ALAHADY 25 FEBROARY 2018

1 Samoela 15 :23 : «Fa ny miodina dia toy ny heloka amin’ ny fankatovana, ary ny ditra dia toy ny manompo sampy sy terafima. Satria nandà ny tenin’ i Jehovah hianao, dia nolaviny tsy ho mpanjaka kosa »

Asan’ny Apostoly 13 : 44-45 : « Ary nony tamin’ ny Sabata manaraka, dia saiky tafangona avokoa ny tao an-tanàna rehetra hihaino ny tenin’ Andriamanitra. Nefa ny Jiosy kosa, raha nahita ny vahoaka betsaka, dia feno fialonana ka nanohitra ny teny nolazain’ i Paoly, sady niteny ratsy ».

Fahamarinana 1 : NY OLONA MPITANA NY FORME EXTERIEURE DE LA RELIGION NO TRATRAN’NY FIALONANA ARY MITOETRA AO ANATIN’NY FIALONANA

Fahamarinana 2 : ZAVA-DOZA IO FIALONANA IO SATRIA METY HAHATONGA HATRAMIN’NY FAMONOANA OLONA, ARY METY HAHATONGA KOA HATRAMIN’NY FAMONOANA TENA

Fahamarinana 3 : NY REBELLION NO FIATOMBOHAN’NY FIALONANA SY NY FAMONOANA TENA