ALAHADY 09 DES 2018

image_pdfPDF

« Farany, ry rahalahy, mifalia, aoka ho tanteraka ianareo, mandraisa ny fampiononana, miraisa saina, mihavàna; ary Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana ho aminareo ». 2 Korintiana 13 :11

RESAKA FAHATANTERAHANA – RESAKA PERFECTION
AOKA HO TANTERAKA IANAREO

Amin’ny teny frantsay izy io, tsy miteny hoe : « Soyez parfait », fa hoe : « Perfectionnez-vous ! ». Raja tenenina ry havana hoe ny fiainana dia lanja miakatra, izay no ilazan’ny Soratra Masina azy : « Perfectionnez-vous ! ».
Ny Fiangonana ao Korinto no ilazana an’izany, isika Isotry Fitiavana no ilazana an’izany. Nandinin-tena aho ry havana, hoe inona moa izany no tokony hi-perfectionné-ko ny tenako, izaho ampianatra hoe : « Perfectionnez-vous ! ». Tsy misy tanteraka izany ry havana : eo ianareo diakona, eo ianareo mpiandry, eo ianareo chorale, eo ianareo Fiangonana, hoy ny Tompo : « Perfectionnez-vous ! ». Fa rehefa tsy mi-perfectionné tena ianao, rehefa tsy mandroso ianao, fa stable eo ianao, mi-stagné eo ianao, tsy mi-stagne izany ianao, fa mihemotra. Raha tsy te ho naman’izay mihemotra ianao, tsy manan-tsafidy ianao afa-tsy ny hoe mi-se perfectionner.

Fahamarinana 1 : AOKA HO TANTERAKA : TADIAVO ILAY PERFECTION
Matio 5 :48 : « Koa amin'izany aoka ho tanteraka ianareo toy ny fahatanterahan'ny Rainareo Izay any an-danitra ». Tadiavo ilay perfection, tadiavo ilay excellence. Misy lehilahy anankiray antsoina hoe Stradivarius, ny mpitendry zava-maneno mahafantatra an’izy io. Io lehilahy io dia nalaza tamin’ny fanamboarana violon. Ary ny violon namboarin’io Stradivarius io sy ny mpiara-miasa taminy dia violon lafo indrindra ety ambonin’ny tany. Hoy Stradivarius hoe Andriamanitra mila violon ahazoany mampita ny hirany, ny teniny maneran-tany. Ary raha ohatra hoy izy ka tsy tanteraka ilay violon dia simba ilay feon-kira avy any an-danitra. Dia notezain’i Stradivarius ho amin’ny excellence, notezain’i Stradivarius ho amin’ny perfection ny mpiasany. Hoy izy hoe maro ny olona manamboatra violon, fa tsy mosy violon tokony ho tsara noho ny violon mitondra ny anarana hoe Stradivarius izany. Ry havana, ary mitodika aminareo tanora, ary misaotra ny Tompo hoe tonga amin’ny andron’ny Sekoly Alahady izany, fa raha amin’ny taonanay no hiresahana an’izany perfection sy excellence izany, efa sarotsarotra ; fa aminareo : perfectionnez-vous !Ataovy tanjona izany excellence, perfection izany. Ka raha hoe amin’ny zavatr’izao tontolo izao aza, misy olona ohatran’i Stradivarius mikatsaka ny perfection, maika fa isika mitonon-tena ho zandrikelin’i Jesoa, isika izay hoe zanak’Andriamanitra. Asehoy ny maha-zandrikelin’i Jesoa anao, asehoy ny maha-zanak’Andriamanitra anao ry havana. Any am-pianarana, satria ve ianao zandrikelin’i Jesoa, dia ianao no mahay indrindra, ianao no manana note tsara indrindra ; ianao manana mention. Sa ohatran’ny tanora namanao ireny ianao, dia hoe veille d’examen vao hoe ahoana ahoana ? Eo vao mianatra, miari-tory. Sa amin’ny fanadinana ianao dia miteny amin’ilay olona mahay hoe aleo izaho hipetraka eo akaikinao, dia akisakisao ny feuille-nao handikako azy : tsy fomban’ny zanak’Andriamanitra izany ry havana ! Raha any an-kodahoda any ambanivohitra be any ve ianao, ka dokotera ianao, ka misy dokotera 1 na 2 eo akaikinao, na aty an-tanan-dehibe aza, mihazakazaka any aminao ve ny olona satria fantany hoe zanak’Andriamanitra ianao ? Ary dia hoe ho any aminao ny olona satria zanak’Andriamanitra ianao dia fantany fa hitsabo amin’ny perfection izany. Izany ve ianao ry havana ? Sa ve hoe : izy aloa zanak’Andriamanitra e, fa ary misy mahay kokoa noho izy. Mahafinaritra ny toritenin’i Pasteur Ammi izay, tao amin’ny chaîne d’honnêteté : raha mpitsara ianao, na avocat ianao, ka hoe mahita anao ny olona, mpitsara Fjkm ianao : azon’ny olona antoka ve satria mpitsara Fjkm ianao ? Parfait, parfaite ianao : fantany fa na inona na inona hitranga, tsy handray vola, tsy azo vidiana ianao. Izany ve ianao ? Etc… AOKA HO TANTERAKA IANAO TAHAKA NY FAHATANTERAHAN’NY RAINAO IZAY ANY AN-DANITRA.

Izao anefa ry havana, raha ny marina, ilay tsindrim-peo tsy any amin’ilay hoe « Aoka ho tanteraka » fa any amin’ilay hoe « Aoka hanahaka ny Rainao izay any an-danitra ». Ny Ray : totalin’ny fahamasinana ; ny Ray : manambara fahafenoana ; ny Ray : manambara fahatanterahana. Diso hevitra ianao raha hoe handeha ary aho hiezaka ho masina ; diso hevitra ianal raha ohatra ka hoe handeha aho hiezaka ny ho tanteraka, fa ny fahamarinanna 1 dia hoe, Ray o, ampio aho hanahaka anao, dia manaraka ho azy ny fahamasinana, manaraka ho azy ny fahafenoana, manaraka ho azy nny fahatanterahana. Ray o, ampio aho, tefeo aho hanahaka Anao.
Izany ny fahamarinana 1 : Aoka hanahaka an’Andriamanitra isika dia ho masina, ho feno, ho tanteraka.

Fahamarinana 2 : AZA KIVIN’NY TSI-FAHOMBIAZANA
Eny an-dalana ho amin’izany fahatanterahana izany, eny an-dalana ho amin’izany perfectionnement sy perfection izany, dia tsy maintsy ahita tsi-fahombiazana ianao, tsy maintsy ho tojo tsi-fahatanterahana ianao.
Mino aho fa ianareo tanora,ianareo mpanao sport dia mahatsiaro tsara an’i Mickael Jordan, mpanao gazety malaza. Mizoro vavolombelona izy ary zavatra 2 no hijoroany vavolombelona : ny zavatra voalohany teneniny dia hoe ny zavatra fantatro hatrizay hatrizay teo amin’ny fiainako, dia izaho tsy te ho mpilalao moyen, izany hoe atonintoniny. Izay ilay fanombohan’ilay izy. Tsy fantatro na mahafinaritra na tsia ny toriteny fa ny fantatro dia hoe : izaho tsy te ho olona moyen. Dia faharoa hoy izy, ny lakle an’ny fahombiazako,izaho Michael Jordan, nanao fahadisoana be dia be aho. Hoy izy : « J’ai raté plus de 9.000 paniers dans ma vie et 26 fois j’ai raté le panier qui devait donner la victoire à mon équipe ». Ry havana, iaraha-mahalala i Michael Jordan ao anatin’ny légende-ny basket-ball : mijoro vavolombelona izy.
Ianao izay namaritra ho tanjona ny hanahaka ny Ray, ianao izay namaritra ho tanjona mba tsy ho moyen, fa ho tanteraka tahaka ny Rainao, aza mety kivy ny tsi-fahatanterahana, sy ny tsi-fahombiazana.
Lazain’ny mpandinika, rehefa mitrabdraka an’ity 2 Korintiana ity, ka hoe mandinika ny fiainana tao Korinto tao, zavatra hita tao Korinto tao, dia resaka clan, resaka rivalité personnelle, resaka immoralité, resaka super apôtre miseho azy ho iza etc… Mety ohatran’ny fiangonana kristiana sasany amin’izao fotoana izao ihany izany ry havana. Dia inona izany ? Ianao io, tenenin’ny Tompo hoe : aoka ho tanteraka tahaka ny fahatanterahan’ny Ray ianai, perfectionne-toi ary aza kivy amin’ny tsi-fahombiazana. Aza kivy ianao rehefa hoenmandre toriteny. Te hi se perfectionner kanefa mbola latsaka amina comportement-na clan ihany, aza kivy amin’izany. Mba hiezaka ianao hoe, mazava ny teninao : « aoka ho parfait, perfectionne-toi », kanefa mbola latsaka amin’ny fifampiandaniana ihany, amin’ny rivalité personnelle ihany : ampio aho Jesosy ho parfait, hanompo anao amin’ny fanetren-tena ; ary hanompo anao fa tsy hanompo ho an’ny tenako, latsaka amin’ny fidedahana sy ny arrogance : Aza kivy e !
Mba te hiaina sy hanompo amin’ny fahadiovam-pitondran-tena, kanefa solafaka : aza kivy amin’ny tsi-fahombiazana. Ny Tompo izay efa nahita ny teny fikasanao, dia ny hanahaka ny Rainao, no anarina anao ary hiasa ao aminao, na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka an’izany fahatanterahana izany. Anarina ianao, mbola tsy vitanao ihany, mbola manoratsora-poana ianao any amin’ny Facebook ; ny zavatra rehetra anie no ho aseho e, ho menatra ianao amin’ny sorasora-poana ataonao any amin’ny Facebook ireo e, eritreritra adala be… Maninona raha tazomina ho anao izany, maninona no hireharehana any amin’ny FB.
Aza kivy amin’ny tsi-fahombiazana, fa ny zava-dehibe dia ny Rainao hanatanteraka ao aminao izany fahatanterahan’ny zanany izany. Izay ny fahamarinana 2.

Ny fahamarinana 3 dia hita eo amin’ny and. 9 : « Fa faly izahay, raha malemy izahay, fa ianareo no mahery; ary izao no angatahinay, dia ny fanatanterahana anareo ».
Fahamarinana 3 : NY FAHATANTERAHANA, NY PERFECTION, DIA VALIM-BAVAKA
Mivavaka Paoly ho an’ireto Korintiana ireto, tsy mankasitraka ny fiainany izy, fantany tsara ny momba an’ireto, dia nitenenany hoe : perfectionnez-vous. Ary mivavaka ho azy ireo izy.
Ry havana, ohatran’izao ny fiainan’ny ato Isotry Fitiavana araka izay halalantsika azy satria tsy mifampivavaka isika. Maimay ny molotsika hifampiapanga sy hifampihatsaravelatsihy, tsy misy fitiavana. Tena marina izany ; mais une fois qu’on a dit ça, qu’est-ce que tu dis après hisorohana an’izany ? Hoy ny Tompo hoe ianareo tsy mifankatia ireo, ianareo mifampihatsaravelatsihy ireo : mifampivavaha. Mifampivavaha ho amin’ny fahatanterahana, mifampivavaha ho amin’ny fanatanterahana anareo.
Valim-bavaka io perfection io.
Nampieritreritra ny mofon’aina omaly Sabotsy 08 Desambra, tao amin’ny Jaona 16 :23-24 : «Ary amin'izany andro izany dia tsy hanontany Ahy na inona na inona ianareo; lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa na inona na inona hangatahinareo amin'ny Ray dia homeny anareo amin'ny anarako izany.Mandraka ankehitriny dia tsy mbola nangataka na inona na inona tamin'ny anarako ianareo; mangataha, dia hahazo ianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo ». Rehefa miteny isika ry havana fa valim-bavaka izany fahatanterahana izany, dia angatao amin’ny Ray amin’ny anaran’i Jesoa. Fa izao : tsy mangataka isika satria isika malaina mivavaka. Ary normal satria manan-tsaina isika dia malaina mivavaka isika satria tsy mahazo valim-bavaka. Iza no tsy hivavaka rehefa mahita valim-bavaka e ! Fa malaina isika hivavaka satria tsy mahazo valim-bavaka. Ary maninona isika no tsy mahazo valim-bavaka ? Satria tsy manana fifandraisana manokana, tsy manana fifandraisana velona amin’i Jesoa Kristy.
Hoy ny mpanompon’Andriamanitra iray manazava io Jaona 16 :23-24 : haintsika tsara ny mamarana ny vavaka amin’ny anaran’i Jesoa ; fa tsy henoin’ny Ray ilay vavaka na farananao amin’ny anaran’i Jesoa aza, satria maninona ? Satria raisinao hoe karazana formule magique io hoe amin’ny anaran’i Jesoa io : tsy manana fifandraisana velona Aminy ianao fa ataonao pli vava karazana formule magique fotsiny izany dia mieritreritra ianao hoe hamaly vavaka anao Jesoa Kristy. Dia hoy ihany io mpanompon’Andriamanitra io hoe tsy mamaly vavaka anao ny Ray na farananao amin’ny anaran’i Jesoa aza, satria raisinao toy ny formule de politesse hamaranana taratasim-panjakana ,hoe : » veuillez agréer, Madame, Monsieur… » Tsia. Tsy formule de politesse izany amin’ny anaran’i Jesoa izany ,ary ny Ray izay lazain’i Jesoa fa hanoma anao izay angatahinao amin’ny anarany, dia mamaly vavaka, raha io Ray any an-danitra mahita ny fonao ka hoe fo araka ny toriteny tamin’ny herinandro, fo feno Fanahy Masina ary tarihin’ny Fanahy Masina.
Mandinia tena, diniho ny tenanao : tena zanaka ve ianao ? Tena zandrikelin’i Jesoa ve ianao ka hoe henoin’Andriamanitra vavaka ? Ary dia hiova ny fiainam-bavakao, tsy hanao ny vavaka raitra be fanao eny amin’ny pilopitra amin’ny alahadin’ny sampana misy anao, fa tena hoe vavaky ny zanaka manana fifandraisana velona amin’i Jesoa zokiny, ary na inona na inona angatahiny, indrindra izany perfection izany, dia tena amin’ny fifaliana ny Rainy any an-danitra no hanome azy an’izany. Omeny anao izany perfectionnement tadiavina izany , ary farany, ho tanteraka ny fifalianao. Tsy ho fifaliana fotsiny, fa ho fifaliana tanteraka. Ry havana, diniho ny fifaliana mahafaly anao io : raha tsy fifaliana vokatry ny valim-bavaka, tsy fifaliana tanteraka, tsy fifaliana any an-danitra.

Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo

Perfectionnez-vous !
Amena

image_pdfPDF