Fanoharana ny amin’i Jerosalema Vaovao

Apokalypsy 21 :2 : « Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin’ Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin’ ny vadiny ».
1/ Oharina amin’ny tanàna masina i Jerosalema Vaovao
Hoy ilay and.2a : « Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin’ Andriamanitra » : Jerosalema Vaovao izany dia oharina amin’ny tanàna masina. Satria ilay Jerosalema taoloha dia lazain’ny Soratra Masina hoe « mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina » (Matio 23 :37 ; Lioka 13 :34). Antsoina izy hoe tanàna masina, tanàna mahatoky kanefa tonga janga. Isaia 1 :9-10 : «Raha tsy nosisan’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, olona vitsivitsy isika, Dia efa tonga tahaka an’ i Sodoma Ary nitovy tamin’ i Gomora. Mandrenesa ny tenin’ i Jehovah, ry mpitsaran’ i Sodoma; Mihainoa ny lalàn’ Andriamanitsika, ry vahoakan’ i Gomora ». Ilay Jerosalema taloha izany ao amin’ny Isaia dia oharina amin’i Sodoma sy Gomora. Dia Jerosalema Vaovao kosa noharin’Andriamanitra ho solony.
Hebreo 11 :16 : « Fa amin’ izany ny tsara lavitra no iriny, dia ny any an-danitra; ary noho izany Andriamanitra dia tsy menatra hatao hoe Andriamaniny, satria efa nanamboatra tanàna ho an’ ireo Izy ». Ao amin’ny planin’Andriamanitra dia hoe ilay Jerosalema taloha soloina Jerosalema Vaovao. Fa ho antsika dia lazaina hoe izao no planin’Andriamanitra : ny tsara lavitra. Tsara lavitra noho ny ety an-tany no omaniny ho antsika izany. Maninona ary no hoe tanàna no omaniny ho antsika fa tsy hoe zaridaina, paradisa, lanitra? Ny zavatra manamarika an’io tanàna io dia hoe tanàna hananan’ny mponina ao fifandraisana, fihavanana, fiombonana amin’Andriamanitra. Raha jerena any amin’ny Apokalypsy 21 :3 dia manamarina izany raha milaza hoe : «Ary nahare feo mahery avy teo amin’ ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin’ Andriamanitra dia eo amin’ ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy ». Ao amin’io Jerosalema Vaovao io Andriamanitra no mitoetra : ny olona rehetra manana fiombonana amin’Andriamanitra ary hahatsiaro ho tena miombona ihany koa izany. Izany no toe-panahy tokony hananan’ny kristiana ety an-tany. Fa tsy manao ohatran’ny olon’izao tontolo izao hoe mitoka-monina ; fa mampiseho hoe mpiara-mandova ary mpiara-mikendry izany Jerosalema Vaovao izay tsy hisian’ny fitokana-monina izany. Ianao izay manao ho tanjona ny Jerosalema Vaovao, manana an’izany toe-panahy miombona amin’ny kristiana hafa izany ve ianao izay mpivahiny eto amin’ity tany ity ? Ary manana izany toe-panahy izany ve ianao satria hoe miombona amin’Andriamanitra ianao ?
2/ Oharina amin’ny vady ampakarina i Jerosalema Vaovao
Hoy ny and.2b: « nidina avy any an-danitra tamin’ Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin’ ny vadiny ». Ny sary faharoa dia hoe « vady ». Inona no tian’ny Soratra Masina asongadina eto ? Zavatra mifandraika ihany amin’ny filazana an’ilay tanàna masina hoe milaza fiombonana amin’Andriamanitra. Fa eto dia tena hoe satria resaka mpanambady ilay izy dia miresaka « intimité » ; izany hoe ny intimité-ny mpivady no resahina. Io mpanampady io, hoe « épouse » dia manana hatsaran-tarehy manokana. Ahoana no ilazan’ny mpandinika an’izany ? Jereo tsara hoy izy i Edena, 6 andro no nanamboaran’Andriamanitra ny lanitra sy ny tany tany am-boalohany tany. Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony ary indro, tsara indrindra izany. Fa hoy ny mpandinika hoe ity vady ampakarina ity dia ny Fiangonana. Isika no fofombadin’i Jesoa dia ampakariny amin’io fotoana io. Dia raha izao izany no hoe tonga ilay andro fampankaram-bady, hampakarina ny Fiangonana dia hoy ny mpandinika hoe efa 2000 taona izay no nanomanan’Andriamanitra azy. Ka raha 6 andro no nanomanany ny paradisa izay hoe tsara indrindra dia hoe fois firy izany ny hatsaran’ny Fiangonana izany. Ahoana no ampifandraisana hoe ity ilay Fiangonana ety an-tany ilay misy antsika izao ; dia eny an-danitra eny, ilay vady voaomana dia hoe Fiangonana izany ? Rehefa jerena ary ny fiainan’ny Fiangonana dia tsotra : tahaka an’i Jerosalema, izay nolazaina hoe ilay Jerosalema taloha tanàna masina dia lasa janga ary tsy misy fahamarinana, ilay Fiangonana ety an-tany ihany koa dia Fiangonana mitoetra amin’ny fahotana. Dia iza io Fiangonana mipoitra avy any an-danitra io ? Efesiana 5 :27 : «mba horaisiny ho an’ ny tenany izany ho fiangonana malaza tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny izy ». Ilay Fiangonana, raha mbola ety an-tany dia ho feno tsiny, feno pentimpentina, feno fiketronana. Fa iza io Fiangonana nidina avy an-danitra io ? Ilay olona tao amin’ny Fiangonana tety an-tany tety nihaino toriteny, nandray an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy, namaly ny antso ho amin’ny fibebahana, nanaiky hitombo amin’ny fanahafana an’i Kristy, dia rehefa miala ety ireny mpino ireny dia mamonjy an’io Jerosalema Vaovao io.
Fampieritreretana: misy statistika avy tamin’ny Amerikana. Dia hoe : amin’ny resaka Fiangonana :
- 10% an’ny mpikambana ao amin’ny Fiangonana dia rehefa jerenao ilay adresse amin’ny recensement dia tsy hita
- 20% an’ny mpikambana ao amin’ny Fiangonana dia tsy mba miangona mihitsy rehefa Alahady
- 25% indray miaiky fa tsy mba manana fiainam-bavaka
- 35% milaza fa tsy manokatra Baiboly mihitsy na dia any am-piangonana aza
- 40% dia rakitra ihany no ataony fa tsy manao adidy ara-bola hafa
- 60% tsy mba manome mihitsy amin’ny asa misiona
- Fa dia hoe amin’ireo olona ireo dia 100% dia manantena ho any an-danitra
Sao dia mba izany isika ? Sao dia heverintsika hoe assuré ilay fankanesana any an-danitra kanefa isika aza ohatran’izao sy ohatran’izao…