Matio 11. Teny fanta-daza, teny faran’izay mamy, teny volamena ry havana, omen’ny Tompo antsika amin’izao Alahady itondrana am-bavaka ny Sekoly Alahady, ny tanora izao. Andeha iarahantsika mamaky izany amin’ny anaran’i Jesoa, Matio 11 :28-30 : « Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ ny fanahinareo hianareo. Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako ».
Isika rehetra ry havana, dia manana olona akaikin’ny fontsika, na hoe tena akaikin’ny fontsika. Dia mba hahamora an’ilay fanazavana ary dia teneno kely ilay voisin-nao hoe « mba saino sy eritrereto kely hoe iza avy ny olona akaikin’ny fonao ». Andao ary : lazao ny voisin-nao hoe : « iza avy marina moa, misy firy moa ny olona hoe akaikin’ny fonao, tena akaikin’ny fonao ? ». Enga anie eto ka tsy misy mpivady niteny tamin’ny vadiny hoe : « ie, ny dadany, mamanay ». Isika rehetra manana olona akaikin’ny fontsika. Ilay hafatra ry havana ô, sady manao bilan an’ity taona 2020 izay ifarana ity isika ; ilay hafatra amin’izao Décembre 2020 izao, dia hoe : AKAIKIN’NY FONAO VE JESOA ?
Tsy manontany Izy hoe : « Pasitera ve ianao ? Mpiandry ve ianao ? Diakona ve ianao ? » : AKAIKIN’NY FONAO VE JESOA ? Ary mandondona eo am-baravaran’ny fonao Izy androany satria hoe te ho akaikin’ny fonao Izy. Izay ilay hafatra anio ry havana ô, izay ilay hafatra. Mino aho fa ianareo tanora mahazo an’izany, ianareo ao amin’ny Facebook mahazo an’izany hoe demande d’ami izany. Manao demande d’ami amintsika Jesoa anio ry havana. Izay, izay ilay izy. Akaikin’ny fonao ve Izy ?
Matoanteny anankitelo no omen’ny Tompo antsika handinihantsika tena, ahafantarantsika, ho an’ny tenantsika hoe : akaikin’ny fontsika ve Izy ? Voalohany dia hoy Izy hoe : MANKANESA. Faharoa dia hoe : ENTO. Fahatelo dia hoe : MIANARA. Fenointsika kely :
- Mankanesa aty Amiko
- Ento ny ziogako
- Mianara Amiko
Azo faranana eo ilay toriteny. Faran’izay tsotra, faran’izay mazava. Andao ary jerentsika ireo ry havana.
Ilay matoanteny voalohany, ilay Fahamarinana 1 dia hoe : MANKANESA ATY AMIKO.
Ity Jesoa miteny hoe « mankanesa aty Amiko » ity ry havana, dia Jesoa, Andriamanitra, zanak’Andriamanitra, tena hoe akaikin’ny fon’Andriamanitra. Akaikin’ny fon’Andriamanitra Izy ary akaikin’ny fony koa Andriamanitra. Io no miteny aminao hoe : « mankanesa aty Amiko e, fa te ho akaikin’ny fonao Izao ». « Izaho anie efa nanatona, efa nidina avy any an-danitra e, fa ianao : mankanesa aty Amiko amin’izay e ; fa Izaho Jesoa te ho akaikin’ny fonao : mankanesa aty Amiko ianao amin’izao maraina izao ». « Fantatro anie ny momba anao e, fantatro tsara anie izany fon’ny zanak’olombelona izany e : fantatro tsara ». Izany fon’ny zanak’olombelona izany : mila zavatra ianteherana, mila olona ho tiavina, mila olona hifikirana. Izany io fonao io. Dia miteny aminao Jesoa hoe : « mankanesa e, mankanesa aty Amiko fa Izaho te ho akaikin’ny fonao ».
Dia ho aiza moa izany aho raha te hanatona an’i Jesoa ? Andeha hiova Fiangonana ve aho ? Andeha hiova firenena ve aho ? Non, non, non. Rehefa niteny Jesoa ry havana, hoe : « mankanesa aty Amiko », ny valiny dia hoe : fanatonana ara-panahy izany. Fanatonana ara-panahy izany. Ary raha te hanatona Azy ianao, na manjavozavo ao an-tsainao aza izany hoe fanatonana Azy izany, dia efa mialoha anao ilay teny fampanantenana hoe : « magatah dia omena, mitadiava dia hahita, dondony dia hovahana ». Tsy mandainga izany ry havana ô, tsy mandainga izany e. Fa rehefa tsy hahita Azy ianao, ary matoa ianao tsy mahita Azy : satria tsy mitady Azy, satria ianao tsy mitady Azy e. Ary marina aminao ilay teny nataony tamin’ny mpianany fahizay, hoe : « ianareo tsy mety manatona Ahy ahazoanareo fiainana ». Mangataha, mitadiava, dia hahita ianareo. Ary ny teny fampanantenana mamy mbola omeny antsika dia hoe : « ary izay manatona Ahy dia tsy mba ho laviko mihitsy ».
Izay ilay fahamarinana 1 : MANKANESA ATY AMIKO IANAREO. Fanatonana ara-panahy izany.
Fa iza, iza no asain’i Jesoa manatona Azy ? Mazava be fa hoe isika Fiangonana no asainy manatona Azy. Fa rehefa jerena ilay teny, dia hoe misy sokajin’olona ry havana, sokajin’olona manokana iresahany eto, raha izay no ilazana azy : « Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana ». Diso ihany izany filaza hoe sokajin’olona manokana izany an, rehefa miteny isika hoe miasa fatratra sy mavesatra entana an. Satria raha mandinika ny fiainantsika olombelona ry havana ô : isika mianakavy ireo, raha mahira-tsaina : isika rehetra no hoe miasa fatratra sy mavesatra entana.
Ny entana voalohany : ny fahotana. Mamesatra anie io fahotana tsy ekena io e. Mamesatra anie e, mamesatra io fahotana tsy ibebahana hahazoana famelana io e. Izay io ao an-tsain’i Jesoa eo io ry havana. Ary isika rehetra, samy mpanota ry havana.
Fa tamin’ny andron’i Jesoa ry havana, dia mahita sokajin’olona manokana Izy, dia ireo mpivavaka jiosy : miasa fatratra sy mavesatra entana. Fa maninona no miasa fatratra sy mavesatra entana ? Ilay didy 10 izay nomen’i Jehovah an’i Mosesy ho tandreman’ny vahoakany, mariky ny fifanekeny : novain’ny Fariseo sy ny manora-dalàna ho 600 mahery. Tena mavesatra izany e ; tena mavesatra izany e. Itarina ohatran’izany ilay didy ; ary arakaraky ny iezahan’ny mpivavaka jiosy mitandrina an’izany, vao maika maha-reraka azy, tsy hananany fifaliana, tsy hananany fiadanana ; fa vao maika aza kivy amin’ny tenany izy hoe « tena tsy vita, tsy ho vita io e, tsy vita io e ». Mankanesa aty Amiko ianareo, hoy Jesoa, ianareo izay miasa fatratra ohatran’izany, mitandrina an’ireo didy ireo ary mavesatra entana. Mavesatra entana ny olona noho ny fahotany, mavesatra entana ny jiosy noho ilay didy tsy voahaja ka mamesatra. Mi-culpabiliser, manameloka azy ; fa indrindra indrindra koa : mijery ny andavanan’androm-piainan’ny olona Jesoa ry havana, tamin’izany fotoana izany, dia hitany ireo olona mavesatra entana ireo, tahaka ny hoe andavan’androm-piainantsika malagasy amin’izao Décembre 2020 izao, dia ahitana olona miasa fatratra sy mavesatra entana fadiranovana. Iza le karazana olona hitan’i Jesoa eto ka mahatonga Azy hiloa-bava hoe : « mankanesa aty Amiko ianareo miasa fatratra sy mavesatra entana » ?
- Hitany ireo hoe tambanivohitra mpamboly trotraky ny hain’andro. Mety tsy fantatsika izany ry havana ô.
- Ireo hoe mpamboly vary teny Galilia teny, izany vizaka mampiasa omby tontolo andro. Izany no hitan’i Jesoa eto.
- Ireo hoe mpanarato mikely aina mandritra ny alina manontolo, miasa fatratra mavesatra entana.
- Hoy ilay mpitoriteny anankiray izay, hoe : « ireo mpivarotra tototry ny vovoka sy ny fako eny an-tsena ivarotany » : izany ny olona eo ambany mason’i Jesoa miasa fatratra, mavesatra entana.
- Miasa fatratra sy mavesatra entana ireo mpamory hetra matin’ny vavam-bahoaka. Tenenin’i Jesoa : « Mankanesa aty e, mankanesa aty, manaknesa hoy aho aty, fa Izaho hanome fitsaharana ».
Mavesatra ara-batana, mavesatra ara-panahy, mavesatra ara-tsaina. Ary dia hoe, ilay Jesoa manana fo onena ry havana, miteny hoe : « Mankanesa aty Amiko ianareo » ; fa Izy irery , Izy dia Izy irery - tsy ny dokotera, tsy ny psychiatre, tsy ny psychanalyste, tsy ny psychologue - no mahay manamaivana izany vesatra izany. Ary tsy ankanavaka, tsy misy fepetra ; fa isika mianakavy dia antsoiny : MANKANESA ATY AMIKO IANAREO REHETRA IZAY MIASA FATRATRA. Fa ilay teny fampanantenana dia hoe : IZAHO HANOME ANAREO FITSAHARANA.
Efa ampoizimpoizintsika izany hoe « fitsaharana » izany ; ny azo andikana azy dia hoe « famelombelomana ». Trotraka ianao, vizana ianao, lazon’ny hakiviana ianao, maina, makina ny fiainanao : mila fitsaharana ianao, mila famelombelomana avy amin’i Jesoa. Ary avy amin’i Jesoa irery, avy amin’i Jesoa irery ry havana ô. Ny foko, ny fontsika mianakavy : mitady an’izany fitsaharana izany. Fa ny problema ry havana dia izao : diso fitady izany fitsaharana izany isika dia maika fadiranovana : matimaty ny finoana, mihemotra amin’ny fanompoana sy ny karazany ; izay : vao maika fadiranovana.
Sao dia diso hevitra isika fa ny zava-tsoa eto an-tany eto, ny zavatra mahafinaritra eto an-tany eto, na dia ny tsara indrindra aza ry havana ô, dia tsy afaka manome afa-tsy sombim-piadanana. Ary raha hanome fifaliana, na fifaliana mavitrika ohatran’inona ary an : fifaliana tsy maharitra izany. Soa ilay fiadanana omena ; fa ny ampitson’ilay fiadanana, ny ampitson’ilay fifaliana, ny ampitson’ilay fahafinaretana, dia miverina amin’ilay fahamainana ny fiainanao e, miverina amin’ilay toetrany pôkaty ny fiainanao.
Fa izay ilay Fahamarinana 1, ilay tenin’i Jesoa amintsika mianakavy tsy ankanavaka amin’izao maraina izao, hoe : MANKANESA E, ATY AMIKO E, IANAREO REHETRA IZAY MIASA FATRATRA E, SY MAVESATRA ENTANA ; FA IZAHO HANOME ANAREO FITSAHARANA.
Izay ilay Fahamarinana 1, ilay matoanteny voalohany hoe : MANKANESA ATY AMIKO.
Ny Fahamarinana 2 dia izao ; toriteny izao ho an’ny olona te hoe hanao an’i Jesoa akaikin’ny fony ; izay ilay izy ry havana. Ny Fahamarinana 2 dia hoe : ENTO NY ZIOGAKO.
Fantatsika ny atao hoe « zioga » ry havana. Ilay « zioga », dia ilay hazo fanao eo am-bozon’ny omby rehefa hoe ampiasaina izy na asaina mitarika sarety izy. Dia ialy zioga apetraka eo am-bozon’ny omby iny ; izay no zava-dehibe ; dia hoe fanakambanana omby anankiroa. Fa maninona moa no akambana ny omby anankiroa ? hoe : mba hiray hina izy. Ary fa maninona no mila miray hina izy ? Mba hanamaivana ilay vesatry ny sarety izany. Izay. Izay izany ilay zioga.
Dia io « zioga » io izany lasa nanana heviny ara-panahy, nentina nilazana ilay didy maro izay notanisaintsika teo nataon’ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna ; tena hoe zioga napetraka teo amin’ny mpivavaka jiosy ireny ; hitan’ny mpino jiosy ; hitan’i Jesoa ihany koa hoe tsy mampionona akory ilay fieritreretana, tsy manome fitsaharana. Izay ilay izy. Ary izay no mahatonga an’i Jesoa hiteny hoe : miovà zioga e, ianareo jiosy. Matio moa, ny jiosy no tena resahiny ; fa ny jentilisa koa ilazany : « ento ny ziogako, miovà zioga. Fa Izaho ange Andrian’ny fiadanana e ; Izaho no afaka mamoaka, Izaho no afaka mamoha ilay fiadanana katsahin’ny fonao sy ny fanahinao fatratra. Fa tsy possible izany raha tsy miova zioga ianao ». Ary ny hijoroako vavolombelona aminareo, hoy Jesoa, efa notenenina tany am-piandohana hoe : Jesoa tena akaikin’ny fon’ny Rainy ary ny Rainy tena akaikin’ny fon’i Jesoa. Nahavitan’i Jesoa zava-mahagaga, ary mahagaga indrindra dia ny nanekeny niakatra teo amin’ny lakroa satria niray zioga, niray zioga tamin’ny Rainy Izy ry havana malala ô. Niray zioga tamin’ny Rainy Izy. Ary tsy hoe : niakatra teo fotsiny Izy ; fa amin’ny ankapobeany an, zakany tamin’ny fifaliana, zakany tamin’ny fahamiramiranana ny sitrapon’ny Rainy any an-danitra e. Ary tahaka ny niombonan’i Jesoa zioga amin’ny Rainy, ka itenenana amintsika hoe : « ento ny ziogako » - henoy tsara ry havana- no iarahany mitondra an’izany, amin’izay manaiky hitondra an’izany zioga izany ry havana ô. Izay. Ary jamais ianao akaikin’ny fon’i Jesosy, ary jamais Jesosy akaikin’ny fonao raha tsy mankatoa ianao ka mitondra izany zioga izany.
Izy te ho namanao, manao demande d’ami io, dia hoe : « ento ny ziogako » fa ho mpinamana hafakely isika, hafa indrindra isika. Hafa indrindra ny finamanantsika, hafa indrindra ny fisakaizantsika : hiray zioga isika ary Izaho no hanampy anao hitondra an’izany.
MANKANESA ATY AMIKO. Faharoa : ENTO NY ZIOGAKO. Fahatelo : MIANARA AMIKO. Averina an : teny ho an’ny olona izay te hanao an’i Jesoa akaikin’ny fony izao an. Tsy ho an’ny hafa. Izay ilay izy ry havana.
Fahamarinana 3 : MIANARA AMIKO
Inona moa no tian’i Jesoa lazaina ry havana, rehefa hoe « Mianara Amiko » ? Miteny Izy hoe : « mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho ». Io, mila ianarantsika mianakavy e, io fahalemem-panahy io. Ny fahalemem-panahy voalohany ; avy eo : tsy miavona am-po. Ny olona malemy fanahy ihany no tsy miavona am-po. Ary tena mahavariana mihitsy ity tenin’i Jesoa ity ry havana. Miteny Izy hoe : « mianara Amiko fa malemy fanahy Aho ». Ianaro ny fahalemem-panahiko. Tsy miteny Izy hoe : « ianaro ny fahaizako Soratra Masina », « ianaro ny fahaizako mivavaka » ; non, non, non : IANARO NY FAHALEMEM-PANAHIKO.
Andao isika izay manambady, hifanaiky hoe ataontsika cadeau de noël ho an’ny vadintsika : « chérie an, manomboka anio aho an, dia halemy fanahy aminao ». Izay manana vady eo akaiky : teneno an’izany izy raha sahy.
Isika ray aman-dreny, andao hanapa-kevitra, rehefa hiteny ny zanatsika, alohan’ny hanaovana parole positive, mba hianatra tsy mibetroka e, hianatra tsy hibedy e. Fa ny zaza : zaza adala ; ny fon’ny zaza : fo adala. Fa andeha isika hianatra hananatra amin’ny fahalemem-panahy ry havana ô. Mianara Amiko hoy Jesoa. « Mianara Amiko. Fa izany no fomban’ny olona izay akaikin’ny foko ary akaikiy azy Aho ».
Tsy miavona am-po Aho, hoy Jesoa, hoe : jerena ilay toetrany ka : jerena ilay toetra. Miverina kely amin’ilay resaka tokantrano teo aho, iray minitra fotsiny. Rehefa malemy fanahy ohatran’izay isika an, rehefa miresaka amin’ny vadintsika isika na amin’ny zanatsika, dia capable manazava, capable mamerina ny fahalemem-panahy. Fa rehefa manao dinika mariage ianao, ohatra hoe manao dinika préparation-na mariage, dia anontaniana ilay lehilahy na anontaniana ilay vehivavy : « inona no tena tsinin’io lehilahy io voalohany » ? Satria araka ny Efesiana, tsy misy lehilahy sy manan-tsiny, tsy misy vehivavy sy mana-tsiny ; « Oui Pasitera an, oui oui oui ; izy tena impatient, izy tena malaky tezitra, izy tena mora miavona, mototea be ». Ry havana ô, izay ilay lehilahy, vehivavy feno avonavona : avonavom-po. Ary normal ianao miavonavona satria tsy mahay manetry tena ianao amin’ny fahalemem-panahy ry havana ô.
Fa Jesosy eto an, hoe tsy miavona am-po. Hitantsika tsara izy hoe niara-nilalao Izy tamin’ny ankizy madinika. Izay ilay hoe tsy miavona am-po. Hitantsika Izy hoe niara-nihinana tamin’ny mpamory hetra sy ny mpanota. Halany ny fahotana, tena halany ny fahotana ; fa tsy manilika Izy an’ilay mpanota. Izany, izany Jesoa ilay mila ianarantsika ry havana ô.
Izay izany ilay Fahamarinana 3 hoe : MIANARA AMIKO FA MALEMY FANAHY AHO. SADY TSY MIAVONA AM-PO. Dia mbola anteriny ilay teny fampanantenana hoe : « Dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo ».
Ny zavatra ampianarin’i Jesoa antsika, ampatsiahivina antsika ry havana androany : ny fitsaharana tena ilaintsika dia fitsaharan’ny fanahy. Ilaina ny fitsaharan’ny vatana, izany no tsy iasana Alahady ; mitsahatra ilay vatana. Fa indraindray ianao tsy miasa Alahady ; tonga ny Alahady alina, tonga ny Alatsinainy maraina : - « comment ça va ? » ; - « comme un Lundi » Satria tsy manana fitsaharana ilay fanahinao. Fa izay ilay olona akaikin’i Jesoa : mahita fitsaharana mandrakariva ny fanahinareo hoy Izy. Ary io fitsaharana io, tsy vokatry ny fahaizana, tsy vokatry ny fahalalana, tsy vokatry ny ezaka ataonao, fa fanomezana omen’i Jesoa anao. Ary ny fomba fanomen’i Jesoa ry havana : fanomezana maimaim-poana. Izany io. Fa mankanesa aty Amiko e, ento ny ziogako e, dia mianara Amiko ry havana ô. Mianara Amiko hoy Izy. Tsy vidiana, tsy iezahana. Ary ny fisehony rehefa anaty fitsaharana ny fanahinao : fantatry ny olona ianao fa anaty problème, dia anontaniana hoe : « ça va ve ianao e ? » ; dia mamaly ianao hoe : « mbola tsy nilamina ny problemako, fa ça va, ça va ». Izay ilay fanahy mitsahatra. Anontaniana ianao : « ça va ve ? » ; « tena mbola tsy milamina ny tokantranonay, ny vadiko itanao iny, mbola ohatran’izao ; fa ça va, ça va ». Izay ilay olona anaty fitsaharana, dia ny fitsaharan’ny fanahy ry havana ô.
Manantitra farany Jesoa eo amin’ny and.30 : « mora ny ziogako ». Tery izany Izy niteny hoe : « ento ny ziogako » ; dia eto, mbola manafatra ihany Izy : « mora ary maivana ny entako ». Fa maninona ry havana no hoe ampaherezina isika hoe : « mora ny ziogako » ? Tiana hazava tsara, sao mbola ty mazava, eto am-pamaranana, ilay « zioga », tsy hoe ilay zioga hazo iny ; ilay « zioga », tsy ilay ziogan’ny testamenta taloha. Ny atao hoe « zioga » araka ny lazain’i Jesoa, dia hoe « ziogan’ny fanoavana, ziogan’ny fanekena, ziogan’ny obésissance ». Jamais Izy ho eo akaikinao, ary jamais ianao ho akaiky Azy raha mbola tsy mitombo amin’izany fankatoavana izany. Jamais, jamais, jamais.
Fa maninona Izy no mbola mampahery, mananatra, mamporisika hoe : « mora ny ziogako ary maivana ny entako ? Hoe maivana ry havana, satria Izy, noho ny fitiavany anao : tsy mampitondra anao zavatra tsy ho zakanao e. Tsy hampitondra anao zavatra tsy ho zakanao Izy. Izany no ilazany : mora e, mora ny ziogako e, ary maivana ny entako e. Ary araka ny efa notenenina teo : fa maninona no mora ? fa maninona no maivana ? Mora sy maivana satria Izaho ange efa hoe manohana e, sady miara-mitondra e ; manohana e, sady miara-mitondra e. « Mora ny ziogako ary maivana ny entako ». Mampahey antsika Izy satria ny devoly efa mikitikitika tsara ny saintsika sy ny eritreritsika hoe : « tsy vitanao izany, tsy marina izany. Mavesatra be io. Ce n’est même pas la peine d’essayer ». Fa hoy Jesoa hoe : « mora ny ziogako, ary maivana ny entako ». Ary mbola miteny aminareo Aho, hoy Izy, eto am-pamaranana : any am-boalohany ihany no toa sarotra ireo ziogako ; fa rehefa tafaray amin’i Jesoa ianao, dia satry foana hitondra azy. Any am-boalohany, dia toa sarotra, impossible ilay zioga ; fa rehefa tafaray eo ambany zioga miaraka amin’i Jesoa ianao, dia satry foana hitondra azy.
Ry havana ô, ry havana ô, miteny aminao ny Tompo hoe : mankanesa any Aminy amin’izao maraina izao ; ento ny ziogany e ; mianara Aminy e. C’est ce que nous avons de mieux à faire.
Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amena