Ny hafatra ho antsika, hafatra ho antsika Fiangonana izay raisintsika ao amin’ny bokin’i Mika sy ny filazantsara araka an’i Lioka ry havana amin’ity Alahady ity, hafatra ho an’ny Fiangonana, Fiangonana izay tsy iza fa ny mpaminany, ny mpaminanin’Andriamanitra eto amin’izao tontolo izao.
Mazana ry havana ny zavatra ao an-tsaintsika rehefa amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra dia hoe : isika mila an’Andriamanitra. Ary izay ilay efa nanentanana antsika hoe hanatona an’Andriamanitra isika, satria tena mila an’Andriamanitra ny fiainantsika. Amin’ity maraina ity ry havana, sarihiko ny sainao : mila an’Andriamanitra isika, ary manome antsika tokoa Andriamanitra ny harem-pahasoavana, ary teny firy firy no efa natefany teo an-tsofintsika ary efa napetrany ao am-pontsika ao.
Fa amin’ity anio ity ry havana, mba hilaza aminao Andriamanitra fa mila anao Izy. MILA ANAO ANDRIAMANITRA ry Fiangonana. Mila anao Andriamanitra.
Ary izany no hafatra voalohany amin’ity anio ity hoe : Ry Fiangonana o, inona moa no ilain’Andriamanitra aminao ? Mika 3 :8b : « Mba hanambara amin'i Jakoba ny helony sy amin'Isiraely ny fahotany ». Inona no ilain’Andriamanitra aminao ry Fiangonana ? Ny valiny dia izao : hanambara ny fahamarinan’Andriamanitra. Ary eto amin’ny bokin’i Mika ry havana, izany sitrapon’Andriamanitra izany dia ny hoe hanambaran’ny mpaminany amin’ny olona ny helony sy ny fahotany, mba hialany amin’izany ary hiverenany amin’Andriamanitra. Hialany amin’ny ratsy fanaony ka hiverenany amin’Andriamanitra. Fa inona ny zavatra nitranga sy niseho ry havana tamin’ny andro izay naminanian’i Mika ? Izao, hoe : tao anaty fahalovana ny firenena Joda, ary Isiraely koa aza. Tao anatin’ny tsy fahamarinana, ny tsy rariny izay namparin’ireo mpitondra fanjakana, ireo lehibe teo amin’ny fiaraha-monina, izay nampahory ny vahoaka madinika tamin’izany fotoana izany. Ary teo anatrehan’izany dia izao : naniraka ny teniny Andriamanitra mba hampibebaka an’ireo olona ireo, fa tsy nanao an’izany ny mpaminany. Mpaminany maro no nirahin’Andriamanitra fa izao : tsy nanao an’izany izy. Ary efa hitantsika, ao amin’ny and.5 ao : « Izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mpaminany izay mampaniasia ny oloko, dia ireo izay manaikitra amin'ny nifiny, nefa mitory fiadanana, ary izay tsy manisy hanina eo am-bavany kosa dia iantsoany hanaovana ady masina » ; and.6 : « Koa izany no hisian'ny alina aminareo, ka tsy hisy fahitana, Ary ny maizina aminareo, ka tsy hisy fankatovana; Fa hilentika tsy hanazava ny mpaminany ny masoandro, Ary ho maizina aminy ny andro ». Vokatry ny tsy fanambarana ny sitrapon’Andriamanitra marina, izay nanirahana ny mpaminany, dia azo lazaina hoe nakipin’Andriamanitra ny mason’ny mpaminany tsy hahita intsony ary tsy hahafantatra intsony ny fahamarinany. Ka na dia mpaminany ihany aza ny anarany, tsy tonga tao aminy intsony ny tenin’Andriamanitra.
Ry Fiangonana o, miantso antsika ny Tompo : inona no ilain’ny Tompo aminao ? Ny hijoroanao ho mpanambara ny fahamarinana eo amin’izay sehatra misy anao. Rehefa miresaka hoe Fiangonana ry havana, dia ny kristiana vita batisa rehetra, izay ny fampianaran’ny Fiangonantsika ; izay no atao hoe Fiangonana. Fa ny sehatra angamba no samihafa : fa misy ny natao hitory teny eny ambony pilopitra, misy ny natao hitory teny ao amin’izay sehatra farany kely izay misy azy ao. Noho izany ry havana, tsy misy na dia iray aza amintsika afaka hiteny hoe tsy manana anjara amin’izany. Fa samy manana ny manandrify azy isika rehetra ho fijoroana sy fanambarana amin’ny olona ny sitrapon’Andriamanitra.
Ry havako malala ao amin’ny Tompo, raha mikombom-bava isika Fiangonana, tsy hilaza ny fahamarinana eo anatrehan’ny fiaraha-monina, eo anatrehan’ny firenena, izay fantatsika fa anjakan’ny tsy marina, ny tsy fahamarinana, anjakan’ny tsy rariny. Fa jereo ny zavatra misy eto amin’ny firenentsika ry havana : fety be, dia fety be amin’izao fotoana izao, misy eto amintsika izany ; raha mandeha ianao dia gaga mihitsy amin’ny fitiavan’ny malagasy fety. Ary ny malagasy rehefa manao fety, tsy maintsy eo iza ? Ny toaka. Ianareo no namaly azy. Tsy maintsy eo ilay maha mamo izay vao fety amin’ny malagasy. Izany zavatra izany iniana atao. Fa raha manontany tena isika ry havana ny tompon’andraikitra izay mpikarakara an’ireny lanonana maro samihafa ireny ve, sy ny tompon’andraikitra izay manome vahana, manome fahafahana anaovana an’ireny zavatra ireny ; moa ve iza amin’izy ireny no tsy zanaky ny Fiangonana ? Iza amin’izy ireny no sahy hiteny fa tsy kristiana ? Noho izany ry Fiangonana, mampahery anao ny Tompo : eo amin’izay sehatra misy anao sy anirahan’ny Tompo anao, na dia sehatra kely aza, na dia eo anivon’ny tokantrano sy ankohonana misy antsika tsirairay avy ao aza, ahirato ny masonao dieny mbola omen’Andriamanitr teny ianao ho lazainao, napetrany eo am-bavanao ho lazainao, ambara amin’izany. Fandrao ho tonga aminao ny maizina, tahaka ny mpaminany izay ambaran’i Mika eto : fa izany no ahatongavan’ny alina aminareo ary dia tonga maizina ny mpaminany na dia mandoak’andro aza, na dia mazava be izao aza ; dia tsy mahita intsony ny lalan-kalehany.
Sambatra isika Fiangonana ry havana mbola vangian’ny Tompo amin’ny teniny isaky ny Alahady izao fara-fahakeliny , ary izany no iantsoan’ny Tompo antsika : ho faly mandray foana ve isika ? Ho faly mitahiry sy manangona ho antsika ? Fa hery omen’ny Tompo antsika izay mba hijoroantsika ho mpanambara ny sitrapon’Andriamanitra, hanala ny olona amin’ny ratsy fanaony mba hiverenany ho amin’Andriamanitra.
Fa mampieritreritra antsika koa, mampandinin-tena antsika koa izay andefasan’ny Tompo mpanompo hanarina sy hanitsy. Izany mihitsy ny asan’ny Fiangonana ; ka raha ianao no voakitikitika, raha voatsindron’ny tenin’Andriamanitra izay ampitondrain’ny mpanompony ianao, sao ianao dia tezitra ? Sao ianao dia miteny hoe : izaho foana koa no tenitenenina ? Fa izany no asan’ny Fiangonana. Dia mampandinin-tena anao izany hoe : raha tsy mandray an’izany asan’Andriamanitra izany ianao, dia mpaminany handrotsirotsy anao, mpaminany hanambitamby anao amin’ny teny tsara lahatra, amin’ny teny mahafinaritra tokoa, izany sisa no ho henonao.
Ry Fiangonana o, ny ilain’ny Tompo aminao : hanambara ny fahamarinan’ny teniny, dia ny teniny izay ampandrenesiny anao matetika io, hijoroanao vavolombelona ny fahamarinan’Andriamanitra, ka hiantsoanao ny mpiara-belona aminao hiala amin’ny faharatsiana.
Ny faharoa ry havana ao anatin’izao bokin’i Mika izao ihany koa, ahoana no hahavitan’ny Fiangonana an’izany hoe fanambarana ny fahamarinan’Andriamanitra izany, ny fanambarana ny fahamarinan’ny tenin’Andriamanitra izany ? Ahoana ? Inona no hery entina manatanteraka an’izany ? Ny tapany voalohany amin’ny Mika 3 :8 ihany ry havana no andeha hovakiantsiaka : « Fa izaho kosa dia feno hery, dia ny Fanahin'i Jehovah, mbamin'ny rariny sy ny faherezana ». Izany ry havana ny hery izay omen’Andriamanitra ny Fiangonana : feno hery, dia ny Fanahy Masina, ny Fanahin’i Jehovah. Izany no nentin’i Mika nijoro teo anatrehan’ireo mpaminany ngeza lahy izay ataontsika hoe efa mpaminany teo amin’ny tontolo izay misy azy, efa nisy mpaminany teo an, mpaminany ngeza mihitsy, fa tsy nanambara ny tenin’Andriamanitra, fa nandefa teny mandrotsirotsy an’ireo mpitondra, ary isan’izany i Isaia, Isaia mpaminany, hitantsika tsara raha mandinika ny bokiny isika, tsy dia mamelively izy ny mpitondra, amin’ny ankapobeany rehefa miteny izy hoe firenena mavesatr’heloka, olona mpanao ratsy, olona mpanao meloka. Izany no ambaran’i Isaia, izany hoe amin’ny ankapobeany. Fa eto i Mika dia tonga mihitsy hiteny amin’ny mpitondra fanjakana ; i Mika izay morastita moa no ilazan’ny mpanoratra azy eto, avy any ambanivohitra kely, 40 kilometatra eo miala an’i Jerosalema no misy azy, ny fiaviany izany ; izany mpaminany kely izany no tonga eo Jerosalema hanambara amin’ny mpitondra sy ny mpanapaka ny tanànà ny fahadisoany sy ny fahotany. Ary hiteny amin’ny olona izay efa zatra teny malefaka, teny mamy, manome toky sy fanantenana : « ry Mika o, fa iza moa ianao no mba miana-kendry ? Mpaminany ngeza lahy ireo ka tsy sahy miteny ny fahotan’ny mpitondra. Fa iza ianao izay olona tsy fantampantatra ity hoe avy aiza na avy aiza ianao tonga eto hiseho tena hananatra ? ». Ry havako malala, raha ny herin’i Mika, raha ny maha-izy azy, tsy vitany izany. Ary tsy ho sahy izy. Fa noho ny herin’ny Fanahy Masina, ny Fanahin’i Jehovah no ambarany. Ka izany no nijoroany sy nahasahiany nanambara ny fahamarinan’ny tenin’Andriamanitra. Ry Fiangonana o, moa ve tsy efa nomen’Andriamanitra an’izany isika ? Efa nomen’ny Tompo ny Fanahiny isika, ary izay tenenin’ny Apostoly Paoly hoe tsy Fanahy osa fa Fanahy mahery sy fitiavana. Izany no nataon’ny Tompo ao anatinao ry Fiangonana o, mba hitenenanao, hijoroanao, hampahasahy anao, hanaovanao an’io asa izay anirahan’ny Tompo anao, izay ilan’ny Tompo anao io, dia ny fanambarana ny sitrapony, ny fanambarana ny fahamarinany, hampiala ny olona amin’ny fahotany : omeny anao ny Fanahy Masina.Hiantehero ary hiankino tanteraka izany Fanahy omen’ny Tompo anao izany, fa Fanahy Masina mampiteny ary mahatonga anao afaka hihoatra ny toe-javatra izay mety mangeja anao, izay mety manakana anao tsy ahafahanao mitory ny fahamarinana io Fanahy io fa Fanahy mahery, ary ametraka eo am-bavanao ny teny.
Ry havana malala rehetra ao amin’ny Tompo, ry Fiangonana malala, ny Fanahy Masina izay ao anatinao, tahaka ny fahafantarantsika, isika izay mahatsiaro kely hery indraindray tsy afaka mitsangana ; tahaka ny volana isika : ny volana dia tsy mazava. Fa inona no mahatonga azy ho hitantsika mazava ? Tarafin’ny masoandro. Rehefa mandray ny taratry ny masoandro izy dia manazava antsika, isika tany izay tsy manana fahazavana ihany. Tahak’izany isika ry havana, tahak’izany isika kristiana, mety kely hery isika, mety hanontany tena hoe iza moa aho no afaka hitsangana hanambara amin’ny fianakaviako, eny na ny fianakaviako aza, fa tsy mety io fombafomba fanaony io, mbola manaraka fomban-drazana io, izaho izay hoe tsy mahay miteny amin’izy ireo fa izy ireo mahay mikabary be dia hainy daholo ny mandahatra hoe : ka zao no anton’io, izao no mahatonga an’izao. Tahaka ny volana isika, tsy afaka hanazava ny tenantsika fa tarafin’ilay Fanahin’Andriamanitra izay efa namenoana antsika ry havako malala o. Raiso izany hery omen’ny Tompo anao izany, raiso izany fampaherezana omen’ny Tompo anao izany hahasahianao hijoro hitaratra ny ankohonanao, hitaratra ny fianakavianao, hitaratra ny mpiara-belona aminao handraisany ny fanazavan’ny tenin’Andriamanitra izay te hanazava antsika izay ao anatin’ny aizina. Isika ve tsy mandinika ry havana, amin’izao fotoana izao anie, ny olona anie izao efa samy maka ho azy e. Samy manao izay tsy haha-tapaka ny rambony fotsiny eo amin’ny fiaraha-monina, samy manao izay haha-tafavoaka ny lohany fotsiny e amin’ny zavatra rehetra iainana, dia na isika kristiana aza. Fa iza moa no mameno an’ireny trano fandihizana sy fialam-boly maro samihafa ireny ? Iza moa no mameno an’ireny toerana fimamoana isan-karazany ireny ? Raha mankany Analakely ianao izao rehefa harivariva eo, fa iza mpa no hitanao eny ? Ireo zanatsika mameno ny dabiliom-piangonana ihany. Tsy izany ve no hitantsika ? Sao dia tsy mbola nandray tsara ny fahazavana avy amintsika izy mba hahafahany manohitra izany aizina manarona ny tontolo manodidina azy izay ? Ry havako malala ao amin’ny Tompo, sahia ianao mijoro fa Fanahy mahery, dia ny Fanahin’Andriamanitra no efa nirahiny ho ao anatinao hampahery anao hahazoanao mitsangana hanao ny asan’Andriamanitra, dia ny fanambarana ny marina hampiala ny olona amin’ny fahotana.
Ny ao amin’ny Lioka ry havana ny hafatra farany ho antsika amin’ity anio ity, dia fampitandremana, ny zavatra tokony hitandremantsika Fiangonana, Lioka 1 :15 : « Fa ho lehibe eo anatrehan'ny Tompo izy ary tsy hisotro divay na toaka sady hofenoina ny Fanahy Masina hatrany an-kibon-dreniny aza ». Ny fikasan’Andriamanitra amintsika tsirairay avy ry havana dia ny hameno antsika ny Fanahy Masina. Eto dia i Jaona mpanao batisa ity zaza ho teraka ity, izay lazain’ny Tompo amin’i Zakaria rainy hoe hofenoina ny Fanahy Masina hatrany an-kibon-dreniny. Izany ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny olona tsirairay avy : hameno antsika ny Fanahy Masina. Eto izany ry havana, ny zavatra tokony ho tandremantsika Fiangonana dia tsotra : Tandremo sao manakalo ny toeran’ny Fanahy Masina amin’ny zavatra hafa. Eto izay i Jaona mpanao batisa dia tenenina hoe : tsy hisotro divay na toaka. Inona aloa no voalohany e, ilay any an-kibo, sa ilay efa misotro ? Ny tiako tenenina hoe any an-kibo izy dia efa ho feno ny Fanahy Masina, fa rehefa teraka izy vao hoe tsy misotro divay sy toaka. Ny tiana hiaviana ry havana dia tsotra : efa feno ny Fanahy Masina isika, dia anjarantsika ny mitandro ny toeran’io Fanahy Masina io ao amintsika.
Izao ry Vokovoko Manga, Vokovoko Manga mantsy no tompon’ny Alahady izany amin’ity anio ity dia entintsika am-bavaka. Tsy hoe tsy misotro toaka ianao, tsy misotro divay ianao mba hofenoina ny Fanahy Masina ; fa satria ianao feno ny Fanahy Masina dia fitandrovanao an’io Fanahy Masina ao anatinao io noho ny maha-tempolin’ny Fanahy Masina anao, dia tsy misotro divay sy toaka ianao satria maninona ? Satria mamono an’ilay Fanahy Masina ao anatinao, maka ny toeran’ny Fanahy Masina ao anatinao ilay zavatra ampidirinao ao hibaiko ny fiainanao. Mampahery antsika ry havana izany. Efa nomena antsika ny Fanahy Masina, tsy misy fepetra afa-tsy ny hoe mino an’i Jesoa Kristy ianao dia mandray ny Fanahy Masina, mandray ny Fanahy Masina ianao.
Ary eto isika Fiangonana dia hanterina fa nomen’ Andriamanitra antsika ny Fanahiny ary izany Fanahy izany, izay mitoetra ao anatintsika, dia isika kosa no antsoin’ny Tompo ankehitriny sao isika dia manakalo, manome ny toeran’ny Fanahy Masina ho an’ny zavatra hafa ; fa tsy ny toaka sy ny divay ihany anie e, tsy ny zava-mahadomelina ihany anie no maka ny toeran’ny Fanahy Masina e. Fa ny vola koa anie maka ny toeran’ny Fanahy Masina e, rehefa ny volanao no mampiteny anao fa tsy ianao, tsy ny Fanahy Masina ; rehefa ny voninahitrao no hireharehavanao sy hitenenanao fa tsy ny Fanahy Masina nom mampiteny anao ; rehefa ny firazananao no mampiteny anao, hoe : izahay izao, izahay izao, izahay mankatsy, fa tsy ny Fanahy Masina. Efa voasolo koa izany ny toeran’ny Fanahy Masina. Dia mampahery antsika ry havana, mampahery antsika, ary ny hiantsoan’ny Tompo antsika dia izao, hoe : tandremo, tandremo ilay Fanahy Masina efa ao anatinao, tandremo mba tsy hisy zavatra hafa hisosoka ao anatinao, hisongona an’ilay Fanahy Masina ; fa io Fanahy Masina io efa nampitoerin’ny Tompo ao aminao – Tandremo sao misy zavatra ampidirinao ao hamono ny asan’ny Fanahy Masina, na hanala mihitsy ny Fanahy Masina ao anatinao.
Ry havako malala ao amin’ny Tompo, hafatra 3 no nomena antsika tamin’ity anio ity, hafatra ho antsika Fiangonana, isika Fiangonana izay fatratra amin’ny fihainoana ny tenin’Andriamanitra, isika Fiangonana izay fatratra amin’ny fitiavana ny tenin’Andriamanitra, isika Fiangonana izay fatratra amin’ny fifikirana amin’ny tenin’ Andriamanitra, fa io ihany no lalana hizorana ho any amin’ny fiainana mandrakizay, dia izao, hoe : ianao, meteza ho hirahin’ny Tompo hanambara izany tenin’Andriamanitra, dia ny teny fahamarinana, fa mbola marobe ireo milomano ao anatin’ny fahalovana, ao anatin’ny fahotana. Miandry antsika Fiangonana izany. Aza mikombom-bava eo anatrehan’izany : atomboy ao amin’ny ankohonanao izany, eo amin’ny sehatra misy anao rehetra. Mijoroa amin’ny fahamarinan’ny tenin’Andriamanitra. Ary tsarovy fa ny Fanahy Mahery no efa nirahin’Andriamanitra ho ao anatintsika ho herintsika hahavitantsika an’izany, dia ny Fanahy Masina, ilay Fanahin’Andriamanitra, mahery, hametraka ny teny ao am-bavanao hahafahanao manambara ny fahamarinan’ny tenin’Andriamanitra. Ary izao : tandremo, tandremo sao sodoka ny zavatry ny tany ka hampiditra ao anatin’ny fiainanao izay mety hamono ny asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainanao, fa efa nomen’Andriamanitra Fanahy ianao. Tandrovy izany mba tsy hiala aminao.
Ho Azy irery ny voninahitra, ho amintsika ny fiadanany. Amena