03 FEBROARY 2020 – 09 FEBROARY 2020

TENIN’NY FAHASOAVANA
(Asa. 20 :32)
Lazaina hoe « tenin’ny fahasoavana » ny Baiboly.

Tenin’ny fahasoavana satria mirakitra fahasoavana, dia ilay fitiavan’Andriamanitra manova, mi-transformer.

Voalohany indrindra, mahay mampandroso ny tenin’ny fahasoavana : « mampandroso vers la perfection spirituelle ».

Faharoa, mampitombo amin’ny fahamasinana ny tenin’ny fahasoavana.

Ary fahatelo, manome ilay lova any amin’ny Kanana vaovao ny tenin’ny fahasoavana.

Vakio, henoy, ianaro ny tenin’Andriamanitra fa tsy mandainga, ary hitondra ireo vokatra ireo ao amin’ny fiainanao.

Amena