27 JANOARY 2020 – 02 FEBROARY 2020

Sao dia mahita jiolahy manao asan-devoly ao amin’ny fiainanao Jesoa, ka tiany horoahina ao ? ( Lioka 19 : 45 )

Karazany 3 ny jiolahy tian’i Jesoa horoahina eto :

  1. Ny mpivarotra. Biby misy kilema no amidiny eto ; kanefa amidiny lafo be. Sao dia ianao koa, amin’ny fandraharana ataonao, no mivarotra zavatra misy kilema, misy défaut ?
  2. Ny mpanakalo vola. Ataon’ilay mpanakalo vola ambony be ilay taux de change ho an’ny olona tonga hanakalo vola avy any ivelany. Tsy halatra ve izany eo imason’i Jesoa ?
  3. Ny mpividy. Tsy mba izay biby fiompiny no nataon’ireo mpividy fanatitra, fa naleony nividy tany am-piangonana. Ianao ve mahafoy zavatra tena sacrifice aminao ho an’Andriamanitra sa ny ambin’ambin-javatra no mba foinao ho Azy?

Amena