadihadiana. Rehefa natao ny fikarohana manao hoe iza no tonga ara-potoana ao am-piasana ? Iza no tsy mandainga rehefa asaina manao facture ? Iza no mandoa ara-dalana ny hetra na ny impôts ? Be dia be ilay fanadihadiana, fa ny vokatr’ilay fanadihadiana dia izao : ohatrany kely fotsiny ny elanelan’ny olona tsy mivavaka sy izay olona mivavaka. Dia nivoaka ny conclusion an’ilay izy : tsy ny fidirana am-piangonana no maha-masina ny olona anankiray.

Fa jereo Madagascar, feno Fiangonana, fa jereo ny fomba fiainana. Ka raha firenena masina isika, dia tokony hita amin’ny fitondran-tena masina izany. Citoyen, manana fomba fiasa hafakely. Ary izany anie no nahatonga ny olona nanenjika ireo kristiana ireo e, nanaratsy an’ireo kristiana ireo e.

Ry havana : « Ry tanindrazanay malala o, ry Madagasikara soa » : vavaka anie izany e ; fa saingy izao : inona no fiatraikan’ilay taranaka voafidy amin’ny fiainan’ny firenena ? 2 Tantara 7:14 : « raha ny oloko izay nantsoina amin'ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin'ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny ». Fanasitranana ny tany ve ? Any amin’i Dada ihany io : « Rainay o izay any an-danitra » : fiverenana amin’Andriamanitra

  1. Olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany

An’iza ianao azafady ? Na ianao an’Andriamanitra, na ianao an’ny devoly. Fa raha an’Andriamanitra ianao dia izao, hoe : tsy tompon’ny fiainanao intsony ianao fa fiainana manan-tompo ny anao, dia mahatonga anao hiteny manao hoe : « Tompo o, tsy izaho intsony anie no velona e, fa ianao no velona ato anatiko ».

Fianana mana-tompo : noho izany , navahan’Andriamanitra isika amin’ilay « FA ».

Dia mivoaka amin’izay ilay kian-teny faharoa : « MBA » : « mba hilazanareo ny hatsaran'ilay niantso anareo hiala tamin'ny maizina ho amin'ny fahazavany mahagaga ». Zavatra 4 no nanavahana antsika, fa 3 no takin’Andriamanitra amintsika :

  1. Hilazanareo ny hatsaran’ilay niantso anareo

Hoy ny Romana 10:17 : « Koa ny finoana dia avy amin'ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin'ny tenin'i Kristy » Inona no miteraka finoana ao amin’ny olona ? Ny torireny. Ianao ve mba efa nitoriteny ? Satria ny antony niantsoan’Andriamanitra anao dia mba hilaza ny hatsarany. Ary izany milaza izany, tsy hoe ny ahy ny fiainako no miteny. Marina izany. Fa mila miteny ny vavanao. Ary izay ilay olana : be dia be ny olona milaza ny tenany ho kristiana, fa matory fa tsy mitory. Hono hoa, inona no takin’Andriamanitra amintsika ? Mba hilaza ny hatsaran’ilay niantso anareo.

Ry havana, milaza ny hatsaran’Andriamanitra ve ny vavanao ? Inona moa ny hatsaran’Andriamanitra, ny filazantsara ? Kristy maty hamonjy anao, nanala anao amin’ny maizina ho amin’ny fahazavana.

Nalainy ho solom-bavany ianao. Tsara rehefa voafidy ho solom-bavam-bahoaka ; fa tsara lavitra rehefa voafidy ho solom-bavan’ny Tompo. Tsy voatery handray micro ianao vao mitoriteny. Fa miresaka ny famonjena ve ianao amin’ny zanakao ? Amin’ny vadinao ? Amin’ny mpiara-miasa aminao ? Amin’ny mpiara-mianatra aminao ?

  1. Hifady ny ratsy

1 Petera 2:11 « Ry malala, mananatra anareo aho, satria vahiny sy mpivahiny ianareo, fadio ny filan'ny nofo, fa miady amin'ny fanahy ireny ». Ny mahatonga ny olona tsy mivavaka dia ny ataon’ny mpivavaka ihany. « Aleonay ihany tsy mivavaka ; ireny hono no mba miseho mivavaka, jereo ary ny fiainany ». Efa nahare an’izany ve ianareo ? Satria izao no tadidio : « Ce que tu fais crie plus fort que ce que tu dis ». Izay zavatra ataonao no mikikika ren’ny olona kokoa noho ny zavatra teneninao. Noho izany, ilay fiainanao taranaka voafidy, fanjaka-mpisorona, firenena masina, olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany, dia fiainana miala amin’ny ratsy, miady amin’ny ratsy. Fa be dia be no manova ny vavaka nampianarin’ny Tompo an. « Aza mitondra anay any amin’ny fakam-panahy, fa efa hitanay ny lalana mankany ».

Ry havana, fanjaka-mpisorona ianao ? Taranaka voafidy ianao ? Aoka hiady amin’ny ratsy ny fiainanao

  1. Ho tsara ny fitondran-tena eo amin’ny jentilisa

1Petera 2:12 : « ary aoka ho tsara ny fitondran-tenanareo eo amin'ny jentilisa, mba hankalazany an'Andriamanitra amin'ny andro famangiana noho ny ahitany ny asa tsara ataonareo, dia izay anendrikendrehany anareo ho mpanao ratsy ». Ry havana, mandehana mivoaka fa ny maha-kristiana antsika, ny maha-taranaka voafidy antsika, tsy aty am-piangonana fa any amin’izao tontolo izao.

FEHINY : Fantatrao ve Andriamanitra, Ilay nanome an’i Jesoa Kristy ka nanekenao izany ? Dia nofidiany ny taranakao satria : « Minoa an’i Jesoa Tompo dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao ». « Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, "fanjaka-mpisorona, firenena masina" (Eks. 19.6), olona nalain'Andriamanitra ho an'ny tenany mba hilazanareo ny hatsaran'ilay niantso anareo hiala tamin'ny maizina ho amin'ny fahazavany mahagaga ».

Amena

image_pdfPDF