Fanorenana Fiangonana AmpasimadinikaFanorenana Fiangonana Ampasimadinika

Azontsika raisina ao amin'ny secrétaire mpandraharaha amin'ny andavan'andro,ary any amin'ny komity mpikarakara rehefa Alahady ny plaquette fandraisana anjara ho an'ny fanorenana. 5.000Ar hatramin'ny 300.000Ar ny plaquette.

Iray amin’ny asa mampiavaka ny Fitandremana Isotry Fitiavana amin’ny fiangonana Kristianina manerana an’I Madagasikara ny fanorenana trano Fiangonana iray isan-taona.

Izany fanorenana izany dia arahin'ny fanaovana ny tafika masina, mialoha sy mandritra ny fotoana fananganana ny Fiangonana.

7 izao no Fiangonana efa voatsangana nanomboka ny taona 2007.

“Koa mandehana ianareo dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra” Matio 28:19 a. Izany no teny noraisin'ny Fiangonana ho an'ny fanorenana miandry antsika ho an'ity taona 2018 ity.

Any Ampasimandinika , PK 304, amin’ny lalam-pirenena faharoa, renivohitry ny commune sady tsena no toerana nanirahina antsika hananganana ny trano Fiangonana. Ao anatin'ny fiarahantsika miasa amin'ny any an-toerana dia nampanantena ny Maire fa hanome tany hanampiana ny fiangonana.

Hotokanana amin’ny 26 Oktobra 2018 ity trano Fiangonana vaovao ity raha sitrapon'ny Tompo.

Miantso anareo Fiangonana reniny, ianareo zanaka am-pielezana mba hifanohana isika hanatanteraka izao asa tsara sady masina nankinina amintsika izao.