Faly indrindra ry havana, amin’izao Alahady izao an, mahatsiaro ireo maritiorantsika, tena hoe harena ary reharehantsika kristiana malagasy ny fananana an’ireo maritiora ireo. Enga anie ka tsy ho tantara fotsiny izany fa tena hoe hampandinin-tena antsika Fiangonana : « izaho ve mba manana fanahin’ny maritiora ? Izaho ve mba taranaky ny maritiora ? ». « Tsy hoe Pasitera aho, fa Pasitera taranaky ny maritiora ve ianao e ? ». Izay ny fampieritreretana ho antsika.
Ary miarahaba manokana anareo SLK, izay entintsika Isotry Fitiavana am-bavaka amin’izao Alahady faha-valon’ny volana Aogositra izao an. Ny antom-bavaka ho anareo, ny firariantsoa ho anareo dia hoe : ho lehilahy taranaky ny maritiora ry havana ô. Izay no hany zavatra irianay ho anareo : lehilahy taranaky ny maritiora ary mitaiza ny ankohonany ho taranaky ny maritiora.
Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 7, Stefana maritiora voalohany, ary possible ho an’i Stefana ny ho maritiora satria lehilahy feno ny Fanahy Masina. Ny hafatra ho antsika Fiangonana androany dia hoe : Ry havana ô, KATSAHO NY HO FENO NY FANAHY MASINA MANDRAKARIVA. Izay ilay hafatra ho antsika. Ary raha ny marina, raha ny tena Soratra Masina no jerena, tsy hoe : KATSAHO NY HO FENO NY FANAHY MASINA MANDRAKARIVA, fa araka ny tenin’ny Apostoly Paoly, hoe : KATSAHO NY HO FENOINA NY FANAHY MASINA MANDRAKARIVA. Izany ny hafatra ho antsika Fiangonana.
KATSAHO NY HO FENOINA NY FANAHY MASINA MANDRAKARIVA. Izay ry havana ô, izay. Ary satria tsy antom-bavak’isika FJKM izany ; izany no ahitantsika an’izao zavatra à gauche, à droite, io rivotra mitsoka ao amin’ny FJKM isaky ny ambaratonga io. Hitan’ny Tompo izany, dia miteny Izy hoe : ô ry ireto an : KATSAHO NY HO FENOINA NY FANAHY MASINA MANDRAKARIVA.
Salamo 31. Inona ny Fahamarinana 1 ampahatsiahivin’ny Tompo antsika izay mikatsaka an’izany hoe ho fenoina ny Fanahy Masina mandrakariva izany ? Salamo 31 :2 : « Atongilano amiko ny sofinao, faingàna hamonjy ahy; aoka ho vatolampiko fiarovana mafy Hianao sy batery fiarovana hamonjena ahy ». Ny lehilahy, ny mpino mikatsaka ny ho fenoina ny Fanahy Masina mandrakariva dia lehilahy, na olon’ny vavaka. Olon’ny vavaka. Izany ny olona fenoin’ny Fanahy Masina ry havana ô : olon’ny vavaka. Vavaka io ataon’i Davida, hoe : « Atongilano amiko ny sofinao ».
Eo amin’ilay and.5 : « Eo an-tananao no atolotro ny fanahiko ». Teny malaza be izy io, teny manomboka fantatr’isika Isotry Fitiavana io. Teny teo am-bavan’i Jesoa io raha nohombohana teo amin’ny hazo fijaliana Izy. Izay no mahatonga ny mpandinika hiteny hoe, tsy io Salamo 31 :5 io, fa ny Salamo iray manontolo, dia milaza ny momba an’i Jesoa ; ary ny lazaina voalohany indrindra momba an’i Jesoa : sady tena Andriamanitra, sady tena olombelona tonga tety an-tany, dia lehilahin’ny vavaka. Lehilahin’ny vavaka. Manomboka Izy, Marka 1, tototra Izy ny andro voalohany nanomboka niasany, nitoriteny Izy tao amin’ny synagoga, dia eo am-pitoriana teny ohatran’izao izy an : mihetsika ny fanahy ratsin’ilay lehilahy anankiray. Tonga dia nidina Izy : niasany ilay lehilahy. Avy eo, taorian’izay dia hoe : nanasitrana ny olona nanana ny rofy rehetra tao amin’io tanànà io Izy. Niely ny lazany, niely ny fahefany ; zavatra nitranga : ny ampitso maraina, andro faharoa niasany tety an-tany, dia hoe : vahoaka no nitady Azy. Inona no zavatra nataony ? Nandeha nitokana vao maraina alina tany amin’ny toerana mangina Izy mba hahazoany mivavaka. Izany no anombohan’i Jesoa ny journée-ny : fitokanana am-bavaka ry havana ô. Izany ny olona feno ny Fanahy : manomboka ny journée-ny amin’ny vavaka. Ary mitokana Izy mba hahazoany antoka hoe tsy voakotabataba, tsy ho voaelingelina. Tsy ilay asa famonjena marary sy ilay asa famoahana demonia no nahamaika an’i Jesoa, fa ny fitokanana am-bavaka, raha tsy izany : tsy manana hery sy fahefana Izy anatanterahana ny mission-ny. Ary ny mpandinika rehetra izay manazava an’ity, manazava ny fiainan’i Jesoa, dia milaza an’ity fahamarinana ity, hoe : Jesoa dia lehilahy tanteraka ary nampiseho ny fahatanterahany tamin’ny nanehoany ny dépendance-ny tamin’Andriamanitra : fiankinam-po, fiankinam-doha amin’Andriamanitra. C’était un homme parfait qui a montré sa parfaite dépendance vis-à-vis de Dieu. Ho lehilahy parfait ianareo e, ampiseho an’izany dépendance-nareo izany amin’Andriamanitra. Sarotra amintsika lehilahy izany. Izaho, lehilahy no mitoriteny. Sarotra amintsika lehilahy izany hoe mampiseho dépendance izany, na amin’iza na amin’iza. Fa aoka isika ho lehilahy, aoka isika ho olon’ny vavaka. Ary ny ahafantarana hoe mivavaka amin’ny fontsika isika, dia manao tahaka an’i Davida, hoe : « Jesoa a, atongilano amiko ny sofinao ». Sahala ny miteny isika rehefa mivavaka ao an-tsaintsika ao, miteny amin’i Jesoa ao am-pontsika ao hoe : « Jesoa a, atohofy amin’ny vavako ny sofinao e ». Maninona aho no miteny an’izany ? Miteny an’izany aho satria hoe fantatro fa Andriamanitra velona, Jesoa velona izany ivavahako izany. Fa tsy mivavabavaka manao plivava eo aho. Fa afaka manao plivava aho, dia gaga aho tsy misy valim-bavaka, dia gaga aho, dia leo aho mivavaka. Dia tsy ho henoiny vavaka izany ry havana ô. Mila ianarantsika izany hoe : « Jesoa a, atongilano amiko ny sofinao ». Meteza ho Fiangonan’ny vavaka isika Isotry Fitiavana, ho lehilahy, ho vehivavin’ny vavaka ry havana ô.
Izany ireo maritiora ireo : lehilahy, vehivavy olon’ny vavaka. Noho ny nanomboka ny fanenjehana 1835-1836, nanomboka ny fandraran’i Ranavalona 1 ny christianisme fa notereny hiverina amin’ny fomban-drazana ny malagasy, ny rehetra rehetra : nisy andiany kristiana tsy nanaiky an’izany, fa nivavaka an-tsokosoko izy : nivavaka aloha izy tao Ambatonakanga tao ; nivavaka izy amin’ny alina ry havana ô, amin’ny alina amin’ny 12 alina izy no mivavaka. Oviana isika na mba nankaty am-piangonana tamin’ny 12 alina izany ? Tsy nankaty isika satria tsy feno ny Fanahy Masina ry havana ô. Dia rehefa voarara, tratran’ny polisy hoe mivory ao Ambatonakanga : any an-tranony ny tsirairay no mifandimby indray. Dia tsy nahazo aina ilay kristiana, satria izy mivavaka io, sady mihira, dia any amin’ny tendrombohitra any, any akaikin’Ankatso any hono, no mivory ; ny andro avy orana ; fa nanatsara zavatra ilay andro avy orana satria rakotr’ilay tabataban’ilay orana ilay feon’ny hira. Izany ry havana ô, izany ny olona feno ny Fanahy Masina, modely ho antsika Malagasy izany e. Izany, izany. Aoka isika ho kristiana fenoina mandrakariva ny Fanahy Masina.
Misaotra ny Tompo ry havana, ny amin’ilay cellule de prière hoe « Mpiara-miari-tory amin’i Jesoa » ato. Misaotra ny Fiangonana nandray azy e. Tsy mora izany, ilay Alarobia amin’ny
7 ka hatramin’ny 8 eo. Misaotra ny Tompo. 100, 120, 130. Misaotra ny Tompo ny amin’ireo 120 na 130 ireo. Izay ilazana an’izany, miala tsiny aho ny amin’ilay teny : kirana, kirana izay mahita an’izany. Ary misy olona ao izao, vitsivitsy tsy mpivavaka ato Isotry Fitiavana, nahare ny tsirony dia mitaona izany havana izany. Fa izany ny hafatra ho antsika ry havana ô : Ataovy sérieux ny vavaka – Mivavaha amin’Andriamanitra velona – Mivavaha amin’i Jesoa velona.
Nampihomehy ry havana, namana, tamin’ity taona ity izy, tsy lazaiko hoe volana anona fa sao dia fantatrareo iza izy ; avy aty izy dia : « Pasitera an, tena variana mihitsy aho, sendra nifanena tamin’i ra-anona ny masoko : midiridiry mivandravandra be izy mandritra ilay vavaka ». Izay ilay zavatra. Aza manao an’izany ry havana ô. Nahita an’izay aho dia nodinihiko, nodinihiko, tsy mandray ny fanasan’ny Tompo akory izy : fa inona no ahatongavanao aty e ? Inona no ahatongavanao aty ? Ary ny tena mahavariana, hoy izy : izy sy ny namany dia psss psss psss mandritra ny toriteny. Inona ary izany ? Tsy olona feno ny Fanahy Masina izany ry havana. Tsy olona feno ny Fanahy Masina.
Aoka isika mianakavy ho fenoina mandrakariva ny Fanahy Masina, dia ho lehilahy, ho vehivavy, ho olon’ny vavaka ; ahavatra hiteny amin’i Jesoa hoe : « Atongilano amiko ny sofinao Jesoa a, fa Ianao no ialofako. Tsy ho menatra aho mivavaka Aminao. Ary Ianao no fiarovana mafy ho ahy ary hanafaka ahy Ianao amin’izay hoe fandrika, harato izay nokasaina hamandrihana ahy ».
Izay ny Fahamarinana 1 hoe : AOKA HO LEHILAHY, AOKA HO VEHIVAVY OLON’NY VAVAKA. ATAOVY SERIEUX AMIN’IZAY NY VAVAKA.
Ny Fahamarinana 2 ao amin’ny Matio 21 ry havana, and.42 sy 44 : « Hoy Jesosy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny ao amin’ ny Soratra Masina hoe: Ny vato izay nolavin’ ny mpanao trano, Dia izy no efa natao fehizoro; Avy tamin’ i Jehovah izao Ka mahagaga eo imasontsika? Ary izay potraka amin’ ity vato ity dia ho torotoro, fa na zovy na zovy no hianjerany, dia ho mongomongo ».
Ny Fahamarinana 1 : ATAOVY SERIEUX NY VAVAKA. AOKA IANAO HO OLON’NY VAVAKA. Ny Fahamarinana 2 dia hoe : ATAOVY FEHIZORON’NY FIAINANAO JESOA.
Efa nolazaina ombieny ombieny teto ry havana, fa ilay fehizoro ohatra, dia amin’ny an-dohalambo ohatran’izao, dia ilay vato ery an’anona ery. Ka raha vao tsoahina io vato eo afovoany io dia mirodana.
Rehefa miteny ny Soratra Masina, rehefa miteny ny Fanahy hoe ATAOVY FEHIZORON’NY FIAINANAO JESOA, dia diniho hoe : raha tsoahina eo amin’ny fiainako ve Jesoa dia mirodana ny fiainako, rava ny fiainako, ruine ny fiainako ? Tena izany ve ny fiainanao ? Rava ny fiainantsika ry havana ô, ho an’ny sasany rehefa maty ray aman-dreny izy ; rava ny fiainan’ny sasany, en ruine ny fiainan’ny sasany rehefa maty vady izy ; maizina amin’ny sasany ny fiainana, maizina aminy ny tany aman-danitra rehefa mandevon-janaka izy ; eny, Ok. Ok tsara. Etc… Ruine ny fiainany rehefa may kilan’ny afo ny tranony na ny pavillon-ny sy ny tahak’izany ; ruine ny fiainany rehefa voaroban’ny mpangalatra ny fananany. Ruine, ruine ny fiainany. Fa maninona no ruine ny fiainany ? Satria ireo ry havana ô, no hoe vato fehizoron’ny fiainany. Ary possible hoe ampandalovan’i Jesoa amin’izany izy idongian’i Jesoa aminy hoe : « Izaho atao vato fehizoron’ny fiainanao ». Fa tsy ireo zavatra notanisaintsika ireo ry havana ô. Misy olona mivaraontsana satria ohatran’izao sy ohatran’izao sy ohatran’izao, fa tsy mampaninona azy ny tsy manana an’i Jesoa eo amin’ny fiainany. Ny essentiel dia ilay position aty am-piangonana ; ny essentiel dia ilay fanompoana aty am-piangonana ; ny essentiel dia ilay position eo amin’ny fiaraha-monina. Izany no itenenana antsika hoe : aoka ianao ho fenoina mandrakariva ny Fanahy Masina. Ary rehefa fenoina mandrakariva ny Fanahy Masina ianao, ny itarihin’ny Fanahy Masina anao dia hoe : apetrao amin’izay io Jesoa io, eo amin’ny toerana tokony hananany, dia ho vato fehizoron’ny fiainanao. Ireto lohan’ny mpisorona ireto ry havana dia tena hoe tsy nanome toerana an’i Jesoa ; mazava ho azy rehefa mamaky azy ; tsy nanome toerana an’i Jesoa izy tao amin’ny fiainany ; tsy nanome toerana an’i Jesoa izy tao amin’ny fisainany sy tao amin’ny eritreriny ; fa nandà izy, hoy ny filazantsara.
Ry havana ô, rehefa tsy apetrakao ho vato fehizoron’ny fiainanao Jesoa, ivon’ny fiainanao Jesoa, malahelo aho miteny aminao : naman’ny mandà ianao. Naman’ny mandà ianao.
Ahoana izany olona hoe manao an’i Jesoa ho ivon’ny fiainany izany ? Ery amin’ny and.37 hoe : « Ary nony farany dia naniraka ny zanany hankany aminy izy ». Jesoa io zanaka io. Manao an’i Jesoa ho ivon’ny fiainanao ianao ? Tu commences par le commencement : mandray Azy ho Tomponao sy Mpamonjinao. Diniho ihany, hainao tsianjery izany ; fa sao dia hoe Mpamonjinao Izy, fa tsy ianao ilay mandray Azy ho Tomponao ? Misy Tompo eo an, izany hoe aty misy mpanompo ry havana ô. Misy Tompo eo an : aty misy andevo. Izany ny olona manao an’i Jesoa ho vato fehizoron’ny fiainany : mandray Azy ho zanak’Andriamanitra, mba ho raisiny isika, mba hahazoantsika alalana, zo sy fahefana ho tonga zanak’Andriamanitra. Izany no vato fehizoron’ny fiainantsika. And.38 hoe manao azy ho mpandova. Ry havana ô, Jesoa ange no handova ny lanitra e. Jesoa no handova ny lanitra. Ary efa any Izy. Miantso antsika Izy, miara-mandova Aminy ; ka raha tsy fanatatrao Izy, hoe io ilay mpandova, raisinao Izy ho zokinao, dia eo koa ianao hoe : « an an an, Jesoa an, hay moa Ianao ilay mpiara-mandova amiko, ary noho Ianao no ahazoako mandova ny lanitra ; fa raha tsy Ianao no lalana sy fahamarinana ary fiainana : izaho tsy handova an’izany lanitra izany e, tsy ho hitako izany lalana mankany amin’ny Ray izany e ». Izay ry havana ô, izay. Izany ny olona manao an’i Jesoa ho fehizoron’ny fiainany : mandray Azy toy ny zanak’Andriamanitra, mandray Azy ho toy ny mpiara-mandova Aminy izany hoe lanitra izany. Ary io, tsy azonao iodivirana io : and.44 : « Ary izay potraka amin’ ity vato ity dia ho torotoro ». Ilay vato io an : Jesoa io izany. Jesoa io. Amin’ny fiainantsika isan’andro isan’andro isan’andro : eo io vato io. Rehefa tsy ataontsika ho fehizoron’ny fiainantsika Izy, dia ho torotoro ianao e, ho torotoro ianao. Tsy mandainga, tsy mandainga izany tenin’Andriamanitra izany : ho torotoro ianao, ho torotoro ny fanahinao, ho torotoro ny sainao e, ry havana ô. Ny sainao hihamaizina rehefa tsy ataonao fehizoron’ny fiainanao Jesoa ry havana. Jamais ianao hahita an’izany hoe fiadanam-po izany ; jamais, jamais, jamais, rehefa tsy ataonao fehizoron’ny fiainanao Izy. Anaty tahotra mandrakariva ianao, anaty horohoro mandrakariva ianao ry havana ô etc… Izay ilay hoe olona ho potraka satria tsy nametraka an’i Jesoa ho fehizoron’ny fiainany. Dia hoy ny Soratra Masina hoe : « Ary izay potraka amin’ ity vato ity dia ho torotoro » : iray izay. « Fa na zovy na zovy no hianjerany » : ahoana tsara moa izany ? Ilay voalohany miteny hoe : potraka amin’ilay vato, ilay faharoa hoe : ilay vato hianjera. Ilay hoe : ho potraka amin’ny vato an : Jesoa tonga tamin’ny 2000 taona lasa izay ; iny vato iny tonga 2000 taona lasa izay ; mangataka Izy aminao hoe : « Ataovy fehizoron’ny fiainanao Aho ». Fa ilay hoe : fa na zovy na zovy no hianjerany : milaza ny fiverenany indray izany ry havana ô. Izay ilay puissance-ny tenin’Andriamanitra : ao antian’ny andininy anankiray milaza zavatra anankiroa, évènement anankiroa ngeza be. Voalohany, ny fahatongavan’i Jesoa tamin’ny 2000 taona lasa ; faharoa ny fiverenany hitsara ny velona sy ny maty ry havana ô. Dia hoe : na zovy na zovy no hianjerany, amin’izay fotoana hiverenany izay, dia ho mongomongo, ho mongomongo. Izany ny soratra eo ry havana : ho mongomongo. Ary izany no andondonan’ny Tompo antsika androany e : ianao aoka ho fenoina mandrakariva ny Fanahy Masina, dia ny Fanahy Masina mbola hiteny aminao hoe : « ampy ity fombam-pivavahana ity Pasitera an, ataovy vato fehizoronao amin’izay Jesoa ». Aleo appliquer-ko amiko ilay izy ry havana ô. Izany. Izaho tsy te ho mongomongo rahatrizay hiverina Izy amin’ny fotoana hiverenany.
Izay ny Fahamarinana 2 : ATAOVY FEHIZORON’NY FIAINANAO JESOA
Asan’ny Apostoly 7 : 55-56 ;59 : « Fa Stefana, feno ny Fanahy Masina, dia nibanjina ny lanitra ka nahita ny voninahitr’ Andriamanitra sy Jesosy nitsangana teo ankavanan’ Andriamanitra, dia nanao hoe: Indro, hitako ny lanitra misokatra ary ny Zanak’ olona mitsangana eo ankavanan’ Andriamanitra. Ary ny olona nitora-bato an’ i Stefana, izay niantso hoe: Ry Jesosy Tompo ô, raiso ny fanahiko ». Ny olona fenoina ny Fanahy mandrakariva ry havana dia miova fijery ka mibanjina ny lanitra, mianatra mibanjina ny lanitra. NY OLONA FENOINA NY FANAHY MANDRAKARIVA DIA MIBANJINA NY LANITRA.
- Mandray au sérieux ny vavaka
- Manao an’i Jesoa ho fehizoron’ny fiainany
- Mibanjina ny lanitra
Io ange efa hafatry ny Apostoly Paoly e : « saino ny zavatra any ambony, any amin’izay itoeran’i Jesoa Kristy ». Saino ny zavatra any ambony fa tsy ny ety an-tany. Katsaho ny zavatra any ambony fa tsy ny ety an-tany. Isika mianakavy alaim-panahy hikatsaka sy hisaina isan’andro ny zavatra ety an-tany ry havana ô. Andao hianatra hibanjina ny lanitra. Andao hianatra hibanjina ny lanitra.
Fa rehefa mibanjina ny lanitra ianao, dia toy ny mianatra manana ny fijery avy any an-danitra. Hitanareo, rehefa hoe eny ambony avion dia mijery ny ety an-tany, mijery an’ity tany misy antsika ity : misy fotoana tena kely sy bitika ny ety an-tany, kely sy bitika ny ety an-tany ety e ; satria avy any ambony ianao no mijery, avy eny amin’ny habakabaka ianao no mijery. Izay ilay izy. Fa rehefa hoe mijery ny ety an-tany ianao an, manana ny fomba fijerin’ny ety an-tany ianao an : zavatra bitika ohatran’iny dia maka proportion tsy hita pesipesenina. Jerena avy any an-danitra iny ry havana : kay zavatra tsy misy dikany, kay zavatra faran’izay bitika izany e. Inona no lazaina eto hoe karazana faran’izay bitika ? Notoraham-bato ange i Stefana eto e ; notoraham-bato ho faty ange Stefana eto e, entre parenthèses, diakona an. Enga anie ka ho maro ny lehilahy diakona ato, taranak’i Stefana ry havana. Notoraham-bato. Dia izany ve dia lazain’i Pasitera fa kely sy bitika ? Ie, kely sy bitika izany raha oharina amin’ny ho aviny mandrakizay omanin’i Jesoa ho azy ry havana ô. Tsy azontsika izany. Kely sy bitika ny fijery avy any an-danitra izany hoe fitoraham-bato an’i Stefana izany. Satria inona ny zavatra goavana be hitan’i Stefana ? Nahita ny voninahitr’Andriamanitra sy Jesoa nitsangana teo an-kavanan’Andriamanitra. Olona feno ny Fanahy no mahita an’izany ry havana ô. Nahita an’i Jesoa nitsangana teo an-kavanan’Andriamanitra.
Ny zavatra ambarantsika amin’ny fanekem-pinoana tononina isan’Alahady dia hoe niakatra ho any an-danitra Jesoa, mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra. Ny ambaran’ny fanekem-pinoana dia Jesoa mipetraka. Fa eto, hoe : hitan’i Stefana Jesoa nitsangana ry havana ô, teo an-kavanan’Andriamanitra. Mahafinaritra ny fitenin’ny mpitoriteny hoe : « nitsangana Jesoa handray ny fanahin’i Stefana ». Misaotra ny Tompo, efa hatramin’ny louange isika nahazo an’izany teo. Nitsangana Jesoa handray ny fanahin’i Stefana. Ary averina amintsika ombieny ombieny e : inona ny zavatra mitranga rehefa maty ? Ho an’ny olona rehetra, na ny mino na ny tsy mino, hoe : modimandry. Amin’ny teny frantsay, hoe, miresaka an’i Stefana eto hoe nodimandry izy, hoe : « il s’endormit ». Ny vatantsika, na vatan’ny mino izany, na vatan’ny tsy mino an, dia aterina eny am-pasana : matory ao izy. Marina ilay hoe mandry izy ; ilay « mandria am-piadanana » faran’izay diso. Fa ilay hoe mandry : ao amin’ny fasana izy ambara-pahatongan’ny fitsanganana amin’ny maty. Fa ho an’ny olona toa an-dry Stefana izay modimandy ao amin’ny Tompo, ny fanahy ry havana ô, dia eo noho eo ihany dia miakatra any amin’i Jesoa araka izay hitantsika eto. Izay no tsy tokona atahorana ny fahafatesana e. Manintenant, raha hoe mpandala fombam-pivavahana ianao isaky ny Alahady an : any amin’ny helo ianao ; ny vatanao ao am-pasana, fa ny fanahinao avy hatrany dia mamantana any amin’ny helo. Izany fahamarinana fototra ambaran’ny Soratra Masina, mba tsy hatahorantsika intsony e izany fahafatesana. Tsy misy maniry eto an-na iza na iza ho faty ; izay ; fa izany no izy. Ary tena hoe tokony ho reflexe, tokony ho reflexe ho antsika ry havana izany hoe, rehefa mandalo lohasaha aloky ny fahafatesana isika, tokony reflexe ho antsika ny hoe : « Jesoa a, Jesoa a, tahaka an’izay nataonao teo ambony hazo fijaliana, Jesoa a : apetrako eo Aminao ny fanahiko ». Ary rehefa any aminareo any ianareo, misy ao amin’ny ankohonanareo, ao amin’ny tokantranonareo olona atao eo am-bavahoan’ny fahafatesana, tsy azo Pasitera, tsy azo ny mpiandry ; eny e, ce n’est pas grave ; fa teneno hoe : « Jesosy a, atolotro eo an-tananao ny fanahin’ity mpanomponao ity, ity zandrikelinao ity. Izany no ianaro manomboka izao ry havana. Raha ohatra izy mbola mahatsiaro saina, dia teneno hoe : « araka ilay fampianarana ao amin’ny Baiboly : andao ianao anolotra ny fanahinao eo an-tanan’i Jesoa ». Vavaka faran’izay tsotra izany ry havana ô. Vavaka faran’izay tsotra. Raha ohatra efa coma tsy mahatsiaro tena ilay olona, noho ilay Matio 18 hoe : « raha misy roa aminareo mifanaiky ety ambonin’ny tany na amin’inona na amin’inona ka hangataka izany, dia ho azony avy amin’ny Raiko Izay any an-danitra izany ». « Ray malala ô, indreto izahay mivady, indreto izahay mianaka mitondra am-bavaka an’ity mpanomponao ity : atolotray eo an-tananao ny fanahiny ». Izany ny fiainam-pinoana ry havana ô. Izany ny pratique-ny finoana izany. Mibanjina ny lanitra mandrakariva ka mahita ny hahakelin’ny zavatra ety, na zavatra mahafaly na zavatra manahirana, zavatra mahasosotra, fandriky ny fahavalo. Zavatra bitika izany e. Zavatra bitika izany.
Mibanjina ny lanitra. Ary farany, mitodika aminareo vehivavy aho, satria lehilahy no entina am-bavaka androany : andao ianareo vehivavy miara-mamaky amiko ny and.60, ny vehivavy ihany an : « Dia nandohalika izy ka niantso tamin’ ny feo mahery hoe Tompo ô, aza atao ho helony anie izao ota izao ». Aza atao ho helony anie izao ota izao. Stefana izany mivavaka amin’Andriamanitra Rainy, mivavaka amin’i Jesoa hoe : ireo mitora-bato ahy ireo : aza atao ho helony izany. Saoly anisan’ny nankasitraka an’ilay mpitora-bato, dia inoana fa valim-bavaka nataon’i Stefana ry havana ô, io niovan’i Saoly ho Paoly io. Izay ilay puissance-ny vavaka. Fa maninona aho no mitodika aminareo vehivavy ? Mitodika aminareo vehivavy aho satria lehilahy. Fantatro ny toetranay lehilahy. Fantatro ny tsy fahaizanay lehilahy manaja vady izany, mitia vady izany, manompo vady izany. Tsy hainay izany e. Dia ataovy vavakareo io ho anay. Anaro izahay, ok. Anaro izahay. Fa rehefa hitanareo hoe tsy mandaitra, tsy dia mandaitra ny fananaranareo ; fa aza tenenina izahay fa teneno amin’i Jesoa. Izay ilay zavatra : « Jesoa a, hitanao io vadiko io, mbola gaga ihany ny nanambadiako an’io ; fa dia izay aloha ilay izy ; efa io io ; fa hitanao indray ny mbola nataony tamiko aninkeo maraina, hitanao indray ny mbola tsindry paingotra, sabatra nataony sy ny karazany ; hitanao io masony midiridiry ohatrany hikasi-tanana ahy iny : aza atao ho helony izany. Aza atao ho helony izany ». Izany ranabavy malala, izany ry reny malala no vavaka ampianarin’ny Tompo antsika Fiangonana raha te hanova lehilahy ianareo. Teneno amin’i Jesosy hoe : « Aza atao ho helony izany ».