ALAHADY 12 MEY 2019

image_pdfPDF

Mihaino ny hiran’ny SLK teo aho ry havana dia nahafinaritra mihitsy ilay fiverenana hoe : « ho tena mpianatr’i Kristy ». Enga anie ka hoe tsy ho hira fotsiny izany m, fa tena hoe mpianatra ianareo rehetra ireo, « tena mpianatr’i Kristy ». Ary izay ilay asan’ny Fanahy Masina ry havana, ilay perikopa androany, dia tena hoe mamaofy izany atao hoe lehilahy tian’Andriamanitra izany. Enga anie ka ho lehilahy tian’Andriamanitra ianareo. Ary miankina aminareo izany e, miankina aminareo izany. Izy ve moa tsy ho tia ny olona rehetra, fa mba ho lehilahy, araka ny 5 minitra teo, ohatran’i Noa ianareo. Miankina aminareo izany ry havana o, miankina aminareo izany. Ary ny perikopa koa dia mamoafy ny hoe « tena mpianatra, tena mpianatr’i Kristy ». Ary dia ho izany tokoa ianareo ry havana o.

Ahoana ary izany hoe lehilahy tena mpianatr’i Kristy izany ?

Jerentsika ny Matio 10 :42 : «Ary na zovy na zovy no manome rano mangatsiaka na dia eran'ny kapoaka ihany aza hosotroin'ny anankiray amin'ireo madinika ireo, satria mpianatra izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany ». Misy RESAKA MPIANATRA eto. Omena rano hosotroina, satria mpianatra izy.

Ny fanontaniana voalohany ry havana dia hoe : REHEFA MIJERY ANAREO VE NY FIANGONANA, DIA AFAKA MITENY IZY HOE NY SLK IRAY SAMPANA DIA MPIANATRA ? Eto mantsy, izay ilay izy : mijery ny mpianatr’i Jesoa ny Fiangonana dia hoe : ireo, mpianatry ny Tompo ireo, ireo sahirana ara-pivelomana ireo , andao omena rano kely anampiana azy. Ny rano tamin’io vanim-potoana io dia hoe sarotra, satria ilay ohatra alain’ny Tompo dia hoe rehefa tonga ny lohataona dia ritra ny rano. Maro ireo loharano ritra dia ohatran’ny hoe rare ilay rano. Dia ilay olona mantsaka, mivarotra azy eny an-tsisin-dalana dia somary lafo ilay izy na dia hoe rano eran’ny kaopy aza. Fa rehefa mahafantatra mpianatra ny vahoakan’Andriamanitra sy ny Fiangonana dia hoe, andeha omena maimaim-poana. Satria maninona ? Mpianatry ny Tompo io. Tsy ny fitiavana ny namana aloa, fa hoe omena rano izy satria mpianatra.

Ry SLK o, rehefa mijery anareo ve ny Fiangonana, dia mahita mpianatr’i Jesoa ? Ilay mpianatra eto : disciple ry havana o, disciple. Ary izay no firariana ho anareo mpianatry ny Tompo. Rehefa miteny ny Soratra Masina hoe, antsoin’ny Tompo hoe : hosotroin’ny anankiray amin’ireo madinika ireo, ilay madinika dia tena hoe tenim-pitiavana, tena tenim-pitiavana : ireo zandrikeliko ireo, ireo zanako ireo, ireo vao nantsoiko amin’ny mpianatra, mbola mareforefo finoana, mbola kely fahalalana. Mareforefo finoana ireo, kely fahalalana ireo ; isika rehetra no mareforefo finoana, kely fahalalana, fa antsoin’ny Tompo hoe : madiniky ny Tompo ianareo, ianareo mpianany. Tsy manameloka antsika ny Tompo ry havana amin’izao isika hoe mbola marefo finoana sy kely fahalalana izao, fa isika izao, ny SLK, isika rehetra no tiany atao hoe disciple ry havana o, tiany atao hoe disciple. Ary enga anie no hiteny hoe : izaho ilay nihira hoe tena mpianatr’i Kristy, fa izahay Fiangonana hiteny hoe, raha i raanona indray, dia tena disciple an’i Kristy ry havana o. Izay ilay antom-bavaka, izay ilay fanamby.

Ary ahoana no ahafantaran’ny olona fa disciple ianareo ? Tena hoe mahatsiaro nareo hoe solon’Andriamanitra, solon’i Kristy. Jerentsika anie ilay Matio 10 :40 teo e : « Izay mandray anareo dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray
Izay naniraka Ahy ».
Izay mandray anareo ireo dia mandray an’i Jesoa, ary izay mandray an’i Jesoa dia mandray an’izay naniraka Azy. Sady solon’i Jesoa isika, solon’Andriamanitra isika rehefa mety ho mpianatra ry havana o. Mino aho, fa izaho mbola tsy tany amin’ny gouvernement sy ny karazany, fa rehefa misy olona irahina hisolo tena an’i Minisitra ary amin’ny hetsika ohatran’izao na hoe solotenan’ny filoham-pirenena, tretrika ery izy. Isika ry havana o, solotenan’ny Mpanjakan’ny mpanjaka isan’andro, isan’andro vaky izao. Tsy vaovao mahafaly ve izany ry havana, hoe solon’i Jesoa, solon’Andriamanitra. Fa izao : ny mpianatra ihany no solon’i Jesoa, ny mpianatra ihany no solon’Andriamanitra. Ny mpino tsotra tsy solon’Andriamanitra, Matio 10 :40-42 ry havana o.

Ary rehefa solon’i Jesoa ianao, solon’Andriamanitra ianao, solon’ilay Mpanjakan’ny mpanjaka : ianao mpianatra, ianao disciple, mahita anao izy, dia faly ny Fiangonana, satria hoe mpampatsiahy an’i Jesoa ianao e. Jesoa izay tsy hita maso ; mpampatsiahy an’Andriamanitra ianao, hoe velona Andriamanitra ry havana o. Ary izaho disciple no porofon’izany. Fa irany aho, irany aho.

Mbola misy misalasala ihany ve ny amin’ny maha zava-dehibe ny antso hoe : mirotsaha e, meteza re ho mpianatra e ; meteza hanana finoan’ny mpianatra e. Fa raha finoana fotsiny, tsy mahavonjy e ! Satria tsy fantatrao ianao miteny hoe izaho mino io, raha minomino foana ianao, raha tsy azonao antoka hoe finoan’ny mpianatra ny finoanao ry havana o.

Mandinika anareo ny Fiangonana dia te hahita mpianatra, tena mpianatra, tena disciple izy ry havana o. Ary efa fantatsika ilay famaritana ny disciple, fa izao no zavatra lazaina farany momba an’ilay hoe maha-disciple, maha-mpianatra ry havana o : une fois ianareo tena nataonareo lehilahy kristiana loha-laharana ao amin’ny fiainanareo Jesoa, une fois hoy aho, ary après an’izay, une fois nareo milaza fa hoe noho Jesoa dia mankahala ny rainareo sy ny reninareo, ny vadinareo sy ny zanakareo, ny rahalahinareo sy ny anabavinareo, eny na ny ainareo aza, iray izay ; une fois nareo Slk manaiky hitondra ny hazofijalianareo, ary une fois nareo Slk manaiky ahafoy  izay rehetra anananareo, ho an’i Jesoa, dia ho mpianatra ianareo. Dia inona ny teny fampanantenana ? Jerentsika anie ny havana ny Jaona 6 :57, satria ianareo solon’i Jesoa, satria ianareo solon’Andriamanitra, satria ianareo irak’Andriamanitra, jereo ny teny fampanantenana ao amin’ny Jaona 6:57 ho an’ny mpianatra ry havana o : « Ary tahaka ny nanirahan'ny Ray velona Ahy, ary Izaho koa velona amin'ny Ray, dia tahaka izany koa izay mihinana Ahy no ho velona amiko ». Satria nareo nirahin’ny Ray, manaiky ho mpianatra ianareo, nirahin’ny Ray ianareo, dia hoy Jesoa hoe « velona amin’ny Ray », manana qualité de vie hafa ianareo, fiainan’ny Ray no ho fiainanareo ry havana o. Ary fantatry ny Fiangonana izany, atonin’ny Fiangonana izany, tadiavin’ny Fiangonana izany, ny olona ohatran’izany, hoe tena hafa mihitsy ilay ranamana iny, hafa mihitsy iny Slk anankiray iny, fa tena hoe velona amin’Andriamanitra izy, ary velona amin’i Jesoa izy, ary ny disciple ihany no manana an’izany fiainana hafa indrindra izany ry rahalahy malala o.

Izay no fahamarinana voalohany, hoe : mandinia tena ianareo, rehefa mijery anareo ve ny Fiangonana dia hoe iry dia tena mpianatr’i Kristy fa ndeha ho ampiako ?

Ny fahamarinana faharoa ry havana dia izao : NY TENA MPIANATR’I KRISTY DIA TSY MANIMBA

Ny mpianatr’i Kristy, ny disciple, dia tsy manimba. Jerentsika ny Genesisy 6 :9-11 : « Ary izao no tantaran'i Noa: Noa dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny teo amin'ny olona niara-belona taminy; eny, niara-nandeha tamin'Andriamanitra Noa. Ary
Noa niteraka zanaka telo mirahalahy , dia Sema sy Hama ary Jafeta. Ary simba ny tany teo anatrehan'Andriamanitra sady heni-doza ».
Simba ny tany teo anatrehan’Andriamanitra, satria maninona ? Satria ratsy saina, ratsy eritreritra ny olombelona tamin’izany fotoana izany, isan’andro isan’andro, marain-tsy hariva. Fa Noa ry havana, tsy ao anatin’izay olona kilasin’Andriamanitra hoe mpanimba ny tany izay. Ny tena mpianatra dia tsy manimba ry havana o. Tsy manimba ny tany, tsy manimba Fiangonana, tsy manimba ny ankohonany. Ny tena mpianatra tsy manimba.

Inona no ohatra omen’i Noa eto ry havana ahafantarana hoe lehilahy tsy mba nanimba izy ? Mazava be eto. Ilay and.9 dia hoe : « Noa dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny teo amin'ny olona niara-belona taminy; eny, niara-nandeha tamin'Andriamanitra Noa ». Niara-nandeha tamin’Andriamanitra Noa. Satria izy niara-nandeha tamin’Andriamanitra ry havana, dia araka ilay didy amin’ity volana ity, possible taminy ny nanana fahamarinana teo anatrehan’Andriamanitra, teo anatrehan’i Jesoa e ; satria izy niara-nandeha tamin’Andriamanitra, possible taminy ny nandeha tamin’ny fahitsiana, raha ny olona rehetra tao anaty tsy fahamarinana ka mpanimba ny tany, izy niara-nandeha tamin’Andriamanitra.

Misy teny voalohany hoe « lehilahy », fa araka ilay efa nolazaina, ny maha-samihafa an’ireto teny hebreo ireto dia ity faingo kely ity. Io ilay hoe « i » io amin’ny hebreo. Io « i » io tsy eo intsony amin’ilay faharoa. Ka io « i » io no maha lehilahy ny lehilahy. Ka rehefa tsy eo ilay « i » io, ilay lehilahy lasa afo ; afo mandevona isika lehilahy rehefa tsy eo io « i » io ; afo manimba isika lehilahy rehefa tsy eo io « i » io. Io « i » io, ny fanalavana an’io « i » io dia Jehovah ry havana, ny fanalavana an’io « i » io dia Jesoa. Lehilahy manana an’i Jesoa eo afovoan’ny fiainanao ve ianao ry Slk, ry Fiangonana o ? Eo amin’ny fiainanao ve Izy sa aty Izy, sa aty Izy ? Sa tsy eo mihitsy Izy, ka afo mandevona vady, afo manimba zanaka ianao, nefa aty am-piangonana mba ohatran’izao sy ohatran’izao ry havana o ?

Lehilahy tsy mmanimba, izany no tena mpianatr’i Kristy satria miara-mandeha amin’i Jehovah. Dia andao anie jerentsika hoe ahoana izany Noa miara-mandeha amin’i Jehovah izany. Jereo ilay Genesisy 7 ry havana, Genesisy 7:5 : «Ary
Noa nanao araka izay rehetra nandidian'i Jehovah azy ».
Izany ny olona mandeha miaraka amin’i Jehovah ry havana o, manao araka izay rehetra andidian’i Jehovah azy. Tsisy olona mandeha miaraka amin’i Jehovah ka manohitra ny teniny, tsisy olona afaka miteny hoe mandeha miaraka amin’i Jehovah ka tsy manokatra Baiboly na mankatoa e. Henontsika tamin’ny vakin-teny teo fa hoy Andriamanitra tamin’i Noa hoe ny alavan’io an, ataovy 300 hakiho, ny alavan’ilay sambo fiara izany :ataovy 300 hakiho. Dia eo ve ianao dia hiteny hoe Jehovah an, Jesoa an, izany hoe 300 hakiho izany mantsy dia hoe lava noho-na stade de foot-ball izany : « ahoana no ahavitana an’izany ry Jesosy an ? Atsasak’izany ve dia tsy ho ampy e ! ». Dia firy moa, 50 hakiho moa ilay largeur-ny teo, tsy tadidiko intsony, 300 hakiho – 50 , hakiho 30 ny ahavony. Hakiho 30 izany lazain’ny mpandinika hoe trano 4 étages izany. « Sao dia avo loatra e, raha 2 étages ve tsy efa ampy Jesosy an ! ». Dia raha ankinina amin’ny sampana Slk izany hoe amboary kely ilay fiaran’i Jehovah io, dia hoe : « o ry Pasitera an, aiza no ahavitanay Slk an’izany ? ». Ka izany no tenin’i Jehovah tompoko o. Hankatoa ve ianareo ? Hanetry tena ve ianareo e ? Izay ilay izy : hanetry tena, hanaiky ve ianareo Slk ? Isika Fiangonana no teneniny amin’ny alalan’ny Slk. Sa ianareo hiteny hoe : « an an an, ny antsika 20 hakiho ihany dia efa ampy izany e, fa io nge Pasitera tsy maintsy miteny, na ny devoly tsy maintsy manakana rehefa mandroso ny asan’Andriamanitra e. Tsia ry havana o. Ny olona mandeha miaraka amin’i Jehovah dia manao ohatran’i Noa : araka izay rehetra andidiana azy, n’inon’inona fahaizany, n’inon’inona fahendreny, n’inon’inona toe-panahiny : atao anaty fandaminana izany asam-piangonana izany. Fa izany hoe asam-piangonana tsy atao anaty fandaminana izany, tsy atao ho an’Andriamanitra izany, fa avy amin’ny devoly izany, ary ho an’ny devoly izany.

Dia milaza izy hoe 50 hakiho ny sakany : izay ilay izy ry havana o, dia nataon’i Noa, araka izay rehetra nandidian’i Jehovah azy. Tsy nahitana mihitsy commentaire fimenomenomana avy amin’i Noa ry havana o. Ary izy manao izany sambo faran’izay makadiry izany, tsy eny amoron-dranomasina anie Noa no manamboatra sambo e, ka hoe normal hoe misy planin’Andriamanitra ; fa ary afovoan-tany ary izy, ary amin’ny tany maina tsisy orana ary izy no asain’Andriamanitra manamboatra sambo fiara, fa hoe hisy safo-drano handringana ireo olona ratsy fanahy ireo. Izay ilay finoana ry havana o : mankatoa amin’ny antsipiriany izay tenin’Andriamanitra. Ary izay no vavaka atao ho aminareo Slk, ho antsika rehetra rehetra, tsy ho isika indray no mpanolana teny, ary tsy isika indray no hampianatra ny zanatsika, rehefa mba sendra mamaky Baiboly isika, hoe : an, io anie tsy ohatran’izany, tsy tokony ho raisina ara-bakiteny ohatran’izany io e, fa izao no hevitr’io ; tsia ry havana o. Tsia. Lehilahy mpanimba izany, mpanimba Fiangonana izany, mpanimba ankohonana izany. Enga anie ka tsy hisy lehilahy mpanimba eto amin’ity fitandremana ity.

Fa amarihana farany momba an’i Noa ry havana, dia izao : tsy mitovy hevitra ny mpandinika ny amin’ny fe-potoana nanamboaran’i Noa io sambo fiara io. Fantatra fa makadiry be, nanana mpanampy izy, fa dia mielanelana eo ami ‘ny 80 sy 100 taona ny nanamboarana an’io sambo fiara io ry havana. Ary ampovoan-tany izy ; fa Noa nino, Noa naharitra. Mba alaivo sary an-tsaina izany, hitan’ny iray tanàna anie raha ato Isoraka hanao sambo fiara ohatran’izany e, dia mandeha eny ny olona, dia efa manomboka maka endriny ilay izy , dia manamboatra azy eo Noa dia mandalo ve ilay voisin : «Ah, miarahaba dadatoa an, mandroso ve izy izao e ? » ; milamina fotsiny i Noa. Ny dikan’ny hoe Noa dia hoe « repos, tranquillité » : lehilahy milamina i Noa. Hadrohadroan’ny olona izy, milamina fotsiny : « ka ahoana zoky an, inona moa ity izany e, trano sa sambo fiara e ? » : milamina izy, milamina Noa ry havana. Fa izao : 80 taona hatramin’ny 100 taona izy no nanamboatra sambo fiara, firy polo taona no nampiasana ilay sambo fiara ry havana ? 40 andro, 40 andro. 40 andro monja no nampiasana ny sambo fiara namboarina nandritra ny 80 taona. Mampieritreritra izany ry havana, satria ilay fiainan’i Noa izany, ampahany betsaka amin’ilay fiainan’i Noa, natao mba hankatoavana an’Andriamanitra sy hialana amin’ny fandringanana azy Noa, ny ny fandringanana ny ankohonany ry havana o. Tsy Noa irery no vonjena, fa ny ankohonany koa voavonjy. Ny fiainanao, ny fiainanao tena mpianatr’i Kristy, ny fiainanao lehilahy tsy manimba, ampiasao ny 80 taona iainanao ety, mba hanomananao andro tokana, dia ilay andro fitsarana izay miandry ahy, sy miandry anao ry havana o. Ary aza diso kajy ianao, aza diso kajy ianao : raha ny hafa hivelona ao amin’ny tsy fahamarinana sy ny tsy fahitsiana, ianao fantaro fa hoe, satria miara-mandeha amin’Andriamanitra ianao, dia hisy izany andro iray izany, izay omanintsika mandritra ilay 60,70,80 taona iainantsika eto amin’ity tany ity.

Ny fahamarinana fahatelo farany ry havana dia ao amin’ny 3 Jaona 2 : « Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin'ny zavatra rehetra anie ianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany ». NY TENA MPIANATRA DIA MPITONDRA AM-BAVAKA.

Ny Apostoly Jaona araka ny voalaza tsara tamin’ny louange teo, no manoratra an’ity epistily ity ho ana loholona anankiray, ho ana mpino anankiray antsoina hoe Gaio. Dia mijery an’i Gaio izy, dia hoe : Gaio an, tena ambinina ny fanahinao, salama ny fanahinao. Ary mivavaka izaho Jaona mba ho ambinina tahaka an’io fanahinao io ny vatanao, fa mareforefo ny toe-batanao, mararirary lava ianao, dia mivavaka aho mba ho ambinina ianao, mba ho ambinina ny fahasalaman’ny vatanao, tahaka ny efa hanambinana ny fahasalaman’ny fanahinao. Inona moa no dikan’izany ? Io Gaio io ry havana, Gaio dia valim-bavaka, Gaio : valim-bavaka. Ny fahasalaman’ny fanahin’i Gaio dia valim-bavaka. Izaho ohatran’izao, dia satria valim-bavaka – Ianao ohatran’izao, dia satria valim-bavaka ianao. Ary raha fantatrao fa valim-bavaka ianao ry havana o, zavatra tokana no ataon’ny olona valim-bavaka, izay mahatsiaro fa valim-bavaka izy : mba mpitondra am-bavaka koa izy, mpitondra am-bavaka koa izy.

Tsy anontany anareo Slk aho, tsy anontany antsika lehilahy aho, oviana marina loa isika izany no nitondra am-bavaka ny zanatsika e, ny vadintsika ? Izany ry havana o, izany no finoan’ny disciple izany, izany no fiainan’ny disciple izany : mpitondra am-bavaka, mpitondra am-bavaka. Entina am-bavaka izy mba ho salama ny fanahiny, entina am-bavaka izy mba haharitra amin’izany. Haintsika moa ilay eo amin’ny and.4, jereo anie ny 3 Jaona 4 : « Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako ». Io izany, tsy tsapantsika tsara ny maha-sarobidy an’io verset io e. Ilay izy efa hoe zava-dehibe , zava-dehibe ny mandray an’i Jesoa, zava-dehibe ny mandray an’i Jesoa ; fa zava-dehibe lavitra ry havana o, ny maharitra amin’ny fanarahana an’i Jesoa. Izany no ilazan’i Jaona hoe : « Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako ». Mbola mandeha araka ny fahamarinana ny zanako. Hono hoy aho, misy zanatsika ve ato mbola tsy nandray an’i Jesoa ? Ento am-bavaka izy e, ento am-bavaka izy. Misy zanatsika ve efa nandray an’i Jesoa fa nihemotra noho ny antony ? Dia nihemotra any amin’ny lohany izy, hoy Petera amina teny masiaka be izay, nivarina any amin’ny fahalotoana izay efa nialana indray izy : ento am-bavaka izy, ento am-bavaka izy ; dia mba afaka hiteny ianao, hivavaka hidera an’Andriamanitra ianao : « tena faly aho Jesoa, ary tsy manana fifaliana ohatran’izao aho, dia ny andrenesako, ny andrenesako amin’ny alalan’ny Fiangonana, fa tsy izaho no mahita azy, fa mandeha araky ny fahamarinana ny zanako. Ary mifona aminao aho Jesoa an, ny amin’ny nitezaiko an’ireo zanako ireo : tiako ireo mba ho dokotera, tiako ireo mba ho ingénieur, tiako ireo mba ho comptable, tiako ireo mba ho ohatran’izao sy ohatran’izao sy ohatran’izao, tsy norarahiko izany hoe handeha araka ny fahamarinana izany izy, fa misaotra aho ny amin’ny efa namohazanao ahy ho amin’izany. Ary faly aho afaka miteny aminao hoe eny, eny, ary hahita an’izany maraina vaovao izany aho, mivoaka ao an-trano ny zanako, handeha ho any am-piangonana, ary tsy fomba fombam-pivavahana izany fa mandeha, mandeha araka ny fahamarinana izy

Misaotra ny Tompo ny amin’ny hafatra. Tian’ny Tompo ianareo Slk : fantatro fa misy mandray an’izao ny Slk, fa fantatro fa tsy ny 100% no mandray an’izao ny Slk. Fa mivavaka ho anareo ry havana o, mivavaka ho antsika Fiangonana. Fa izao ange, izao ange ry havana o : rehefa milaza amintsika lehilahy, ny vehivavy vadintsika, ny vehivavy vadintsika, tsy mitady président de la république izy ho vady, tsy mitady Pdg izy ho Dada, fa mitady lehilahy tena mpianatr’i Kristy. Ary izany no mission antsika, izany no mission antsika lehilahy ry havana o.

Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo.

Amena

image_pdfPDF