RESAKA OBEISSANCE ABSOLUE ET SANS CONDITION

« Ary rehefa nitsahatra niteny Jesoa, dia hoy Izy tamin'i Simona:
Mandrosoa ho any amin'ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano.Fa Simona namaly ka nanao hoe: Tompoko, mandritra ny alina no efa nikelezanay aina, nefa tsy nahazo na inona na inona; kanefa noho ny teninao; dia halatsako ihany ny harato. Ary rehefa nataony izany, dia nahazo hazandrano be dia be izy, ka efa nisy triatra ny haratony ». Lioka 5 :4-6

Nianatra logos Petera – Nahazo rhema Petera – Inona ny lesona eo amin’y and.5 hoy tohin’izay ? « Fa Simona namaly ka nanao hoe: Tompoko ». TOMPOKO.

Tsy mahavantana an’i Lioka ry havana ny manonona an’i Jesoa amin’ny anarana hafa. Fa tonga dia apetrany hoe Jesoa dia Tompo. Ary Tsy Tompo fotsiny Jesoa, araka ny fiantsoan’i Lioka. Fa Petera dia miantso Azy hoe TOMPOKO.

Izany Tompo izany dia hanana obéissance absolue et sans condition. Soa tsika fa handinin-tena fa handohalika ny amin’izany rehefa avy eo. Mino aho fa maro amintsika no manana an’i Jesoa ho Mpamonjy, fa firy amintsika no manao Azy ho : Tompoko.

Sarotra amintsika, tena sarotra « Fa Simona namaly ka nanao hoe: Tompoko ». Fa maninona no sarotra amintsika ? Satria ilay fo maloto, dia tena faran’izay intelligent. Intelligent ahoana ? Jereo tsara eo amin’ny and.2 hoe : « ary nahita sambokely roa nijanona teo an-tsisin'ny farihy Izy; fa ny mpanarato efa niala taminy ka nanasa ny haratony ». Nanarato nandritra ny alina manontolo ireto mpanarato ireto. Sûr fa ao ny havizanana, sûr fa ao ny déception tsy nahazo na inona na inona. Dia miteny Jesoa hoe : alatsaho amin’ny lalin-dalina. Ry zareo tsy namaly hoe : Jesoa an, vizana izahay e, vizana izahay e. Nefa logique be izany hoe vizana ary ao koa ilay déception hoe zéro vokatra ianao nandritra ny alina manontolo. Izay ilay intelligence-ny olona maloto fo. Rehefa tenenina hoe alatsaho io dia hoe eny tompoko ; alatsaho izao fa tsy alatsaho ratoandro. Ny mpandinika dia milaza hoe ny mpanarato an, ny alina izy no manarato.Dia azon’ireto mpanarato ireto tsara ny namaly, Petera sy ny namany hoe : Jesosy an, koa ny alina iray manontolo izahay no efa nanarato, koa inona no zavatra ho andrasanay eto, ho antenainay eo amin’ny andro atoandro ? Logique be izany Jesosy an. Izay ilay izay, izany isika mianakavy ry havana. Fa izao : ilay olona miantso hoe Tompoko : obéissance absolue et sans condition. Na tsy manam-po ary hahazo, dia mankatoa ry havana.

Jesosy,mpandrafitra ny asany, fa tsy mpanarato Izy. Fa manan-kolazaina Izy amin’ny asanao, ny amin’ny raharahanao, mba hampitondra fahombiazana anao.

Ity hoe farihin’i Genesareta misy ny tantara ity , lazain’ny mpandinika hoe 21km de longueur, 11km de largeur. Fa jereo tsara ny tenin’i Jesoa tamin’i Petera an : alatsaho ny haratonareo. Dia hoy ilay mpandinika hoe ao amin’ny ranomasin’i Galilia, ao amin’io farihin’i Genesareta io, be dia be ny karazana hazan-drano, misy hazan-drano mandeha amin’ny andiany. Dia efa fantatr’i Jesoa hoe ao, misy andiany ho avy eo ka alatsaho ao ny haratonao ary amin’izao io, fa izao no ao ilay trondro.

Ry havana, mba raiso anio ho Tomponao Jesoa. Ary aoka izay ilay intelligence- ny fo maloto e : ka izao, ka izao, be blibla, be blabla, be blabli. Izany, raha te hahita fahombiazana ianao, raha te hahita fifaliana ianao amin’ny fanarahana ny Tompo, raha te hitondra vokatra ianao amin’ny fanaova-mpianatra.

Raiso Jesoa ho Tomponao, ary rehefa handohalika ianao rehefa avy eo, mifonà aloa voalohany indrindra, hoe : mifona aho ny amin’io intelligence lotoin’ny faharatsiam-poko io Jesoa, fa tena hoe manomboka anio aho Jesosy, n’inon’inona logos azoko, sy rhema omenao ahy, dia tena hoe manaiky aho, ankatoaviko, na tsy azoko, na mety tsy hahitako vokatra aza. Andeha handinin-tena isika.