ALAHADY 21 JOL 2019

image_pdfPDF

«  Ary nony hariva ny andro, dia efa mby teo ampovoan'ny ranomasina ny sambokely, ary Izy irery ihany no teo an-tanety .Ary nahita azy ireo sahirana nivoy fatratra Izy, fa notohain'ny rivotra: ary tokony ho tamin'ny fiambenana fahefatra amin'ny alina dia nankeny aminy nitsangantsangana tambonin'ny ranomasina Jesoa ka nikasa handalo azy. Ary rehefa hitany nitsangantsangana tambonin'ny ranomasina Izy, dia nataony ho matoatoa, ka niantso mafy izy ireo. Fa izy rehetra samy nahita Azy avokoa, ka dia raiki-tahotra. Ary Izy niteny taminy niaraka tamin'izay ka nanao taminy hoe: Matokia, fa Izaho ihany; aza matahotra. Ary niakatra nankeo aminy teo an-tsambokely Izy; dia nitsahatra ny rivotra, ka dia talanjona izy ireo. Ary tsy fantany ny amin'ny mofo; fa efa mafy ny fony. Ary nony tafita izy, dia tonga teo amin'ny tany Genesareta ka niantsona teo. Ary raha niala teo an-tsambokely izy, dia nahalala an'i Jesoa niaraka tamin'izay ny olona teo ka nihazakazaka tamin'izany tany rehetra izany ary nitondra ny marary tamin'ny fandriana ho any amin'izay reny fa nitoerany. Ary na taiza na taiza no nidiran'i Jesoa, na tao amin'ny vohitra, na tao an-tanàna, na tany an-tsaha, dia napetraka teo an-kianja ny marary, ary ny olona nangataka hanendry na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza; ary sitrana izay rehetra nanendry Azy ». Marka 6 :47-56

Ny olona izay nifanerasera tamin’i Jesosy Kristy tamin’Izy tety an-tany ry havana dia samy nanana izay nanondroany an’i Jesoa hoe : iza marina moa io Jesoa io. Ary izany ihany koa no fanontaniana atao amintsika Fiangonana hanambarana mandrakariva, hanambarana matetika ny amin’i Jesoa Kristy izay lohan’ny Fiangonana, sady Tompon’ny Fiangonana ; ry Fiangonana o, ATAONAO HO IZA TOKOA MOA IO JESOA IO ? ATAONAO HO IZA TOKOA MOA IO JESOA KRISTY IO, IZAY LAZAINA AMINAO, IZAY ANTSOINAO IO ? Ataonao ho iza moa Jesoa ?

Eto amin’ity Soratra Masina ity ry havana dia misy karazan’olona, samy manana ny andraisany an’i Jesoa.

Marka 6 :49 : « Ary rehefa hitany nitsangantsangana tambonin'ny ranomasina Izy, dia nataony ho matoatoa, ka niantso mafy izy ireo ». Nataony ho matoatoa. Misy olona izay mihevitra an’i Jesoa tahaka ny matoatoa, manao an’i Jesoa tahaka ny matoatoa. Ary eto ry havana, ny mahavariana dia : iza ireo nieritreritra an’i Jesoa ho matoatoa ireo ? Ny mpianatra, ny mpianany. Mihevitra an’i Jesoa ho matoatoa ny mpianatra. Eto amin’ity Soratra Masina ity no ahitantsika an’izany ry havana. Ary ireo mpianatra izay azo lazaina hoe niaraka tamin’i Jesoa, nanatrika ny asa fahagagana izay nataon’i Jesoa, ary eo aloha kelin’io perikopa novakiantsika io dia avy nampitombo ny mofo dimy sy ny hazandrano roa Jesoa Kristy, namoky olona maro Jesoa Kristy. Fahagagana goavana nataon’i Jesoa Kristy izany, ary izao no ilazan’i Marka azy rehefa mamintina ny amin’ireto mpianatra ireto izy ery amin’ny and.52 « Ary tsy fantany ny amin'ny mofo; fa efa mafy ny fony ». Izany hoe tsy nisy n’inon’inona azon’ny mpianatra, na dia fantany aza, na dia natrehiny aza ireo zavatra mahagaga nataon’i Jesoa hatrizay hatrizay. Ary ilay vao nataony teo aloha teo aza, dia tenenin’i Marka hoe mafy ny fony ka tsy fantany inona ny dikan’izany. Ka rehefa nahita an’i Jesoa nitsangatsangana teny ambony ranomasina izy : « matoatoa iny » ; izany no tao an-tsainy.

Ry havako malala ao amin’ny Tompo, raha ny fikasan’i Jesoa Kristy eto anie dia hoe nikasa handalo ireo mpianatra Izy, rehefa jerentsika eo amin’ny andininy eo aloha eo. Hoy ny mpanao hevi-teny mikasika miteny an’io hoe mikasa handalo ahoana moa Jesoa ? Mikasa hiseho tamin’ny mpianatra Jesoa, hilaza amin’ny mpianatra hoe indreo  ianareo izay manohitra ny rivotra, hitako anie ianareo e, ary indro aho eto akaikinareo. Te hiseho, hampiseho ny tenany, ny fanatrehany ao anatin’izany toe-javatra iainan’ny mpianatra izany i Jesoa. Fa inona no fahitan’ny mpianatra Azy ? Tahaka ny matoatoa. Ry havako malala ao amin’ny Tompo, moa ve tsy izay mahazo antsika Fiangonana ankehitriny ? Mety hiteny isika hoe mpianatra adaladala mihitsy ireto, fa Jesoa izao koa ataony matoatoa ; satria mantsy ianao mamaky tantara dia hitanao fa Jesoa io. Fa raha handeha isika hijery ny fiainam-pinoan’ny olona maro amin’izao fotoana izao ry havana, dia samy miaiky fa maro no manao an’i Jesoa ho matoatoa. Ary samy mandinin-tena isika rehetra eo anatrehan’izany, fa raha toa ka i Jesoa tsy miaraka aminao amin’ny fiainanao isan’andro, fa ny fieritreretanao an’izany Jesoa izany dia Jesoa « hono » e, nanao an’izao « hono » e. Ambara aminao ihany ny amin’i Jesoa, fa tsy tena azonao raisin-tanana, tsy hitanao hivelomana izay rehetra mahakasika an’i Jesoa Kristy, dia ianao, anisan’izay manao an’i Jesoa ho matoatoa koa ianao. Kanefa ry havana, misarika ny saintsika ao anatin’izany, fa i Jesoa tsy matoatoa ; tsy matoatoa Jesoa. Fa ireo olona izay mieritreritra an’i Jesoa ho matoatoa, izy mihitsy no matoatoa. Nahoana ? Satria izy, tsy mipetraka amin’ny tany ny tongony. Haintsika ny dikan’ny matoatoa an ? Mitsingevangevana moa izany, ary indrindra indrindra, indraindray hita, indraindray tsy hita. Tsy izany ve ny fiainan’ny kristiana maro amin’izao fiainana izao : indraindray hita, indraindray tsy hita. Rehefa te hipoitra, mipoitra ; rehefa tsy te hipoitra, milentika, hita mahalankalana amin’ny andraikitra. Ry havako malala ao amin’ny Tompo, izany no fiainan’ny olona izay mieritreritra an’i Jesoa Kristy ho tsy tena manatrika ny fiainany, fa Jesoa dia fantany ao an-tsainy fotsiny. Fantany ao an-tsainy, dia fantany ihany hoe Jesoa izany zanak’Andriamanitra, Jesoa izany izao ; fa rehefa tena jerena eo amin’ny fiainany, tsy velona eo amin’ny fiainany ilay Jesoa Kristy, tsy miara-mandeha aminy eo isan’andro ilay Jesoa Kristy, ary na miteny ary ilay Jesoa Kristy, dia tsy raisiny ho tonga nofo eo amin’ny fiainany ny teny izay ambaran’i Jesoa Kristy aminy. Mampitandrina antsika ry havana izany, ho antsika Kristiana : sao dia manao tahaka ny mpianatra izay niara-nihazakazaka tamin’i Jesoa, niara-nandeha tamin’i Jesoa, nanatrika ny asa maro izay nataon’i Jesoa, fa rehefa tonga ny andro sarotra, tsy mahita an’i Jesoa eo izy. Ary raha miseho ary Jesoa Kristy, miseho eo anoloany hoe eto Aho, dia tahaka ny nofinofy ihany, manjavozavo ny fahafantarany an’izany Jesoa Kristy Tompo izany. Ry havako malala ao amin’ny Tompo, tsy ho ianao anie, tsy ho ianao izay mavitrika amin’ny famonjena ny fotoam-bavaka isaky ny Alahady anie, tsy ianaobizay mihazakazaka manao ny asa fanompoana an’Andriamanitra anie no ieritreritra an’i Jesoa Kristy tahaka ny matoatoa, fa tahaka an’i Jesoa Kristy izay ambaran’ny Soratra Masina.

 

Ny faharoa ry havana, ny karazan’olona faharoa dia ny olona izay manao an’i Jesoa ho Ra-mpamaha olana. Hitantsika eo amin’ny and. 53-56 izany, hoe rehefa niantsona tery an-tanety ny sambokely izay nitondra an’i Jesoa sy ny mpianatra, dia nisy olona marobe nihazakazaka nanatona Azy nitondra ny marary rehetra tao Aminy. Jesoa Kristy, ny atao hoe Jesoa Kristy ho an’ireto olona ireto dia Ra-mpamaha olana. Inona ny olana ? Ny aretina. Dia nitady an’i Jesoa izy hamaha, hanasitrana an’izany aretina izany, hamaha ny olany. Ary izany ry havana no hita eto : ireto olona ireto izay mety hoe nandre hono hono momba an’i Jesoa ; fa vao teo ihany, koa, mety hoe anisan’ireo olona vao novokisan’i Jesoa tamin’ny hazandrano roa sy mofo dimy izy ireo. Mety voaisan’izany koa ireto olona ireto. Izany hoe efa nalaza Jesoa, hoe izany Jesoa izany mpanao fahagagana. Ka rehefa tonga Jesoa : andao ho any, fa misy vaha olana any hamaha an’ity olantsika ity. Ry havako malala ao amin’ny Tompo, fa firifiry tokoa moa ny olona amin’izao fotoana izao, ary toa ataon’ny sasany ivon’ny toriteniny aza izany fitaomana ny olona handray fahagagana, handray fanasitranana, hamaha ny olana eo amin’ny fiainany ao amin’i Jesoa Kristy. Angamba raha ampitaintsika amin’ny mpianatra dia hoe efa somary mandrosondroso kosa ireto vahoaka ireto e, satria mba manisy dikany ny fanatrehan’i Jesoa, hoe rehefa eo Jesoa dia manasitrana. Fa raha ny tena marina ry havana, eto amin’ity Soratra Masina ity, mbola azo lazaina ho fahadisoan-kevitra koa ny nataon’ireto vahoaka ireto izay nihazakazaka hila vonjy, hitady fanasitranana. Satria nahoana ? Ny fiainana tadiavin’ireto olona ireto dia miorina amin’ny nofony. Ao amin’ny nofony, ao amin’ny fahasahiranany ; izany no tiany idiran’i Jesoa. Ka rehefa sitrana izy, ny azo antoka : mandeha mody soa aman-tsara, mody any an-dainy ny Isiraely rehefa sitrana, rehefa mahazo ny ilainy. Ry havako malala ao amin’ny Tompo, andeha hanova an’izany fomba fijery, fomba fahafantarana an’i Jesoa Kristy izany isika, ka tsy hanao an’i Jesoa ho Ra-mpamaha olana ; fa ny azo antoka ao anatin’ny olona izay mitady an’i Jesoa hamaha ny olana eo amin’ny fiainany dia inona ? Rehefa mivaha ny olany dia iny koa ianao Jesoa no tsy hita, tsy hitanay akory ianao rehefa mivaha ny olanay. Ary firifiry ny olona tonga mitady an’Andriamanitra, mitady vaha olana fotsiny eo amin’ny fiainana fa tsy manana fifandraisana akaiky amin’i Jesoa ankoatran’ny hoe rehefa marary, rehefa misy olana, dia izay ihany no itadiavana an’i Jesoa. Ry havako malala ao amin’ny Tompo, aza atao Jesoa Ra-mpamaha olana i Jesoa, fa tsy izany Jesoa. Mamaha olana tokoa Izy, ary eto mahafinaritra ny lazain’ny Soratra Masina hoe izay rehetra tonga teo dia nahita fahasitranana. Sitrana izay rehetra tonga teo amin’i Jesoa ; eny, tsy avelan’i Jesoa miala maina tokoa anie ny tonga eo Aminy e. Fa ilay tena fiainana, ilay tena fiainana entin’io Jesoa io ve voarain’ireto olona ireto ?

 

Andeha ary isika ry havana hanao izay ambaran’ny Soratra Masina, izay anambaran’i Jesoa ny tenany kosa, Jesoa manambara ny tenany eo anatrehan’izany fiheveran’ny olona ; ny olona sasany mihevitra fa matoatoa io Jesoa io, izany hoe tsy tena manatrika ny fiainany ; ny olona sasany mihevitra fa io Jesoa io Ra-mpamaha olana ka tsy manatona an’io Jesoa io raha tsy manan’olana. Fa eto Jesoa manambara ny tenany ry havana. Andeha vakiantsika ny and.50b « Matokia, fa Izaho ihany; aza matahotra ». Tenin’i Jesoa izay manambara ny tenany, ilazan’i Jesoa hoe iza moa Izy ; i Jesoa manambara ny tenany, fa Izy dia Andriamanitra. Andriamanitra io Jesoa Kristy io ry havana. Ny teny hoe : « Izaho ihany », izay moa no andikantsika azy, « ego eimi ». Milaza ny maha-Izy azy i Jesoa ary misy ifandraisany amin’ilay teny ary amin’ny Eksodosy 3 :14 hoe : « Izaho izay izy hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay ». Manambara ny tenany Jesoa Kristy fa Izy ilay Andriamanitra, ary indro Izy mampiseho ny heriny sy ny fahefany. Ny hevitry ny teny hoe nitsangatsangana teny ambony ranomasina i Jesoa ry havana, raha ny fisainan’ny jiosy, izay voalazan’ny Baiboly, mahakasika ny hoe ranomasina, izany ranomasina izany, ny dikany dia hoe fahafatesana. Mifono hevitra hoe fahafatesana ny ranomasina. Ary raha nitsangatsangana teny ambony ranomasina i Jesoa dia midika sahady fa nandresy ny fahafatesana Izy, mandresy ny fahafatesana ; ary eto moa dia ohatran’ny hoe efa nitsangana tamin’ny maty sahady i Jesoa, eny ambony ranomasina, mifehy ny herin’ny fahafatesana Izy ; izany ilay Jesoa Kristy, Andriamanitra izay manatrika ny fiainantsika mino ry havana, ary ampaherezana antsika, i Jesoa Kristy izay miteny : « Matokia, aza matahotra ». Izany no teny entin’i Jesoa Kristy hampihiratra ny masontsika tsirairay avy izay mety diso tany amin’izay nahadiso azy, tao anatin’izay mety ho naharevo antsika ka tsy nahatsapantsika marina fa io Jesoa io dia Andriamanitra manatrika ny fiainantsika. Io Jesoa io dia tena Andriamanitra mifehy ny hery rehetra izay mety mampatahotra sy mampihovitra anao.

Fa eto ihany koa ry havana ny Soratra Masina milaza fa rehefa niakatra teo an-tsambokely Jesoa, and.51, naninona ny rivotra ? Nitsahatra ny rivotra. Eto tsy tahaka an’ilay hitantsika any amin’ny toko 4 hoe niteny Jesoa vao nitsahatra ny rivotra. Fa rehefa tonga tao an-tsambokely Jesoa, dia nitsahatra ny rivotra. Te ho ao an-tsambokelintsika Jesoa Kristy, ampitsahatra ny onja sy ny tafiotra maro. Ny fanontaniana izay miantefa amintsika ary dia izao : efa ao an-tsambokelintsika ve Jesoa, ilay Andriamanitra izay mifehy ny hery rehetra, ilay Andriamanitra izay manam-pahefana amin’izao rehetra izao, izay miteny hoe manatrika ny fiainantsika Izy ? Fa ny fanontaniana dia izao : efa mba niakatra ao ve Izy ? Sa mbola ianareo mianakavy ihany no mivoivoy ao, manao izay ampandehanana ny fiainana, miezaka mivoy mafy manohitra ny rivotra sy ny onja ? Sa mba efa tafakatra ao Jesoa Kristy ?Efa anisan’izay ao an-tsambokelinao ve Jesoa Kristy ? Fa ny fiakaran’i Jesoa Kristy ao no azo antoka fa hampitsahatra an’izay rehetra mampitahotra anao, hanala izay rehetra endri-pahafatesana eo amin’ny fiainanao ry havana.

Raha fintinina ary ry havana, fehezina ny hafatra omen’ny Tompo antsika amin’ity anio ity : ry Fiangonana o, ry Fiangonana izay mazoto miantso an’i Jesoa Kristy, raha te ho Fiangonan’i Jesoa Kristy, ny hafatra ho anao : aza ajanona ho anganongano, aoka tsy ho ataonao tahaka ny tantara sy ny angano mirindra, conte merveilleux izany momna an’i Jesoa Kristy izany. Fa rehefa lazaina anao ny momna an’i Jesoa Kristy, tena raiso ho fiainanao izany ka ataovy tonga nofo eo amin’ny fiainanao velona Jesoa ; raha tsy izany dia ho kristiana matoatoa ihany ianao, kristiana matoatoa ihany ianao satri1 fantatsika rehetra fa tsy matoatoa Jesoa, fa ianao indray no lasa matoatoa, mitsingevana, tsy tena mijoro amin’ny finoana ianao, raha mihevitra fa izay tantara milaza an’i Jesoa dia tantara fotsiny ihany. Raha tonga indray andro any ny fotoana izay, efa fantatsika moa amin’izao fotoana izao, aterin’ny olona eo aminao eo anie ny fanaporofoina rehetra, hita tary ny fatin’i Jesoa, dia inona no ho lazainao ? Inona no ho lazainao raha kristiana mihevaheva ianao ? Raha kristiana mihevaheva ianao dia ho resy lahatra satria voaporofo ara-siansa fa hita ny fatin’i Jesoa. Fa raha kristiana miorina, tena mandray ny tenin’Andriamanitra ho fiainanao ianao, dia hiteny amin’izay olona miteny an’izany hoe : « Jesoa anao izany, fa ny ahy ny Jesoa-ko miandry ahy any an-danitra, manao fotoana amiko any Izy, efa nialoha lalana ahy any Izy ; izay no lazain’ny teniny amiko ». Dia izany ry havana no ampaherezana antsika, mba tsy hanao an’i Jesoa Kristy ho hono hono, fa handray Azy ho tena fiainana, ary handray Azy ho tena Andriamanitra. Tsy filàna vonjy fotsiny ihany amin’ny andro mahory. Eny, Izy tokoa miteny aminao hoe : Antsoy Aho amin’ny andro fahorianao dia hamaly anao Aho ; fa tsy izany ihany, fa ilay Jesoa Kristy ilay tena Andriamanitra, ilay miteny aminao fa eto Izy, manatrika anao Izy, ka na dia tsy hanasitrana anao ary Izy amin’ny aretinao ; raha tsy sitranin’i Jesoa amin’ny aretinao ve ianao dia hiteny hoe tsy Andriamanitra i Jesoa ? Tsia ry havana. Andeha hianatra tahaka an’i Joba ka hiteny hoe : «  Na dia hamono ahy aza Izy, mbola hanantena Azy ihany aho », fa izany no finoana teny izy, tsy manery an’i Jesoa, tsy mitondra eo amin’i Jesoa : inty no ilako anao Jesoa an, ataovy izay ahavitan’ity ». Tsy izany Jesoa. Fa i Jesoa, Andriamanitra. Izy no mahafantatra, Izy no mitondra ny fiainan’ny olona. Ataovy ampy ho anao ny teniny manao hoe : « Matokia, Izaho ihany ; aza matahotra ».

Ho amin’ny fanahintsika anie ry havana ny fahasoavana sy ny fiadanana.

Amena

image_pdfPDF